–Mandehana ianareo ka makà zanakondry na zanakosy ho an'ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska*. 22Makà rantsana hisôpa*
iray fihina ka atsobohy ao amin'ny ran'ny zanakondry ao anaty koveta,
dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran'ny
tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony
ambara-pahamarainan'ny andro. 23Fa
handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo
amin'ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia
handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo. 24Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany. 25Koa
rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay efa nampanantenain'ny TOMPO
homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io. 26Ary raha manontany anareo ny anton'izany ny zanakareo, 27dia hovalianareo hoe: «Sorona*
atolotra ny TOMPO amin'ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko
ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny
kosa teo anoloan'ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.»
Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin'ny TOMPO. 28Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy sy i Aharôna.