samedi 24 juillet 2021

Sabotsy 24 Jolay 2021 - Asa 16 : 6 - 15

 6Noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra tany Azia i Paoly sy ny namany ka nandeha namaky ny faritany Frijia sy Galatia. 7Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa. 8Dia namaky an’i Mizia ry i Paoly ka nanitsy nankany Trôasy, tanàna seranana. 9Tamin’ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedônianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay!» 10Tsy nangataka andro izahay taorian’izany fahitàn’i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedônia, satria azonay antoka fa nantsoin’Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona any izahay.

11Niondrana an-tsambo tao Trôasy izahay ka nizotra nivantana ho any amin’ny nosy Samôtrasy; ary tafapaka hatrany Neapôly, ny ampitson’iny. 12Avy eo izahay, dia nankany Filipy, tanànan’ny faritany voalohany ao Masedônia, sady zanatany rômanina. Nijanona andro maromaro tao amin’io tanàna io izahay. 13Tamin’ny andro sabata dia lasa tany ivelan’ny vavahadin-tanàna izahay, ka nankeny amoron’ny ony satria noheverinay fa nisy toeram-pivavahana ho an’ny Jiosy teny. Nipetrapetraka izahay ka tafaresaka tamin’ny vehivavy tafavory teo. 14I Lidia no anaran’ny anankiray tamin’ireo vehivavy ireo; avy any an-tanànan’i Tiatira izy, mpivarotra lamba jaky mena sarobidy, ary mpanaja an’Andriamanitra. Nihaino tsara anay ravehivavy io ary nosokafan’ny Tompo ny fony mba ho babon’ny teny nolazain’i Paoly. 15Nony avy natao batisa izy mbamin’ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe:

–Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko.

Ary notereny mihitsy izahay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12