–Mankanesa
amin'itsy tanàna manoloana itsy. Rehefa tafiditra ny tanàna ianareo,
dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan'olona; vahao izy
ka ento atỳ. 31Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Nahoana io no vahanareo?», dia valio hoe: «Misy ilàn'ny Tompo azy.»
32Nony lasa ireo nirahina, dia nahita araka izay voalazan'i Jesoa taminy. 33Raha namaha ny zana-boriky iny izy, dia hoy ny tompom-boriky hoe:
–Nahoana io no vahanareo?
34Dia novalian'izy roa lahy hoe:
–Misy ilàn'ny Tompo azy!
35Nentin'ireto
iraka nankeo amin'i Jesoa ilay zana-boriky; ary ny lamban'izy roa lahy
no napetrany teo amboniny, vao nasainy nitaingina i Jesoa. 36Nony nandroso i Jesoa, dia namelaran'ny olona lamba teny amin'ny lalan-kalehany. 37Rehefa
nanakaiky an'i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin'ny
tendrombohitra Analanôliva, dia nisy mpianatra marobe indray
nientan-kafaliana sady nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho
ny asa mahagaga rehetra efa hitany; 38hoy ny antsoantsony hoe:
«Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
ny Mpanjaka izay avy!
Fiadanana anie any an-danitra,
ary voninahitra anie ho an'Andriamanitra!»
39Nisy kosa Farisianina* avy teo anivon'ny vahoaka niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba teneno ny mpianatrao hangina!
40Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
41Ary nanakaiky an'i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy 42sady nanao hoe:
–Raha mba fantatrao amin'ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany! 43Fa
ho avy aminao ny andro hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina
anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza. 44Hofongorana
tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato
mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro
notendren'Andriamanitra hamangiana anao!