jeudi 4 février 2021

Zoma 05 Febroary 2021 - I Mpa 17 : 7 - 16

 7Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany. 8Dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe:

9–Miaingà ka mankanesa any Tsarefata akaikin’i Tsidôna ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.

10Dia lasa nankany Tsarefata i Elià. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin’ny tanàna izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin’i Elià io ka nataony hoe:

–Azafady mba itondray rano kely amin’ny zinganao aho hosotroiko.

11Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin’i Elià indray izy nataony hoe:

–Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho.

12Fa hoy ravehivavy namaly:

–Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran’ny tanan’ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin’ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an’ireo mba ho ahy sy ho an’ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay.

13Fa hoy i Elià taminy:

–Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento atỳ amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an’ny zanakao lahy. 14Fa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Tsy ho lany ny lafarinina ao amin’ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin’ny tavoara mandra-pigadon’ny andro handatsahan’ny TOMPO ranonorana amin’ny tany.»

15Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain’i Elià taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany. 16Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin’ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin’ny tavoara, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Elià.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12