mardi 25 avril 2017

Talata 25 Aprily 2017 - Isa 40 : 21 - 26

21Moa tsy fantatrareo na efa renareo ve,
moa tsy nambara taminareo
hatrany am-piandohana ve,
ary moa tsy noeritreretinareo ve
ilay mpanangana ny fanorenan'ny tany?
22Izy no mipetraka amin'ny sezafiandrianana
eo ambonin'ny habakabaka izay andohalambon'ny tany;
ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny.
Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe
ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.
23Izy no mahatonga ny mpitondra ho tsinontsinona
sy maha zava-poana ny mpifehy ny tany.
24Vao tonga eo amin'ny toerany ireny,
vao manomboka miely patrana,
vao miorim-paka amin'ny tany,
dia tsofin'ny fofonain'ny TOMPO ka mihamalazo;
ary indreny fa voapaoka
toy ny mololo indaosin'ny tadio.

25«Koa hampitovînareo amin'iza Aho
ary hoharinareo amin'iza,
hoy ilay Andriamanitra masina?»

26Atopazo eny an-danitra ny masonareo
ka jereo: Iza no nahary ny kintana?
Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony
toy ny andian-tafika hanao matso
sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy.
Lehibe loatra ny heriny
ary tena hentitra ny fahefàny
ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12