dimanche 30 décembre 2012
Alahady 30 Desambra 2012 - Mat 2 : 13 - 15
13 Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy i Josefa ka nilazany hoe: Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Heroda ny zazakely mba hamonoany azy. 14 Dia nifoha i Josefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15 Ary nitoetra tany i Josefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Heroda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...