1Hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Hisy lalandava ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy; nefa mampalahelo izay olona mahatonga izany! 2Aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka atsipy any an-dranomasina mba tsy hitarika ny anankiray amin’ireny madinika ireny hanao ratsy. 3Koa mitandrema tena ianareo!
Raha diso ny rahalahinao, dia anaro; ka raha mivalo izy, dia avelao. 4Ary raha diso aminao hatramin’ny impito anatin’ny indray andro aza ny rahalahinao, nefa miverina aminao hatrany manao hoe: «mivalo aho», dia avelao!
5Ary hoy ny apôstôly tamin’ny Tompo:
–Mba ampitomboy ny finoanay!
6Ka novalian’ny Tompo hoe:
–Raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy ianareo dia ho afa-milaza amin’ity voaroihazo ity hoe: «Miongota, ary aoka haniry any an-dranomasina»; dia hanoa anareo izy.
7–Aoka hatao hoe misy aminareo manana mpanompo, mpiasa tany na mpiandry biby fiompy. Raha mody avy any an-tsaha ve ilay mpanompo, dia hilazana hoe: «Avia faingana hisakafo»? 8Tsia, fa izao no hatao aminy: «Anamboary sakafo aho; ary misikîna hampihinana ahy mandritra ny isakafoanako. Aorian’izany vao hisakafo ianao.» 9Ary ankasitrahina ve ilay mpanompo, rehefa vitany izay nasaina hataony? Tsia! 10Torak’izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain’Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»