mercredi 12 avril 2017

Alarobia 12 Aprily 2017 - Sal 41 : 4 - 13

4Ny TOMPO no hanohana azy
eo am-pandriana ijaliany,
ka dia hikarakara azy
mandritra ny aharariany.

5Ka hoy aho tamin'ny TOMPO:
«Mba iantrao aho ka sitrano
fa taminao no efa nanotako!»
6Ny fahavaloko maniry loza ho ahy hoe:
«Oviana no ho faty io, ka tsy hotsaroana intsony!»
7Raha misy tonga mamangy ahy ireo,
dia mikendry ny hanendrikendrika ahy;
manangona fanaratsiana ao an-tsainy izy,
ka vao tafavoaka, dia mampiely izany.
8Nivory ireo rehetra tsy tia ahy
mba hitakoritsidritsika ny amiko
sy hanombantombana ny fahavoazako.
9Hoy ireo hoe: «Voan'ny aretin-dratsy io
ka milamaka tsy ho tafarina intsony!»
10Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza,
izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko,
dia nanjary nitsangana hanohitra ahy41.10 Ny and 10 dia voatsiahy ampahany ao amin'ny Mk 14.18 sy Jôh 13.18; jereo koa Mt 26.23; Lk 22.21..
11Fa Ianao kosa, TOMPO ô, miantrà ahy;
ka areno aho mba hamaliako an'ireo.
12Izao no hahafantarako fa tia ahy Ianao:
tsy hakorain'ny fahavaloko hoe resy aho.
13Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny
ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12