17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin’Andriamanitra rahateo talohan’ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin’izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21Izy no mahatonga anareo hino an’Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin’ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.
22Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa. 23Nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa tamin’ny voa tsy mety lo: dia ny tenin’Andriamanitra, izay teny velona sady maharitra. 24Fa hoy ny Soratra Masina:
«Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:
malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny. 25Fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay.» Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorîna taminareo.