dimanche 16 avril 2017

Alahady 16 Aprily 2017 - Mat 28 : 1 - 10

1Taorian'ny sabata*, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria28.1 Jereo 27.56. anankiray hafa. 2Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjeli*n'ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. 3Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4Azon'ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty. 5Dia niteny tamin'ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe:

–Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, no tadiavinareo. 6Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy. 7Ndeha haingana lazao amin'ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea28.7 Jereo 26.32., ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo.

8Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr'i Jesoa. 9Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin'ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

Dia nanatona an'i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy. 10Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy:
–Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12