vendredi 16 août 2019

Zoma16 Aogositra 2019 - Heb 11 : 1 - 12

1Voahodidina vavolombelona marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin’izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.

3Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo. 4Fa tsy mbola nihatra taman’aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana. 5Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe:

«Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin’ny Tompo;
ary aza ketraka rehefa anariny.
6Fa ny zanaka tiany no faizin’ny Tompo
ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny»?

7Ho famaizana anareo no aoka hiaretanareo fijaliana; toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo, satria iza moa no zanaka tsy faizin-drainy? 8Fa raha tsy faizina tahaka ny atao amin’ny zanaka rehetra ianareo, dia tsy tena zanaka fa zazasary. 9Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona. 10Famaizana mandritra ny andro vitsivitsy ihany no nampiharin’ireo raintsika eto an-tany, araka izay heveriny fa mety; fa soa ho antsika kosa no amaizan’Andriamanitra antsika, dia ny mba hiombonantsika anjara amin’ny fahamasinany. 11Rehefa faizina isika, dia heverintsika ho zavatra mampahory fa tsy mahafaly izany eo no ho eo; fa atỳ aoriana, ny olona tinaiza tamin’izany famaizana izany vao mahita ny voka-tsoany: dia fiadanana vokatry ny fitondrantena mahitsy.

12Hatanjaho àry ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12