jeudi 11 juin 2020

Alakamisy 11 Jona 2020 - Gen 45 : 1 - 14

1Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny. 2Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.

3Hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
–Izaho no Jôsefa; moa mbola velona any ihany ve i dada?

Tsy nahavaly azy kosa ireo rahalahiny, fa tora-kovitra teo anatrehany.

4Ka hoy indray i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
–Avia manatòna ahy ianareo.

Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Jôsefa hoe:
–Izaho no Jôsefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta. 5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin’ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina. 6Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana. 7Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin’ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany. 8Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon’ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon’ny Farao ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo. 9Koa miakara haingana ho any amin’i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’i Jôsefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon’i Ejipta manontolo, koa midina atỳ amiko fa aza mitaredretra. 10Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay. 11Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»

12Ary indro hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo. 13Koa mandehana tantarao avokoa amin’i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin’ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.

14Dia niantoraka teny am-bozon’i Benjamîna i Jôsefa ka nifamihina izy roa lahy sady nitomany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12