vendredi 28 décembre 2012

Zoma 28 Desambra 2012 - Efe 2 : 8 - 16


8 Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9 tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika. 11 Ianareo izay hafa firenena, dia ianareo antsoin'ny Jiosy hoe tsy voafora, fa izy ireo miantso ny tenany hoe voafora (ilazana famantarana ataon'ny olona amin'ny nofony) , tsarovy izay nanjo anareo fahiny: 12 lavitra an'i Kristy ianareo tamin'izany andro izany; tsy mba navela ho anisan'ilay firenena Israely voafidin'Andriamanitra; tsy mba tao anatin'ireo fanekempihavanana izay niorina tamin'ny fampanantenan'Andriamanitra; velona teto amin'izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an'Andriamanitra. 13 Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin'i Kristy. 14 Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin'ny nanoloran'i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15 Nofoanan'i Kristy ny lalana jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin'ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan'i Kristy fampihavanana. 16 Ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin'Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12