vendredi 4 janvier 2019

Zoma 04 Janoary 2018 - Neh 5 : 6 - 13

6Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan'ny olona sy izany teny izany. 7Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin'ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8sady niteny taminy hoe:

–Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin'ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy.

Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly. 9Ary hoy koa aho hoe:
–Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an'Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan'ny fanaratsian'ireo hafa firenena fahavalontsika? 10Izaho sy ny havako ary ny mpanompoko dia efa nampisambotra vola sy vary, koa aoka re isika mba samy hamoy izany trosa izany! 11Eny, avereno amin'ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin'ny tanin'ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin'ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.

12Dia hoy ireo hoe:
–Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin'ny mpitrosa.

Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an'ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany. 13Avy eo aho dia nanakopaka ny lambako sady niteny hoe:
–Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy hahatanteraka izany toky nomena izany! Eny, ho voakopaka hiala amin'ny tranony sy ny fananany anie izy, ka ho tavela tsy hanana na inona na inona!

Dia ny fivoriam-be no indray namaly hoe «Amen» sady nidera ny TOMPO; ary nanao araka izany toky nomena izany tokoa ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12