mercredi 19 décembre 2012

Alarobia 19 Desambra 2012 - I Mpa 17 : 1 - 16


1 Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elia izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany. 2 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: 3 Miala eto ianao ka mizora miantsinanana ary miere any akaikin'ny riakan'i Kerita, any atsinanan'i Jordana.
4 Io riaka io no hisotroanao rano any, ary Izaho hanome baiko ny goaika hitondra sakafo ho anao. 5 Dia notanterahin'i Elia izay nolazain'ny TOMPO taminy, ka lasa izy nipetraka tany akaikin'ny riakan'i Kerita. 6 Ary marain-tsy hariva dia nitondra mofo sy hena ho azy ny goaika, fa rano teo amin'ny riaka kosa no nisotroany. 7 Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin'ny tany. 8 Dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: 9 Miainga ka mankanesa any Tsarefata akaikin'i Tsidona ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao. 10 Dia lasa nankany Tsarefata i Elia. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin'ny tanana izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin'i Elia io ka nataony hoe: Azafady mba itondray rano kely amin'ny zinganao aho hosotroiko. 11 Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin'i Elia indray izy nataony hoe: Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho. 12 Fa hoy ravehivavy namaly: Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran'ny tanan'ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin'ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an'ireo mba ho ahy sy ho an'ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay. 13 Fa hoy i Elia taminy: Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento aty amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an'ny zanakao lahy. 14 Fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Tsy ho lany ny lafarinina ao amin'ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin'ny tavoara mandra-pigadon'ny andro handatsahan'ny TOMPO ranonorana amin'ny tany. 15 Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain'i Elia taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany. 16 Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin'ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin'ny tavoara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Elia.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12