mardi 31 octobre 2017

Talata 31 Oktobra 2017 - Apo 2 : 8 - 11

8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro2.10 folo andro: isa enti-manondro fe-potoana fohifohy ihany (ampit Gen 24.55; Dan 1.12).. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.

«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»

Ny fiangonana mandresy ny fahafatesana
1- Mandresv an’i Satana nv fiangonana
Nanenjika ny fiangonana kristiana ny jiosy tao Smyrna, any Asia Minora. Antsoina hoe : « synagogan 'i satana» izy ireo. Manoratra ho an’ny mpitandrina na ny anjelin 'ny fiangonana i Jesoa Kristy ho fampaherezana azy. Manome antoka Izy, dia Ilay Tompo nandresy ny fahafatesana fa omena azy ny fiainana mandrakizay satria efa resy ny fahafatesana.

2- Mandresv nv tahotra nv fiangonana
Izay efa niharetan’i Kristy hatramin’ny fahafatesana dia hihatra amin’ny kristiana. Ho fizahan-toetra ny finoana no anton'izany. Voafetra ny fotoam-pahoarian'ny kristiana « hafoloana » ataon'ny devoly (and 10). Fizahan-toetra ireny , hoy i Jesoa Kristy ; ho fanomanana ny fiangonana mandresy, hihaona amin’i Kristy amin’ny andro farany.

3- Mahazo satroboninahitra nv fiangonana
Mahatoky ao amin'i Kristy hatramin’ ny fahafatesana ny kristiana. «Satroboninahitra fiainana» no omen’Ilay Voalohany sy ny Farany ny mpino mahatoky. Izy Ilay Mpitsara Marina sady Tompon'ny hery sy ny fahefana rehetra, ka manolotra ny satroboninahitra ftainana. Efa nomanin’i Jesoa ny fiainana mandrakizay ho an’ny kristiana mahatoky, maharitra amin’ny fivavahana sy fanarahana Azy. Miomàna ho any amin’ny Tompo isika.

Fanontaniana:
Ahoana no fiainam-bavaky ny olona mahatoky ?

lundi 30 octobre 2017

Alatsinainy 30 Oktobra 2017 - II Tes 3 : 1 - 5

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.

3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy*3.3 Ampit Mt 6.13; Jôh 17.15.. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.

5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy*3.5 hahatsapa... Kristy: dkt hafa ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny faharetana omen'i Kristy!

Mivavaka ho an’ny Tenin’Andriamanitra ny mino

1- Mivavaha ho an’nv mpitorv nv Filazantsara
Fangatahan'ny Apostoly Paoly tamin’ny fíangonana kristiana tany Tesalonika ny hitondrana am-bavaka azy sy ny namany mba hahatanteraka ny fìtoriana ny Filazantsara. Vavaka no hahatanterahana ny asan’ny Tompo. Tsy ampy ny miasa fotsiny fa tsy maintsy entina am-bavaka ny asa. Ao amin’ny vavaka dia miaro sy mampahery ny fiangonany ny Tompo (and 3). Fitaovana eo am-pelatanan’ny devoly mandrakariva ny ratsy sy ny tsy tnino mba hamoretana sy handrahonany ny mpitory Filazantsara (jereo Asa 17,11; 13). Fiadiana eo am- pelatanan’ny mpino ny vavaka handresena ny fahavalo.

2- Mivavaha mba hahatratrarana nv zava-kendrena
Maro ny sakana ho amin’ny asa fampielezana ny Vaovao Mahafaly tao Tesalonika. Isan’ireny ny fahamaroan’ny Jiosv mpanohitra nv fivavahana kristiana; ny fahadisoam- pinoana momba ny fiavian’i kristy tampoka sy haingana; ary ny fisian’ireo ratsy toetra, izay manimba ny fíangonana (and 6). Manana tanjona tratrarina ny Apostoly amin'ny fitorian-teny sy ny fitoriana ny Filazantsara. Ireto ireo tanjona voalaza ireo: mba hankalazaina eo amin'ny jentilisa ny tenin’Andriamanitra; mba hovonjena amin’ny ratsy fanahy ny Apostoly; mba ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra ny fiangonana; - mba hanana ny faharetan’i Kristy ny kristiana.

Fanontaniana ;
Isaky ny mivavaka ianao, mba tadidy sv tsaroana ve nv tanjona kendrena amin’ny vavaka ?

dimanche 29 octobre 2017

Alahady 29 Oktobra 2017 - II Tan 7 : 11 - 18

11Rehefa vitan'i Salômôna ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy hotontosaina tao an-tranon'ny TOMPO* sy tao an-dapany, 12dia nisehon'i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona* ho Ahy ity toerana ity. 13Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako; 14kanefa raha amin'izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra* Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny. 15Ankehitriny no ijeren'ny masoko ary ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity7.15 Misy akon'ny 6.14-42 voafintina dia voafintina ity 7.12b-15 ity.. 16Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 17Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako, 18dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana* nataoko tamin'i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an'i Israely7.18 Jereo 1 Mp 2.4..»

Andriamanitra mamaly vavaka
1- Andriamanitra mifidy ny fitoerana masina
Mifidy toerana fivavahana ho an’ny fireneny sy ny vahoakany Andriamanitra. Natao ho trano fanateram-panatitra ny trano namboarin’i Solomona mpanjaka (and 12). I Solomona sy ny vahoaka manamboatra fa Izy Andriamanitra no mitokana sy manamasina ary mametraka ny antom-pisian’ny tempoly. Toerana fìvavahana sy fihaonana amin’Andriamanitra, Ilay tsy hita maso. Ao no anehoana ny fanetren-tena sy fibebahana sy fangatahana famelan-keloka ary fanasitranana ho an’ny olona sy ny firenena (and 14).

