vendredi 26 juin 2020

Zoma 26 Jona 2020 - Efe 2 : 11 - 22

11Ianareo izay hafa firenena, – dia ianareo antsoin’ny Jiosy hoe «tsy voafora», fa izy ireo miantso ny tenany hoe «voafora» (ilazana famantarana ataon’ny olona amin’ny nofony) –, tsarovy izay nanjo anareo fahiny: 12lavitra an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany; tsy mba navela ho anisan’ilay firenena Israely voafidin’Andriamanitra; tsy mba tao anatin’ireo fanekempihavanana izay niorina tamin’ny fampanantenàn’Andriamanitra; velona teto amin’izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an’Andriamanitra. 13Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin’i Kristy. 14Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin’ny nanoloran’i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15Nofoanan’i Kristy ny lalàna jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Kristy fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy. 18Koa dia amin’ny alalan’i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an’Andriamanitra Ray noho ny asan’ny Fanahy Masina iray ihany.

19Noho izany, tsy olon-ko azy na vahiny intsony ianareo hafa firenena, fa iray zo sy andraikitra amin’ny vahoakan’Andriamanitra sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra. 20Taotrano najoron’Andriamanitra ianareo, ka ny fanorenana dia ny apôstôly sy ny mpaminany; ary i Kristy Jesoa mihitsy no vato fehizoro. 21Ao amin’i Kristy no azo antoka ho mafy ny taotrano manontolo ka misondrotra hatrany mba ho tonga tempoly masina ao amin’ny Tompo. 22Ao amin’i Kristy koa no arafitra miaraka aminay ianareo mba ho tonga trano fonenan’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12