42Nony tafavoaka ny sinagôga i Paoly sy i Barnabà, dia nangatahin’ny olona hiverina indray rehetra miherina ny sabata hilazalaza ny amin’izany zavatra izany. 43Tamin’ny firavàn’ny mpiangona, dia maro ny Jiosy mbamin’ny hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabà; ary izy roa lahy kosa niteny taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
44Ary tamin’ny sabata herin’io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:
–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian’ny Tompo anay:
«Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»
48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin’ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.
49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin’ny Tompo. 50Nomen’ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an’Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin’ny faritany. 51Nahintsan’i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin’ny tongony ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma. 52Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiôkia.