mercredi 21 juillet 2021

Alarobia 21 Jolay 2021 - Mar 10 : 45 - 52

 45Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!

46Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka. 47Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe:

–Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

48Norahonan’ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:

–Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

49Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe:

–Antsoy izy!

Dia nantsoin’ny olona ilay jamba nataony hoe:

–Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna!

50Natsipin’i Bartimeo ny lambany, ka niantsambotra nanatona an’i Jesoa izy. 51Dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:

–Inona no tianao hataoko aminao?

Dia hoy ilay jamba taminy:

–Mpampianatra ô, ny hampahiratra ahy!

52Ka hoy i Jesoa:

–Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao!

Dia nahiratra niaraka tamin’izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12