vendredi 23 août 2019

Zoma 23 Aogositra 2019 - Lio 4 : 14 - 30

14Nombàn’ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin’ny faritany manontolo ny lazany. 15Nampianatra tany amin’ny sinagôga Izy sady nomen’ny olona rehetra voninahitra.

16Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina 17ka natolotra Azy ny bokin’i Isaià mpaminany. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:

18«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo.
Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara
Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra;
nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra
sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka ny ampahorîna
19ary hitory taona hanehoan’ny Tompo fanambinana.»

20Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin’ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason’izay rehetra tao amin’ny sinagôga. 21Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tanteraka androany amin’izao andrenesanareo azy izao izany andinin’ny Soratra Masina izany.

22Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe:
–Tsy zanak’i Jôsefa ve ity?

23Fa i Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Ampiharinareo amiko tokoa ilay ohabolana hoe: «Dokotera, sitrano aloha ny tenanao», satria hoy ianareo tamiko: «Izay rehetra renay fa nataonao tany Kafarnahòma, mba ataovy eto an-tanindrazanao koa!»

24Ary niteny indray i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany to teny eo amin’ny tanàna nahabe azy. 25Ary izao koa no ambarako tsotra aminareo: marobe ireo mpitondratena teo amin’i Israely tamin’ny andron’i Elià, raha nihantona telo taona sy tapany ny ranonorana ka nahatonga mosary lehibe manerana ny tany; 26kanefa tsy nisy nanirahan’Andriamanitra an’i Elià na dia iray aza, fa ilay mpitondratena tany Sarefàta ao amin’ny faritr’i Sidôna ihany. 27Marobe koa ny marary hoditra teo amin’i Israely faha-Elisà mpaminany; kanefa tsy nisy nodioviny na dia iray aza, fa i Nahamàna Sirianina ihany.

28Nisafoaka daholo ny olona teo amin’ny sinagôga nony nandre izany, 29ka niara-nitsangana nandroaka an’i Jesoa tany ivelan’ny tanàna sy nitondra Azy tany an-tampon’ilay havoana iorenan’ny tanàna mba hamarina Azy any an-tevana. 30Izy kosa namakivaky teo afovoan’izy rehetra, dia lasa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12