samedi 22 décembre 2012

Sabotsy 22 Desambra 2012 - Lio 1 : 26 - 38


26 Rehefa bevohoka enim-bolana i Elizabeta, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin'ny tanana anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27 hankao amin'ny tovovavy fofombadin'ny lehilahy atao hoe Josefa. Io Josefa io dia taranak'i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran'ilay tovovavy. 28 Niditra tao an-tranon'i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: Mifalia, ry nohasoavin'ny Tompo! Momba anao hatrany Izy! 29 Taitra tokoa i Maria noho izany teny izany, ka nieritreritra izay mety ho hevitr'ilay fiarahabana. 30 Ary hoy ny anjely taminy: Aoka izay ny tahotra, ry Maria, fa efa nahazo tombon-tsoa tamin'Andriamanitra ianao! 31 Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany. 32 Ho lehibe Izy sady hantsoina hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hahatonga Azy ho mpanjaka handimby an'i Davida razambeny; 33 dia hanjaka mandrakizay amin'ny vahoaka Israely Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. 34 Fa hoy i Maria tamin'ny anjely: Hanao ahoana ary no hahatanterahan'izany, fa izaho manko virijiny? 35 Dia novalian'ny anjely hoe: Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin'ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohoka enim-bolana izao ilay natao hoe momba. 37 Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan'Andriamanitra! 38 Tamin'izay dia hoy i Maria: Inty aho mpanompovavin'ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao! Dia nandao azy ilay anjely.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12