12Ary indrindra indrindra, ry havako, aza mianiana mihitsy ianareo, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka hanao «eny» ianareo rehefa manaiky, ary hanao «tsia» rehefa mandà, fandrao hihatra aminareo ny fanamelohan’Andriamanitra.
13Misy ory ve ianareo? Aoka izy hivavaka. Misy finaritra ve? Aoka izy ho velon-kira fiderana. 14Misy marary ve ianareo? Aoka izy hampiantso ireo loholom-piangonana hivavaka eo aminy sady hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo? 15Fa izany vavaka izany, rehefa atao amim-pinoana, dia hahavonjy ilay marary: hositranin’ny Tompo izy ary, raha nanota, dia havela ny helony. 16Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. 17Olona tahaka antsika izao ihany i Elià; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany; 18ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin’ny marina, ka misy mamerina azy, 20dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin’ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin’izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa.