6Mbola tamin'io nofy io ihany no nilazan'Andriamanitra tamin'i Abimelèka hoe:
–Izaho koa dia mahalala fa tamin'ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy. 7Koa ankehitriny avereno amin'ny vadiny ravehivavy. Mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa izy, dia fantaro fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.
8Dia nifoha vao maraina be i Abimelèka, ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara ny zavatra rehetra taminy; dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo. 9Nampiantso an'i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe:
–Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko. 10Inona, hoy aho, no kendrenao tamin'ny nanaovanao izao zavatra izao?
11Namaly kosa i Abrahama hoe:
–Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, koa hovonoin'ireo aho noho ny amin'ny vadiko. 12Marina ihany anefa fa anabaviko izy, iray ray izahay; saingy tsy iray reny amiko izy, ka izany no nahatonga azy ho vadiko. 13Rehefa nasain'Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin'ny vadiko: «Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin'ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.»