13Ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nombàm-pianianana. Ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany hianianan’Andriamanitra, dia nianiana tamin’ny tenany Izy 14ka nanao hoe: «Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao.» 15Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra azy. 16Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin’ny anaran’izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana. 17Sitrak’Andriamanitra hiharihary tsara kokoa tamin’ireto natao handova ny soa nampanantenainy, fa tsy miova ny fikasany; ka dia notovonany fianianana ny fampanantenana nataony: 18ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika. 19Toy ny vatofantsiky ny aintsika izany fanantenana izany ho antsika, fanantenana azo antoka sy mafy ary mamaky ny efitra lamban’ilay tempoly any an-danitra ka miditra hatrany anatin’ny Toeramasina Indrindra. 20Ao i Jesoa no tafiditra nialoha antsika mba ho fanasoavana antsika, rehefa tonga Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedeka.