Affichage des articles dont le libellé est Mivelona amin'ny fahasoavana ny marina. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mivelona amin'ny fahasoavana ny marina. Afficher tous les articles
lundi 31 décembre 2012
Alatsinainy 31 Desambra 2012 - I Pet 4 : 7 - 11
7 Antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonona tena mba ho afa-mivavaka. 8 Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa. 9 Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin'Andriamanitra. 11 Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr'Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain'Andriamanitra azy; ka dia amin'ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa an'Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.
dimanche 30 décembre 2012
Alahady 30 Desambra 2012 - Mat 2 : 13 - 15
13 Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy i Josefa ka nilazany hoe: Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Heroda ny zazakely mba hamonoany azy. 14 Dia nifoha i Josefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15 Ary nitoetra tany i Josefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Heroda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!
samedi 29 décembre 2012
Sabotsy 29 Desambra 2012 - Sal 23 : 1 - 6
1. Salamo nataon'i Davida. Ny TOMPO no mpiandry ahy ka tsy ory na inona na inona aho. 2. Ampandriny eo amin'ny ahi-maitso aho ary entiny eo amin'ny rano mahafa-tsasatra, 3. velombelominy aina indray aho, ary tarihiny amin'ny lala-marina, satria mpiandry an'i Israely Izy. 4. Na mandeha mamaky lohasaha maizina izay tandindomin'ny fahafatesana aza aho, dia tsy misy loza atahorako fa Ianao no miaraka amiko. Tarihinao sy arovanao aho ka izany no mampatoky ahy. 5. Anomananao fanasana aho eo anoloan'ireo fahavaloko; hosoranao ilomanitra ny lohako sady fenoinao mitafotafo ny kaopiko. 6. Eny tokoa, mandritra ny andro iainako rehetra dia ny hatsarampo amam-pitiavanao no hiaraka amiko. TOMPO o, hitoetra lalandava ao an-tranonao aho.
vendredi 28 décembre 2012
Zoma 28 Desambra 2012 - Efe 2 : 8 - 16
8 Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9 tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika. 11 Ianareo izay hafa firenena, dia ianareo antsoin'ny Jiosy hoe tsy voafora, fa izy ireo miantso ny tenany hoe voafora (ilazana famantarana ataon'ny olona amin'ny nofony) , tsarovy izay nanjo anareo fahiny: 12 lavitra an'i Kristy ianareo tamin'izany andro izany; tsy mba navela ho anisan'ilay firenena Israely voafidin'Andriamanitra; tsy mba tao anatin'ireo fanekempihavanana izay niorina tamin'ny fampanantenan'Andriamanitra; velona teto amin'izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an'Andriamanitra. 13 Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin'i Kristy. 14 Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin'ny nanoloran'i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15 Nofoanan'i Kristy ny lalana jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin'ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan'i Kristy fampihavanana. 16 Ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin'Andriamanitra.
jeudi 27 décembre 2012
Alakamisy 27 Desambra 2012 - Isa 7 : 10 - 16
10. Dia mbola nanafatra an'i Ahaza ny TOMPO ka nanao hoe:
11. -Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin'izay fanambanin'ny toeran'ny maty izany na eny an-danitra ambony eny. 12. Fa novalian'i Ahaza hoe:-Tsia, tsy hangataka na inona na inona aho fa tsy te haka fanahy ny TOMPO. 13. Dia hoy i Isaia taminy: -Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak'i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an'Andriamanitra koa ianareo? 14. Noho izany ary, dia ny TOMPO mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe ''Andriamanitra miaraka amintsika''. 15. Ronono mandry sy tantely no ho sakafony ambara-pahalalany manda ny ratsy sy mifidy ny tsara. 16. Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan'ny mponina ny tanin'ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.
mercredi 26 décembre 2012
Alarobia 26 Desambra 2012 - Lio 1 : 39 - 56
39 Niainga i Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin'ny tanana anankiray anatin'ny faritra be havoana any Joda, 40 ary namantana tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41 Vantany vao henon'i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon'i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta 42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nomban'Andriamanitra fitahiana amin'ny samy vehivavy ianao, ary nombany fitahiana koa Ilay haterakao! 43 Zinona moa aho no mba vangian'ny renin'ny Tompoko? 44 Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko. 45 Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao! 46 Ary hoy i Maria: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47 ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy, 48 noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona! Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, 49 fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko. Masina ny anarany! 50 Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy. 51 Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery; ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka. 52 Ny mpanjakazaka naongany hiala amin'ny sezafiandrianany; ny tsinontsinona kosa nasandrany. 53 Ny noana novokisany zava-tsoa; ny mpanankarena kosa nalefany nody maina. 54 Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra, satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika; dia ny hamindra fo mandrakizay amin'i Abrahama sy ny taranany. 56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.
mardi 25 décembre 2012
Talata 25 Desambra 2012 - Jao 1 : 14 - 18
14 Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana. 15 Vavolombelona manambara Azy i Johany ka niantso mafy hoe: Izy no Ilay voalazako hoe: Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako. 16 Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra: 17 satria ny lalana dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.
lundi 24 décembre 2012
Alatsinainy 24 Desambra 2012 - II Tan 1 : 7 - 13
7. Tamin'ny alina iny no nisehoan'Andriamanitra i Salomona ka nilazany hoe: -Angataho izay tianao homeko anao! 8. Dia hoy i Salomona tamin'Andriamanitra: -Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao. 9. Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy taminavahoaka marobe tahaka ny vovo-tany. 10. Koa omeo fahendrena sy fahaiza-manavaka aho hitondrako ny tenako manoloana ity vahoaka ity; fa raha tsy eo izany, dia iza indray no ho afaka hifehy izao vahoakanao betsaka izao? 11. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Salomona: -Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka; 12. koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao. 13. Dia niverina tany Jerosalema i Salomona rehefa niala teo amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin'i Israely izy.
dimanche 23 décembre 2012
Alahady 23 Desambra 2012 - I Kor 1 : 1 - 9
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto aho, ary mamangy anareo koa i Sostena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa. 3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo! 4 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 5 Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6 Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7 ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 8 Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. 9 Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
samedi 22 décembre 2012
Sabotsy 22 Desambra 2012 - Lio 1 : 26 - 38
26 Rehefa bevohoka enim-bolana i Elizabeta, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin'ny tanana anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27 hankao amin'ny tovovavy fofombadin'ny lehilahy atao hoe Josefa. Io Josefa io dia taranak'i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran'ilay tovovavy. 28 Niditra tao an-tranon'i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: Mifalia, ry nohasoavin'ny Tompo! Momba anao hatrany Izy! 29 Taitra tokoa i Maria noho izany teny izany, ka nieritreritra izay mety ho hevitr'ilay fiarahabana. 30 Ary hoy ny anjely taminy: Aoka izay ny tahotra, ry Maria, fa efa nahazo tombon-tsoa tamin'Andriamanitra ianao! 31 Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany. 32 Ho lehibe Izy sady hantsoina hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hahatonga Azy ho mpanjaka handimby an'i Davida razambeny; 33 dia hanjaka mandrakizay amin'ny vahoaka Israely Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. 34 Fa hoy i Maria tamin'ny anjely: Hanao ahoana ary no hahatanterahan'izany, fa izaho manko virijiny? 35 Dia novalian'ny anjely hoe: Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin'ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohoka enim-bolana izao ilay natao hoe momba. 37 Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan'Andriamanitra! 38 Tamin'izay dia hoy i Maria: Inty aho mpanompovavin'ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao! Dia nandao azy ilay anjely.
vendredi 21 décembre 2012
Zoma 21 Desambra 2012 - Rom 5 : 1 - 5
1 Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 2 Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4 ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.
jeudi 20 décembre 2012
Alakamisy 20 Desambra 2012 - Kol 4 : 2 - 6
2 Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany omban'ny fisaorana an'Andriamanitra. 3 Mivavaha koa ho anay, mba hataon'Andriamanitra afaka malalaka mitory ny teniny izahay, ka hanambara ny tsiambaratelo momba an'i Kristy. Fa ny fitoriana izany tsiambaratelo izany indrindra no mahavoafonja ahy izao. 4 Mivavaha ary mba hanambarako izany mazava tsara, araka izay tokony hoteneniko. 5 Manana fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa. 6 Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.
mercredi 19 décembre 2012
Alarobia 19 Desambra 2012 - I Mpa 17 : 1 - 16
1 Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elia izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany. 2 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: 3 Miala eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin'ny riakan'i Kerita, any atsinanan'i Jordana.
