samedi 31 octobre 2015

Sabotsy 31 Oktobra 2015 - I Sam 17 : 42 - 54

42Dia nandinika an'i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy. 43Ary hoy i Gôliata tamin'i Davida:
–Alika angaha aho no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin'ny alalan'ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon'ialahy.

45Dia hoy ny navalin'i Davida azy:
–Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik'i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran'ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin'ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin'ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan'i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An'ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

48Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an'i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy. 49Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin'ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin'ny tany izy.

50Toy izany no nandresen'i Davida an'i Gôliata ka namonoany azy tamin'ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin'ny sabatra.

51Dia nihazakazaka nankeny amin'i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr'i ilay rapeto tamin'ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan'ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo. 52Tafatsangana ny miaramilan'i Israely sy i Joda ka nanao hiakan'ady sady nanenjika ny Filistinina hatrany am-bavahadin'i Gata sy i Hekrôna. Ary ny fatin'ny Filistinina niampatrampatra teny an-dalan'i Saharaîma ka hatrany Gata sy i Hekrôna.

53Dia navelan'ny Israelita ny fanenjehana ny Filistinina fa lasa izy ireo namabo ny tobiny. 54Nalain'i Davida ny lohan'i Gôliata mba hoentiny any Jerosalema, fa ny fiadian'ilay rapeto kosa notahiriziny tao an-dainy.

vendredi 30 octobre 2015

Zoma 30 Oktobra 2015 - I Kor 16 : 10 - 14

10Rehefa tonga i Timôty, dia mba ataovy izay hahatsapany fa tsara fandray azy ianareo; satria miasa tahaka ahy koa izy amin'ny asan'ny Tompo. 11Aoka mba tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Omeo vatsy izy ary atero mba ho tonga soa aman-tsara atỳ amiko, fa miandry azy aho sy ireo havana iray finoana eto.

12Fa i Apôlao havantsika kosa dia nampirisihiko matetika hankatỳ aminareo miaraka amin'ny havana sasany iray finoana; saingy tsy tiany hatao mihitsy izany ankehitriny, fa ho avy ihany izy rehefa misy hahafahany.

13Miambena ianareo, mamahara tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. 14Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.

jeudi 29 octobre 2015

Alakamisy 29 Oktobra 2015 - Apo 1 : 17 - 20

17Vao nahita ny Zanak'olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe:

–Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany, 18dia ilay Velona; efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manam-pahefana amin'ny fahafatesana sy amin'ny Toeran'ny maty. 19Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay ankehitriny, na izay mbola ho avy any aoriana. 20Izao no hevi-miafina fonosin'ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin'ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.

mercredi 28 octobre 2015

Alarobia 28 Oktobra 2015 - Eks 1 : 15 - 21

15Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan'i Ejipta, 16ka nanao hoe:
–Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

17Natahotra an'Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian'ny mpanjakan'i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona. 18Koa nampanantsoin'ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe:
–Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?

19Fa namaly ireo mpampivelona hoe:
–Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.

20Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona, 21ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.

mardi 27 octobre 2015

Talata 27 Oktobra 2015 - Jos 11 : 1 - 11

1Nony ren'i Jabîna mpanjakan'i Hatsôra ny fandresen'i Josoa, dia nandefasany iraka i Jôbaba mpanjakan'i Madôna sy ny mpanjakan'i Simrôna ary ny mpanjakan'i Aksafa. 2Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin'ny lohasahan'i Jôrdàna eo atsimon'ny farihin'i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin'ny lemak'i Sefelà* sy teny amoron-tsiraka akaikin'i Dôra ao andrefana. 3Nandefasan'i Jabîna iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan'i Jôrdàna, ny Amôrita* sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr'i Hermôna, tany amin'ny faritanin'i Mitsepà. 4Dia niainga ireo mpanjaka rehetra ireo, niaraka tamina miaramila tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ary soavaly sy kalesy maro dia maro. 5Nifanaraka izy rehetra ka tonga niara-nitoby teo akaikin'ny loharanon'i Merôma mba hiady amin'ny Israelita.

6Fa hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
–Aza matahotra an'ireo ianao; fa rahampitso amin'ny ora toy izao, dia hatolotro ho fatin-dratra eo anatrehan'ny Israelita izy rehetra ireo. Koa traingoy ny soavaliny ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7Dia lasa i Josoa sy ny tafiny manontolo hamely tampoka ny fahavalo tao akaikin'ny loharanon'i Merôma, ka niantoraka taminy. 8Natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin'ny lohasahan'i Mitsepà any atsinanana. Nasian'ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana. 9Araka izay nolazain'ny TOMPO no nataon'i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin'ireo ary nodorany tamin'ny afo ny kalesiny.

10Rehefa niverina i Josoa, dia naka an'i Hatsôra satria i Hatsôra no renivohitr'ireo fanjakana tany avaratra. Novonoiny tamin'ny sabatra ny mpanjakany 11ary nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao; tsy nisy zava-manana aina niangàna mihitsy, sady nodorana ny tanàna.

lundi 26 octobre 2015

Alatsinainy 26 Oktobra 2015 - Efe 3 : 8 - 13

8Kely noho izay bitika indrindra amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen'Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin'ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9ary ny hampahazava amin'ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin'Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany; 10fa ankehitriny kosa naseho tamin'ny alalan'ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren'Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina. 11Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Tompontsika. 12Ary isika efa tafaray amin'i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan'i Kristy. 13Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.

dimanche 25 octobre 2015

Alahady 25 Oktobra 2015 - Jao 20 : 19 - 23

19Ny harivan'io alahady io ihany, dia vory tao amin'ny trano iray ny mpianatra*; ary noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy, dia voahidy avokoa ny varavarana. Kanefa tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao taminy hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

20Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny fony, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.

21Dia hoy indray i Jesoa taminy:
Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa.

22Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka taminy ary nanao hoe:
–Raiso ny Fanahy Masina. 23Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela.

samedi 24 octobre 2015

Sabotsy 24 Oktobra 2015 - Mat 9 : 20 - 22

20Fa indro nisy vehivavy mitsi-dra efa nandritra ny 12 taona, nanatona an'i Jesoa avy eo ivoho ary nikasika ny somotraviavin-dambany*; 21fa hoy izy anakampony: «Na dia ny lambany fotsiny aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.»

22Dia nitodika i Jesoa ka nahita azy ary niteny hoe:
–Mahereza, anaka; ny finoanao no nahasitrana anao!

vendredi 23 octobre 2015

Zoma 23 Oktobra 2015 - Est 7 : 1 - 6

1Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin'i Estera mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana faharoa.

2Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin'i Estera:
–Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.

3Dia namaly i Estera mpanjakavavy ka nanao hoe:
–Ry andriamanjaka, raha mba mahazo fitia eo imasonao ary raha sitrakao izao, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko.

4Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.

5Dia nanontany an'i Estera mpanjakavavy ny amperôra Kserksesa nanao hoe:
–Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?

6Ka novalian'i Estera hoe:
–Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay!
Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna.

jeudi 22 octobre 2015

Alakamisy 22 Oktobra 2015 - Asa 4 : 23 - 31

23Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan'ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona*. 24Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin'Andriamanitra hoe:
–Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra eo aminy; 25ary tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe:
             «Nahoana no mihotakotaka ny firenena?
               Nahoana no mioko foana ny vahoaka?
               26Nivonon-kiady ny mpanjakan'ny tany,
               ary nivondrona ny manampahefana
               mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany*.»
27Marina tokoa fa i Herôda* sy i Pônty Pilato*, niaraka tamin'ny olona hafa firenena* sy ny vahoaka israelita*, dia nivondrona teto amin'ity tanàna ity mba hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia. 28Notanterahin'izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin'ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana* sy zava-mahagaga amin'ny anaran'i Jesoa ilay Mpanomponao masina.
31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana.

mercredi 21 octobre 2015

Alarobia 21 Oktobra 2015 - I Tan 22 : 11 - 16

11Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao. 12Homen'ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an'i Israely, mba hitandremanao ny lalànan'ny TOMPO Andriamanitrao. 13Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ho an'ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po. 14He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an'ny tranon'ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo. 15Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany. 16Tsy hita isa ny volamena sy ny volafotsy ary ny halimo sy ny vy; koa arosoy ny asa, ary hiaraka aminao anie ny TOMPO!

mardi 20 octobre 2015

Talata 20 Oktobra 2015 - Lio 12 : 4 - 7

4–Izao no lazaiko aminareo sakaizako: aza matahotra ireo mahafaty ny vatana, kanefa tsy afa-manao mihoatra an'izany. 5Fa hasehoko anareo izay tokony hatahoranareo: matahora an'Andriamanitra Izay manam-pahefana hamarina anareo any amin'ny lohasahan'afo* rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, Izy ihany no atahory.
6Tsy ampahafolon'ny denàry* monja ve no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinon'Andriamanitra izy ireny na iray aza. 7Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany: koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

lundi 19 octobre 2015

Alatsinainy 19 Oktobra 2015 - I Pet 5 : 5 - 9

17Fa sambatra ny olona izay anarin'Andriamanitra!
Koa aza hamaivanina, ry Jôba, ny famaizan'ilay Tsitoha.

18Fa Andriamanitra dia mety mampijaly, raha mitsabo fery;
ary ny tànany dia mety mandratra, raha manasitrana.
19Hamonjy anao amin'ny fahoriana matetika Izy;
ka amin'ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.
20Tsy hamela anao ho faty Izy, raha avy ny mosary;
harovany tsy ho voan'ny sabatra ianao, raha avy ny ady.
21Ho voaaro amin'ny endrikendrika ianao,
ka tsy hatahotra raha tonga ny antambo.
22Hihomehezanao fotsiny ny mosary aman'antambo,
ary tsy hatahoranao izay bibidia.
23Ho vita fanekempihavanana mirindra ianao
amin'ny vato eny an-tsaha sy amin'ny bibidia,
24hiadam-pinaritra ao amin'ny fonenanao,
ary hahita ny ondrinao tsy misy very
rehefa tonga hisafo azy any an-kijàna.
25Ho hitanao hihamaro koa ny zanakao;
ary ny taranakao dia hihabetsaka
tahaka ny ahitra eny an-tsaha.

dimanche 18 octobre 2015

Alahady 18 Oktobra 2015 - Jer 17 : 5 - 8

5Izao no lazain'ny TOMPO:

–Voaozona izay mitoky amin'olombelona
sy miantehitra amin'ny nofo ho heriny
ka mampiala ny fony amiko.
6Ho tahaka ny anjavidy ao an-tany hay izy
ka tsy hahita ny soa ho avy;
hitoetra an-tsaham-bato any an-taniefitra izy
dia eo amin'ny tanin-tsira tsy azo onenana.
7Fa hotahîna izay mitoky amiko
ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.
8Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy
ka misandraha-paka eo akaikin'ny renirano.
Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana,
ary maitso hatrany ny raviny;
Na dia amin'ny taonan'ny hain-tany aza,
tsy manahy izy fa mamokatra hatrany.

samedi 17 octobre 2015

Sabotsy 17 Oktobra 2015 - Lio 12 : 32 - 33

32–Aza matahotra, ry andian'ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany*! 33Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan'ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba.

vendredi 16 octobre 2015

Zoma 16 Oktobra 2015 - Isa 54 : 6 - 10

6Fa tahaka ny vady nariana ka ory am-panahy ianao
nefa nampodîn'ny TOMPO indray.

