17Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an'Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.
18Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa; 19satria izao no ankasitrahin'Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an'Andriamanitra. 20Inona tokoa moa no lazanareo, raha tàhiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tàhiny manao soa ianareo no nampahorîna ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin'Andriamanitra. 21Eny, izany no niantsoan'Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: 22i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka; 23notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin'Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny; 24ny tenan'i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin'ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. 25Eny, efa toy ny ondry nania ianareo, nefa ankehitriny dia tafaverina amin'ilay mpiandry sy mpitandrina ny fanahinareo.