lundi 15 juin 2020
Alatsinainy 15 Jona 2020 - I Mpa 22 : 41 - 45
41Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Ahaba mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôsafata zanakalahin’i Asà. 42Feno 35 taona i Jôsafata fony vao nanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakàny tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazobà, zanakavavin’i Silehỳ. 43Narahiny avokoa ny toetran’i Asà rainy ka tsy niala tamin’izany izy, fa nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO. 44Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, fa ny olona dia mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany. 45Ary nanao fanekempihavanana tamin’ny mpanjakan’i Israely i Jôsafata.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...