1Nisy kosa lehilahy atao hoe Hananià nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apôstôly. 3Dia hoy i Petera taminy:
–Ry Hananià, nahoana no dia nameno ny fonao i Satàna ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.
5Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.
7Sahabo ho adiny telo taorian'izany, dia tamy koa ny vavy, saingy tsy fantany izay vao nitranga teo. 8Ka hoy i Petera taminy:
–Lazao ahy kely hoe: izany ihany ve no nivarotanareo ny taninareo?
Dia novalian'i Safira hoe:
–Eny, izany ihany no nivarotanay azy!
9Ary hoy i Petera taminy:
–Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin'ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.
10Niaraka tamin'izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan'ny tongotr'i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan'i Hananià vadiny. 11Raiki-tahotra mafy ny Fiangonana manontolo mbamin'izay rehetra nandre izany.