1«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy. 2Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin’ny fitsarana. 3Aza manasohaso olona eo amin’ny fitsarana, na dia ny mahantra aza.
4«Raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin’ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy. 5Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin’ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny.
6«Aza mamilivily ny rariny ananan’ny mahantranareo rehefa miseho fitsarana izy. 7Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina. 8Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny olo-marina.
9«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan’ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.
10«Mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy; 11fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin’izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin’ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin’ny tanimboalobokareo sy ny tanin’ôlivanareo.