vendredi 21 avril 2017

Zoma 21 Aprily 2017 - I Kor 1 : 18 - 25

18Eny, ny fitoriana momba an'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 19Fa izao no ambaran'ny Soratra Masina*:
«Hofoanako ny fahendren'ny hendry,
holaviko ny fahaizan'ny mahay1.19 Is 29.14, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

20Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalàna*? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao*1.20 Ampit Is 44.25.? Tsy efa nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren'izao tontolo izao?

21Fa ny fahendren'olombelona dia tsy nahalalan'izao tontolo izao an'Andriamanitra na dia teo amin'izay nihariharian'ny fahendren'Andriamanitra aza. Noho izany, dia sitrak'Andriamanitra ho tamin'ny alalan'ny hafatra miendrika fahadalana izay torînay no hamonjena ny olona izay mino. 22Eny, mitaky famantarana avy amin'Andriamanitra ny Jiosy, ary ny Grika mitady fahendrena; 23izahay kosa dia i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana no torînay: fanafintohinana ho an'ny Jiosy izany ary fahadalana ho an'ny hafa firenena*.

24Kanefa ho an'izay voaantson'Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra; 25satria izay toa fahadalàn'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'olombelona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12