dimanche 2 avril 2017
Alahady 02 Aprily 2017 - Mat 24 : 29 - 31
29Raha vao afaka ny fijaliana amin'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin'ny habakabaka24.29 Ampit Is 13.10; Ezek 32.7; J1 2.10; 3.4.. 30Amin'izay dia hiseho eny amin'ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak'olona*; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak'olona tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe24.30 Dan 7.13.. 31Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin'ny Zanak'olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny24.31 Ampit Deot 30.4; Za 2.10; Ne 1.9..
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...