14–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Laôdisia:
«Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny zavaboaarin’Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.
21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.
22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»