22Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita. 23Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe:
–Tsy ity ve ny Zanak’i Davida?
24Nony nandre izany kosa ny Farisianina, dia niteny hoe:
–Tsy misy androahan’ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin’i Belzeboba, filohan’ny demony!
25Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy:
–Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. 26Raha i Satàna no mandroaka an’i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27Ary raha fahefana avy amin’i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin’iza kosa no androahan’ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo. 28Raha Izaho dia ny Fanahin’Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin’izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.
29Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon’ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.
30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka.