Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy. 15Raha
nahita izay nataon'i Elisà avy teny lavidavitra teny ny
andia-mpaminanin'i Jerikao, dia nanao hoe: «Efa mipetraka amin'i Elisà
ny fanahin'i Elià.» Ary lasa nitsena an'i Elisà ireo ka niankohoka
nitehi-tany teo anatrehany,
16ary nanao taminy hoe:
–Manana
lehilahy maherifo dimampolo izahay mpanomponao; koa aoka ireo handeha
hitady ity mpampianatrao, fandrao naingain'ny Fanahin'ny TOMPO izy, ka
nazerany any an-tendrombohitra na any an-dohasaha any.
Fa notenenin'i Elisà ny andia-mpaminany mba tsy haniraka. 17Nefa
mbola nikiry mafy izy, ka farany dia nanaiky ihany i Elisà. Dia
naniraka ireto maherifo dimampolo lahy izy mba hitady an'i Elià
nandritra ny telo andro nefa tsy nahita azy.
18Mbola tao Jerikao ihany i Elisà no tafaverina ireo ka nitenenany hoe:
–Tsy efa nilazako ve ianareo mba tsy handeha hitady azy?
19Ary hoy ny mponin'i Jerikao tamin'i Elisà:
–Araka izao ahitanao azy izao, tompoko, dia tsara toerana ity tanàna ity; saingy ratsy ny rano ary tsy mahavokatra ny tany.
20Dia hoy i Elisà hoe:
–Itondray sira amin'ny lovia vaovao aho.
Dia nitondrana izany izy. 21Ary niainga nankany amin'ilay loharano i Elisà, dia nanipy sira tao sady niteny hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO: «Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.»
22Koa dia nitoetra ho madio mandraka ankehitriny ny rano araka ny nambaran'i Elisà.