6Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao:
ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny,
ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy,
ny manafaka ireo ampahorîna
ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
7Ny hizarànao ny haninao ho an’ny noana
sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny,
ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana
ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan’ny namanao.
8Amin’izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao
ary ho tonga haingana ny fahasitrananao.
Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao,
ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
9Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO;
rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.»
Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana
mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
10raha zarainao ho an’ny noana ny haninao
ka manome sakafo ireo sahirana ianao,
dia hamirapiratra ao amin’ny haizina ny fahazavànao
ary ho toy ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
11Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO;
na dia ao amin’ny tany karakaina aza ianao,
dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny.
Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao
na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
12Noho ny ezakao, dia haorina indray
ireo zavatra rava fahiny
ary hatsangana indray ny fanorenana
izay efa nilaozana hatry ny elabe;
ary ianao dia hantsoina hoe:
«Vahoaka mpamboatra ny manda simba
sy mpamelona ny lalankely efa maty
mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»