4 Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao. 5 Dia notanterahin'i Elia izay nolazain'ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin'ny riakan'i Kerita. 6 Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin'ny riaka kosa no nisotroany. 7 Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin'ny tany. 8 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: 9 Miainga ka mankanesa any Tsarefata akaikin'i Tsidona ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao. 10 Dia lasa nankany Tsarefata i Elia. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin'ny tanana izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin'i Elia io ka nataony hoe: Azafady mba itondray rano kely amin'ny zinganao aho hosotroiko. 11 Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin'i Elia indray izy nataony hoe: Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho. 12 Fa hoy ravehivavy namaly: Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran'ny tanan'ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin'ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an'ireo mba ho ahy sy ho an'ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay. 13 Fa hoy i Elia taminy: Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento aty amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an'ny zanakao lahy. 14 Fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Tsy ho lany ny lafarinina ao amin'ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin'ny tavoara mandra-pigadon'ny andro handatsahan'ny TOMPO ranonorana amin'ny tany. 15 Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain'i Elia taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany. 16 Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin'ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin'ny tavoara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Elia.
mardi 18 décembre 2012
Talata 18 Desambra 2012 - II Kor 4 : 12 - 15
12 hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo. 13 Hoy ny Soratra Masina: Nino aho, ka izany no nitenenako. Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14 Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15 Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.
lundi 17 décembre 2012
Alatsinainy 17 Desambra 2012 - Sal 84 : 11 - 12
11. Ny indray andro eo an-kianjan'ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran'ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro o, toy izay hitoetra ao amin'ny fonenan'ny olon-dratsy. 12. Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen'ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin'izay madio fitondrantena.
dimanche 16 décembre 2012
Alahady 16 Desambra 2012 - II Kor 9 : 6 - 9
6 Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7 Aoka samy hanome araka izay nokasain'ny fony avy, tsy amin'alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian'Andriamanitra. 8 Ary hain'Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Malala-tanana izy nanome ny mahantra; maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.
samedi 15 décembre 2012
Sabotsy 15 Desambra 2012 - Rom 4 : 13 - 18
13 Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalana, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14 Raha ny fanatanterahana ny lalana no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka aty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15 Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra ny lalana; ka raha tsy misy ny lalana, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalana. 16 Noho izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho an'izay mandala ny lalana ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho. Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18 Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga raim-pirenena maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.
vendredi 14 décembre 2012
Zoma 14 Desambra 2012 - Asa 6 : 8 - 15
8 Feno fitahiana sy hery avy amin'Andriamanitra i Stefana ka nanao zava-mahagaga sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. 9 Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin'ny sinagogan'ny Libertina, sy ny sinagogan'ny Aleksandrianina mbamin'ny sinagogan'ireo terak'i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin'i Stefana izy rehetra ireo, 10 kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin'ny Fanahy Masina Izay nampiteny an'i Stefana. 11 Tamin'izay dia nanarama olona izy ireo hilaza hoe: Renay nanevateva an'i Mosesy ary nanevateva an'Andriamanitra iny Stefana iny. 12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpahay lalana. Dia nirohotan'ireo mpanohitra azy i Stefana, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin'ny Fitsarana ambony 13 sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe: Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly masina ity sy ny lalanan'i Mosesy io lehilahy io, 14 satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr'i Mosesy antsika. 15 Samy nibanjina an'i Stefana izay rehetra tao amin'ny Fitsarana ambony ka nahita ny tarehiny miendrika tarehin'anjely.
jeudi 13 décembre 2012
Alakamisy 13 Desambra 2012 - Heb 4 : 14 - 16
14 Aoka ary hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak'Andriamanitra. 15 Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota. 16 Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan'Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian'Andriamanitra antsika amin'ny fotoana ilantsika izany.
mercredi 12 décembre 2012
Alarobia 12 Desambra 2012 - Sal 128 : 1 - 6
1. Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dalana nataony. 2. Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao ka sambatra sy ambinina ianao! 3. Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao dia toy ny solofon'oliva. 4. Eny, toy izany no itahiana ny lehilahy manaja ny TOMPO! 5. Hitahy anao avy ao Tsiona anie ny TOMPO, ka amin'ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema 6. sy hahitanao ny zafikelinao! Ny fiadanana anie ho an'i Israely!
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...