Fa hoy ny Andriamanitrao aminao:
«Ahoana no hanariana tanteraka
ny vadin'ny fahatanorana?
7Vetivety foana no nanariako anao,
fa amin'ny indrafo lehibe no hampodîko anao.
8Tamin'ny firongatry ny hatezerako
no nandavako vetivety tsy hijery anao;
fa amin'ny fitiavana mandrakizay kosa
no anehoako indrafo aminao.
Izaho TOMPO mpanavotra anao no milaza izany.

9Tamin'ny andron'i Noà, dia nianiana Aho
fa tsy hanafotra ny tany intsony ny rano;
mianiana toy izany koa Aho ankehitriny
fa tsy hisafoaka aminao na handrahona anao intsony.

10Fa na dia hifindra hiala aza ny tendrombohitra
ary na dia hihozongozona aza ny havoana,
dia tsy hiala aminao ny fitiavako
ary tsy hihozongozona ny fanekempihavanako
mikendry ny hampiadam-pinaritra anao.
Izaho TOMPO mpamindra fo aminao no milaza izany.»

jeudi 15 octobre 2015

Alakamisy 15 Oktobra 2015 - Mar 4 : 35 - 41

35Ny harivan'iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany*:
–Andeha isika hankerỳ ampita!

36Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an'i Jesoa tamin'ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. 37Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely. 38I Jesoa anefa natory teo amin'ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin'ny mpianany Izy ka nilazany hoe:
–Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?

39Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin'ny farihy hoe:
–Mangîna! Mitonia!

Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. 40Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo?

41Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe:
–Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?

mercredi 14 octobre 2015

Alarobia 14 Oktobra 2015 - Sal 112 : 1 - 10

1 Haleloià*!
ALEFA
              Sambatra ny olona izay manaja ny TOMPO
BETA
              sady finaritra tokoa mankatò ny didiny.
GIMELA
              2Hahery eto amin'ity tany ity ny zanany;
DALETA
              ombàn'ny Tompo fitahiana ireo olo-mahitsy:
HE
              3fananana sy harena no ao an-tranony.
VAO
              Maharitra hatrany koa ny asa fiantràny:
ZAINA
              4na dia ao anatin'ny haizina aza
              dia iposahan'ny hazavana ireo olo-mahitsy
HETA
              izay miantra sy mamindrafo
              ary mitandro ny fahamarinana;
TETA
              5tsara ny miantra sy ny mampisambotra
JODA
              ary ny mitantana asa fihariana amim-pahitsiana.
KAFA
              6Tsy hihontsona na oviana na oviana ny olo-marina;
LAMEDA
              haharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy.
MEMA
              7Ny fandrenesana loza dia tsy mba atahorany;
NONA
              ny fony mitombina matoky ny TOMPO.
SAMEKA
              8Mahery fo izy ka tsy mba hatahotra
HAINA
              ary dia hahita ny fahavalony resy.
PE
              9Malala-tanana izy manome ny mahantra;
TSADE
              maharitra hatrany ny asa fiantràny,
KÔFA
              ka hitraka hombam-boninahitra* izy.
RESA
              10Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra

lundi 12 octobre 2015

Alatsinainy 12 Oktobra 2015 - Sal 108 : 1 - 9

1 Tononkira. Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko;
ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.
3Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,
fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.

4TOMPO ô, vory vahoaka no hiderako Anao;
ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,
5satria lehibe mihoatra noho ny lanitra ny fitiavanao
ary avo tafapaka amin'ny rahona ny toetranao mahatoky.
6Andriamanitra ô, misandrata Ianao
ho any an-tampon'ny lanitra;
aoka anie ny voninahitrao*
hamiratra amin'ny tany tontolo!
7Vonjeo amin'ny herinao aho ary valio vavaka,
dia ho afaka ilay vahoaka malalanao.

