33Tamin-kery lehibe no nijoroan’ny apôstôly ho vavolombelona manambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo; ary fitahiam-be avy amin’Andriamanitra no teo amin’ny mpino rehetra. 34Tsy nisy orin-javatra teo aminy; fa ireo nanana tany na trano dia nivarotra izany, ary nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo, 35ka nanolotra izany teo anatrehan’ny apôstôly, dia nozaraina araka izay nilain’ny tsirairay. 36Ohatra i Jôsefa, levita teraka tany Sipra, izay nantsoin’ny apôstôly hoe Barnabà (izany hoe olona havanana amin’ny fampaherezana): 37i Jôsefa dia nanana saha izay namidiny, ka nanolotra ny vola vidiny teo anatrehan’ny apôstôly.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...