mardi 23 février 2021

Talata 23 Febroary 2021 - Neh 9 : 1 - 8

 1Ny andro faha-24 tamin’izany volana izany ihany, dia nivory hifady hanina ny Israelita ka samy nitondra akanjo malailay sy nanosim-bovoka ny lohany. 2Niavaka tamin’ny olona rehetra hafa firenena ry zareo ka naka toerana mba hiaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. 3Ary nitsangana teo amin’ny toerany avy izy, dia novakîna nandritra ny adiny telo ny teny tao amin’ny boky mirakitra ny lalànan’ny TOMPO Andriamaniny; nandritra ny adiny telo manaraka kosa dia niaiky heloka ireo sy niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.

4Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny. 5Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe:

–Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay!

«Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza

izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!

6Ianao irery ihany no TOMPO;

Ianao no nanao ny habakabaka midadasika

mbamin’ny kintana rehetra

ny tany sy izay rehetra eo aminy,

ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy;

Ianao no mamelona ny voaary rehetra,

ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra.

7Ianao no TOMPO Andriamanitra,

Izay nifidy an’i Abrama

ka nampiala azy tao Ora any Kaldea

sy nanome anarana azy hoe Abrahama.

8Fo mahatoky anao no hitanao taminy,

ka nanaovanao fanekempihavanana izy

fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany

ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita

mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita;

ary efa notanterahinao ny teninao,

satria marina Ianao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12