1Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe:
–Ry Abrahama!
Dia namaly i Abrahama hoe:
–Inty aho.
2Dia hoy Andriamanitra hoe:
–Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.
3Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy. 4Nony afaka ampitso maraina dia tazan’i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany.
5Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy:
–Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.
6Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, 7dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy:
–Dada ô!
Ka novaliany hoe:
–Mihaino anao aho, anaka.
Ary hoy i Itsehàka hoe:
–Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?
8Fa namaly azy i Abrahama hoe:
–Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka!
Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.