13Nampanantenain’Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna, fa noho izy ireo nino ka neken’Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14Raha ny fanatanterahana ny lalàna no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka àty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15Fa mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna.
16Noho izany, dia avy amin’ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an’ny taranak’i Abrahama rehetra: tsy ho an’izay mandala ny lalàna ihany, fa ho an’izay mino tahaka ny nataon’i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan’ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga «raim-pirenena» maro, araka ny voalazan’Andriamanitra taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.» 19Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman’ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin’izay, ary koa raha nandinika an’i Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony. 20Tsy very finoana ny amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, 21sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain’Andriamanitra dia hain’Andriamanitra tanterahina. 22Izany no «nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina.» 23Tsy ho an’i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe «nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina», 24fa ho antsika koa, dia isika mino Ilay nanangana an’i Jesoa Tompontsika ho velona avy tany amin’ny maty. 25Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason’Andriamanitra.