dimanche 30 avril 2017

Alahady 30 Aprily 2017 - Deo 4 : 32 - 38

32Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin'ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve? 33Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao anatin'ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany? 34Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan'ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn'ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana4.34 Fampahatsiahivana ny loza voateny ao amin'ny Eks 7.14–12.36 izany.? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta. 35Ianareo no nampahitany an'izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy4.35 Jereo Is 45.21; Mk 12.32. . 36Avy tany an-danitra* no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin'ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin'izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny. 37Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe; 38avy eo Izy dia nandroaka teo anoloanareo firenena maro izay lehibe sy matanjaka noho ianareo, mba hampidirany anareo amin'ny taniny sy hanomezany izany ho fanananareo, tahaka ny amin'izao anio izao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12