8Tao an-Toeramasiny* no niteny Andriamanitra hoe:
«Faly tokoa Aho fa hizara an'i Sekema
sy ny lohasahan'i Sokôta ho an'ny vahoakako;
9Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase;
i Efraîma no toy ny satro-by fiarolohako;
i Joda no toy ny tehim-piandrianako.
10I Môaba hampiasaiko toy ny tavy fisasàko;
i Edôma hanipazako kapa ho fananako;
i Filistia hanaovako horakora-pandresena.»

dimanche 11 octobre 2015

Alahady 11 Oktobra 2015 - I Tes 2 : 1 - 12

1Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay tatỳ aminareo. 2Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly* avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa, 7na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin'i Kristy* anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany. 8Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo. 9Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman'alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra. 10Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino. 11Fantatrareo fa toy ny fitondran'ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy: 12nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin'ny Fanjakàny* sy ny voninahiny.

samedi 10 octobre 2015

Sabotsy 10 Oktobra 2015 - Sal 57 : 1 - 6

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon'i Davida fony izy nandositra lavitra an'i Saoly ka niery tao anaty zohy.

2Iantrao aho, Andriamanitra ô, iantrao
satria Ianao no fialofako;
eo ambany elatrao tokoa no ialofako
mandra-pidifin'ny loza.
3Ilay Andriamanitra Avo Indrindra no antsoiko,
dia ilay Andriamanitra manao izay mahasoa ahy.
4Hirahiny avy any an-danitra anie ny famonjena ahy,
hataony ho afa-baràka anie ireo mpanenjika ahy!
Fiatoana*
Eny, hirahin'Andriamanitra ho amiko anie
ny fitiavana amam-pahamarinany!
5Izaho monina afovoan'ny fahavalo masiaka
izay tahaka ny liona mandripaka olona:
toy ny lefona na zana-tsipîka ny nifiny,
toy ny sabatra maranitra ny lelany.

6Andriamanitra ô, misandrata Ianao
hanerinerina any an-tampon'ny lanitra.
Aoka anie ny voninahitrao
hamiratra amin'ny tany tontolo!

vendredi 9 octobre 2015

Zoma 09 Oktobra 2015 - I Sam 20 : 30 - 34

30Tezitra tamin'i Jônatàna i Saoly ka nanao taminy hoe:
–Zana-behivavy mpikomy ialahy! Fantatro izao fa miandany amin'ny zanakalahin'i Jisay ialahy ho henatra ho an'ialahy sy ny renin'ialahy. 31Fa raha mbola velona eto ambonin'ny tany koa iny zanakalahin'i Jisay iny, dia tsy ho tonga mpanjaka na oviana na oviana amin'ity tany ity ialahy! Koa sambory izy ary ento atỳ amiko, fa mendrika azy ny ho faty.

32Fa namaly an'i Saoly i Jônatàna hoe:
–Nahoana no mendrika ho faty izy? Inona no ratsy nataony?

33Natorak'i Saoly tamin'i Jônatàna ny lefony mba hamelezany azy, ka dia fantany fa tena vonona hifofo ny ain'i Davida tokoa ny rainy. 34Nitsangana niala teo amin'ny sakafo tamim-pahatezerana mafy i Jônatàna, ary tsy nihinana na inona na inona ny andro faharoan'ny fety. Nalahelo mafy an'i Davida izy, satria niteny ratsy azy ny rainy.

jeudi 8 octobre 2015

Alakamisy 08 Oktobra 2015 - Asa 27 : 21 - 26

21Efa ela tsy nihinan-kanina ireo olona tao an-tsambo. Dia nitsangana teo afovoan'izy rehetra i Paoly ka nanao taminy hoe:

