lundi 7 janvier 2019

Alatsinainy 07 Janoary 2019 - II Kor 7 : 1 - 4

1Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

2Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona. 3Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty. 4Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin'ny fahoriana rehetra manjo anay.

Aoka isika ho masina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra

1 - Mibebaha

"Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana" (and 1). Tsy manadio tena hantsarana tena eo anatrehan'ny Tompo akory izany. Miseho amin'ny endrika roa ny manadio tena, araka ny hevitra eto : mampitsahatra ny ota ary mandao ny faharatsiana izay fanaon'ny jentilisa andaniny ; ary etsy ankilany kosa dia mitodika sy miverina amin'Andriamanitra. Iroe no atao hoe mibebaka. Tsy feno ny hevitry ny fibebahana raha tsy tanteraka ireo lafiny roa ireo. Koa mibebaha, fa izany no fiainam-pahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra

2 - Mifandraisa tsara amin'ny namana

Ratsiratsy fifandraisana tamin'ny apostoly Paoly ny mpino sasany tao amin'ny fiangonaa tao Korinto. Io no mahatonga azy hanoratra oe : "Ataovy omby anay ny fonareo" (and 2). Manazava ny tsy tokony hankahalana azy, na ny tsy hitiavana azy i Paoly. Raha tsy mifankahazo, na mifanao andolompo ny olona dia tsy miaina amin'ny fitiavana, hany ka tsy azo lazaina ho miaina amin'ny fahamarinana sy ny fahatahorana an'Andriamanitra ihany koa. Omeo toerana ny fitiavana, fa izany no manarona fahotana maro, ka mandrindra izay disadisa mampisaraka. Izany no fahamasinaa amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

Fanontaniana :

Moa azonao amin'izay ve ny hevitry ny hoe : "Diovy ny tenanareo ry mpanota"? Jak 4 : 8

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12