mardi 2 février 2021

Talata 02 Febroary 2021 - Heb 4 : 1 - 13

 1Mbola namelan’Andriamanitra fampanantenana isika fa hiditra ao amin’ny toeram-pitsaharana voaomany ho antsika; koa mitandrema isika mba tsy hisy aminareo tsy ho tody amin’izany. 2Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo. 3Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin’izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe:

«Tezitra aho, ka nianiana hoe:

Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.»

Izany no teny nataon’Andriamanitra na dia efa vitany tamin’ny nahariany an’izao tontolo izao aza ny asany. 4Fa misy teny anankiray izay, ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny andro fahafito manao hoe: «Dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.» 5Ary eto indray dia ny hoe: «Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.» 6Noho izany, ireo voalohany nandre ny Vaovao Mahafaly dia tsy tafiditra tao amin’izany toeram-pitsaharana izany, satria tsy nanaiky; fa mbola mahazo miditra ihany ny sasany. 7Koa nametra andro anankiray indray Andriamanitra, andro anankiray antsoiny hoe «anio». Izany kosa dia nolazainy tatỳ aoriana elabe, tamin’ny alalan’i Davida, ao amin’ny andinin-tSoratra Masina voatonona teo hoe:

«Anio, raha renareo ny feon’Andriamanitra

dia aza hamafisina ny fonareo.»

8Raha tàhiny efa vitan’i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana. 9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny andro fahafito. 10Fa izay tafiditra ao amin’ny fitsaharana voaoman’Andriamanitra, dia mitsahatra amin’ny asany tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny Azy. 11Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin’izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan’ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny.

12Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona. 13Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12