mercredi 12 décembre 2012
Alarobia 12 Desambra 2012 - Sal 128 : 1 - 6
1. Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dalana nataony. 2. Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao ka sambatra sy ambinina ianao! 3. Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao dia toy ny solofon'oliva. 4. Eny, toy izany no itahiana ny lehilahy manaja ny TOMPO! 5. Hitahy anao avy ao Tsiona anie ny TOMPO, ka amin'ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema 6. sy hahitanao ny zafikelinao! Ny fiadanana anie ho an'i Israely!
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...