dimanche 14 juin 2020

Alahady 14 Jona 2020 - Mar 9 : 33 - 50

33Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe:
–Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

34Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy. 35Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe:
–Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin’ny olona rehetra ary ho mpanompon’ny olona rehetra.

36Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan’izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy:
37–Na iza na iza mandray ny anankiray amin’itony zaza itony amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.

38Fa hoy i Jôhany tamin’i Jesoa:
–Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay satria tsy namantsika.

39Dia hoy i Jesoa taminy:
–Aza raràna; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin’ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo. 40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41Ary na iza na iza manome rano eran’ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an’i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.

42Na iza na iza mitarika ny anankiray amin’itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka hatsipy any anaty ranomasina. 43Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [ 44Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»] 45Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tongotrao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tongotra roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. [ 46Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»] 47Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. 48Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»

49Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira. 50Zava-tsoa manko ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hataonareo ahoana indray no hamerina ny tsirony? Aoka ianareo hanana sira ao aminareo, ary aoka hanjaka eo aminareo ny fihavanana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12