–Inay anie ianareo, ry sakaiza, mba nihaino ahy ihany ka tsy niala tao Kreta, dia tsy ho niharan'izao fahasimbana sy fatiantoka izao isika. 22Kanefa izao no hevitra atoroko anareo: mahereza tsara, fa tsy misy ho faty tsy akory ianareo, fa ny sambo no hany ho very. 23Halina manko dia nisy anjeli*n'ilay Andriamanitra Tompoko sady ivavahako tonga tamiko 24ary nanao hoe: «Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hanatrika ny amperôra rômanina ianao. Ary Andriamanitra, noho ny fitiavany anao, dia hamonjy ny ain'ireto olona rehetra miray sambo aminao.» 25Koa noho izany, mahereza tsara, ry sakaiza, fa itokiako Andriamanitra; tsy ho raraka an-tany izay voalazany tamiko. 26Nefa tsy maintsy ho fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.

mercredi 7 octobre 2015

Alarobia 07 Oktobra 2015 - Jos 10 : 12 - 21

12Tamin'ny andro nanomezan'ny TOMPO fandresena ho an'ny Israelita teo anoloan'ny Amôrita, dia nivavaka tamin'ny TOMPO i Josoa ka niteny teo imason'ny Israelita hoe:
–Ry masoandro, mijanona eo ambonin'ny lohasahan'i Aialôna!

13Dia nijanona ny masoandro ary niato ny volana ambara-pandresin'ny firenena israelita ny fahavalony. Araka izay efa voasoratra tao amin'ny bokin'i Ilemahitsy, dia nijanona teo afovoan'ny lanitra tokoa ny masoandro, ka tsy nety hilentika indray andro manontolo. 14Ary tsy nisy andro tahaka iny, na taloha na taoriana, izay nihainoan'ny TOMPO hatak'olona; fa niady ho an'i Israely ny TOMPO.

15Avy eo dia niverina ho any an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israelita rehetra tafaraka taminy.

16Kanjo nandositra ireo mpanjaka amôrita* dimy ka niafina tao amin'ny zohy tao Makedà. 17Hita fa niafina tao ireo ka nambara tamin'i Josoa izany. 18Dia nanome baiko i Josoa hoe:
–Anakodiavo vato lehibe eo am-bavazohy ary asio olona hiambina azy. 19Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.

20Rehefa nasian'i Josoa sy ny Israelita ireo Amôrita, dia voan'ny faharesena lehibe tokoa tamin'ny farany, ary faharesena tanteraka; saingy nisy ihany afa-nandositra ka nitsofoka tao amin'ny tanànany mimanda. 21Avy teo dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa tao an-toby tany Makedà ny tafiny manontolo. Ary tsy nisy olona sahy nanao vava ratsy tamin'ny Israelita intsony.

mardi 6 octobre 2015

Talata 06 Oktobra 2015 - Jao 6 : 16 - 21

16Nony hariva ny andro, dia nidina nankeny amoron'ny farihy ireo mpianatr*'i Jesoa. 17Ary niondrana an-tsambokely izy ireo ka nita ny farihy ho any Kafarnahòma. Efa maizina ny andro tamin'izay, nefa i Jesoa mbola tsy tonga teo amin'ireo mpianany; 18ary nanonja ny farihy, satria nifofofofo mafy ny rivotra. 19Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra izy ireo, dia nahita an'i Jesoa nandeha teny ambony farihy sy nanakaiky ny sambokely; hany ka raiki-tahotra ireo mpianatra. 20Fa hoy kosa i Jesoa taminy:

–Izaho ihany ity, fa aoka izay ny tahotra!

21Dia te handray Azy ho eo an-tsambokely ireo mpianany; nefa niaraka tamin'izay dia tafatody tamin'ny tany nokasain'izy ireo haleha ny sambokely.

lundi 5 octobre 2015

Alatsinainy 05 Oktobra 2015 - 2 Tes 1 : 1 - 12

Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika, izay tafaray amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy* Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!
Ny fitsarana amin'ny andro hiavian'i Kristy

3Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra. 4Izany no mahatonga anareo ho reharehanay manerana ireo Fiangonan'Andriamanitra, noho ianareo manam-paharetana sy mino hatrany eo anivon'ny fanenjehana sy fahoriana rehetra mianjady aminareo.

5Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr'izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakàn'Andriamanitra* ianareo, sady io Fanjakàn'Andriamanitra io no anton'ny iaretanareo fijaliana. 6Satria izao no ara-drariny amin'Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo, 7ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorîna. Ho tonga izany amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin'ireo anjely* mitory ny heriny; 8voahodidin'afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an'Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompontsika. 9Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin'ireo, ka tsy hifanatri-tava amin'ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo 10amin'ilay andro hahatongavan'ny Tompo mba homen'ny vahoakany* voninahitra sady higagan'izay rehetra mino Azy. Ho isan'ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.

11Izany no ivavahany lalandava ho anareo. Koa mangataka amin'Andriamanitsika izahay mba hataony mendrika ny fiainana niantsoany anareo ianareo. Mangataka izahay mba ho tanterahiny amin-kery avokoa ny fanirianareo hanao soa ary hataony lavorary koa ny asa ateraky ny finoanareo; 12dia homenareo voninahitra ny anaran'i Jesoa Tompontsika, sady ianareo koa homeny voninahitra. Izany no vokatr'ilay fahasoavana avy amin'ilay Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy* Tompo.

dimanche 4 octobre 2015

Alahady 04 Oktobra 2015 - Sal 34 : 4 - 10

GIMELA
                 4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
                 ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.
DALETA
                 5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
                 ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
HE
                 6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;
VAO
                 ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.
ZAINA
                 7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
                 ka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny
                 tamin'izay fahoriako rehetra.
HETA
                 8Ny anjelin*'ny TOMPO miambina
                 manodidina ny mpanaja an'Andriamanitra
                 ka manafaka azy amin'ny loza.
TETA
                 9Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO.
                 Sambatra ny olona mialoka aminy!
JODA
                 10Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany:
                 fa tsy misy mahory ny mpankatò Azy.

samedi 3 octobre 2015

Sabotsy 03 Oktobra 2015 - Fil 1 : 12 - 14

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly*; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra.

vendredi 2 octobre 2015

Zoma 02 Oktobra 2015 - II Tan 20 : 14 - 17

14Teo anivon'izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita* zanakalahin'i Zakarià sy zafin'i Benaià sy zafiafin'i Jehiela ary zafindohalik'i Matanià sady anisan'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'ny TOMPO, 15ka niteny hoe:

–Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin'i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Jôsafata mpanjaka. Izao no lazain'ny TOMPO aminareo: «Aza matahotra na mivadi-po ny amin'io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo. 16Rahampitso dia midîna hiady amin'ny fahavalonareo izay miakatra amin'ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny taniefitr'i Jeroela. 17Ry mponin'i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen'ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin'io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»

jeudi 1 octobre 2015

Alakamisy 01 Oktobra 2015 - Eze 3 : 4 - 9

4Ary hoy indray Izy: «Ry ilay taranak'olombelona, mandehana mankany amin'ny Israelita ka ampitao aminy ny teniko. 5Tsy maniraka anao any amin'ny vahoaka izay miteny fiteny vahiny sarotra takarina Aho, fa any amin'ny vahoakan'i Israely. 6Raha maniraka anao hankany amin'ireo firenen-kafa izay miteny fiteny vahiny sarotra sy mety tsy ho takatrao Aho, dia tsy isalasalana fa hihaino anao izy. 7Fa ny Israelita kosa tsy hanaiky hihaino anao satria tsy te hihaino Ahy izy, fa olona mafy loha sady be kirina izy rehetra. 8Kanefa hataoko sahy mifanatri-tava aminy ianao, ary hataoko mafy loha tahaka azy. 9Eny, hataoko mafy lalandava ny lohanao ary mafy lavitra noho ny vatolampy aza. Ka aza matahotra azy ianao, ary aza mivadi-po noho ny fihetsika ataon'io vahoaka maditra io.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12