2- Andriamanitra mihaino sv mijery nv mpivavaka
Mijery sy mihaino izay atao rehetra ao amin’ny tempoly ny Tompo. An'Andriamanitra ny tempoly, fanehoany ny fisiany sv ny fahamasinana ary fanatrehany ny vahoakany. Andriamanitra irav ao amin’nv tempolv tokana ho an’nv firenena iray. Manaiky ho eo amin’ny Isiraely amin’ny alalan'ny tempoly Andriamanitra (and 16). mba ho fitahiana ho an’ny Isiraely, izay nofidinv.

3- Andriamanitra manao fanekena amin’nv Isiraelv
Tompon'andraikitra amin’ny faharetan’nv fanjakany sy nv filaminana ary ny fiadanan'ny Isiraely ny mpanjaka. I Davida, tandindon'ilay Mesia Mpanjaka, no itarafan'ny mpanjaka mifandimby ny tokony hatao. Antoka ho fiandrianana sy filaminan'ny Isiraelv ny fanaovana araka izay nataon’i Davida mpanjaka rainy.

Fanontaniana :
Inona no ifandraisan’ny tempoly sy ny fanjakana ?

samedi 28 octobre 2017

Sabotsy 28 Oktobra 2017 - Lio 11 : 5 - 13


5Ary hoy indray i Jesoa tamin'ireto mpianany:

–Aoka hataontsika hoe misy aminareo midodododo amin-kavana misasakalina ka mitaraina aminy hoe: «Rahavako ô, mba ampisambory mofo telo aho, 6fa misy havako mivahiny vao tonga ao amiko nefa tsy manan-karoso azy aho!» 7Hamaly kosa angamba ny ao an-trano hanao hoe: «Aza sahiranina aho, fa ny varavarana efa mihidy ary izaho sy ny vady aman-janako efa samy am-pandriana, ka tsy afaka hifoha hanome mofo anao aho.» 8Lazaiko aminareo fa na tsy hifoha hanome mofo azy noho ny fihavanana aza ilay ao an-trano, dia hifoha ihany hanome izay rehetra ilainy mba tsy ho voatabataba tsy misy farany. 9Ka hoy Aho aminareo: mangataha, dia homena; mitadiava, dia hahita; dondòny, dia hovohana. 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11Araka ny hevitrareo, iza no raim-pianakaviana hangatahan-janany11.11 Aorian'ny hoe hangatahan-janany, misy stf sasany manampy hoe mofo ka hanome azy vato? na hangatahany... Jereo Mt 7.9. trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava? 12Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an'izay mangataka aminy?

« Ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy ? »
Lioka 11.13

1- Nv Rav manome nv Fanahv Masina
Fanomezan'Andriamanitra ho an'ny mpianatr'i Jesoa ny Fanahy Masina. Mihoatra lavitra amin'izay fanomezan’ny olona ny fanomezan'Andriamanitra. Miezaka ny olona hanome izay heveriny ho tsara ho an'ny zanany na ny namany, fa efa nanome antsika ny tsara indrindra ny Tompo, dia ny Fanahy Masina. Ny vavaka izany dia fangatahana ataon'ny olona amin'ny Tornpo ary fanomezana ataon'ny Tompo ho an’ny olona. Ny vavaka no mampifamatotra ny mino amin’Andriamanitra ary Andriamanitra amin’ny mino.

2- Nv zanaka mangataka amin’ny Rav
Mampianatra vavaka i Jesoa amin’ity Lioka 11 ity. Ampianarin'i Jesoa isika hivavaka amin’ny Ray. Ny vavaka atao dia mitaky finoana fa Andriamanitra dia manome mihoatra sy tsara lavitra noho izay angatahantsika ( and 11-13; Efes 3, 20). Andriamanitra dia manambara fa Izay tafiditra ho mpianatr'i Jesoa Kristy afaka mangataka aminy ary Izy manokatra ny tanany sy manome ho azv . Tafiditra ao amin'ny fanjakany isika; ary miditra sy mahita an’Andriamanitra any an-danitra (and 9). Mahereza àry mivavaka ka mangataka izay ilaintsika. araka ny sitrapony, hahazoantsika mahatanteraka ny sitrapony amin'izao ankehitriny izao.

Fanontaniana
Ahoana izany no fíainam-bavaka araka ity fampianaran'i Jesoa Kristy ity?

vendredi 27 octobre 2017

Zoma 27 Oktobra 2017 - Kol 1 : 9 - 14

9Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin'ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin'Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy Masina. 10Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin'ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an'Andriamanitra, 11ary hampahatanjahina tanteraka amin'ny heriny be voninahitra mba hanananareo fandeferana sy faharetana amin'ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana 12no isaory an'Andriamanitra1.12 faharetana amin'ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana no isaory an'Andriamanitra...: dkt hafa (raha ovana ny mari-pijanonana ao amin'ny rijan-teny grika fototra) faharetana ombàn-kafaliana amin'ny zavatra rehetra. Misaora an'Andriamanitra...  Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lova natokany ho an'ny vahoakany ao amin'ny hazavana; 13fa nanala antsika tamin'ny fahefàn'ny haizina1.13 fahefàn'ny haizina: ampit Lk 22.53. Izy, ka namindra antsika ho ao amin'ny Fanjakan'ny Zanany* malalany, 14Ilay ahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny helotsika1.14 Ampit Ef 1.7..

Mamindra antsika ho amin’ny fanjakany ny Tompo

1- Tohizo nv hafanana amin’nv vavaka
Feno fifaliana ny Apostoly Paoly amin'ny fandrosoana ny Fiangonana tany Kolosia amin'ny finoana sy ny fívavahana. Tsy ampy ny mionona amin'ny efa vita fa tohizana ny fivavahana sy ny fitombonana ho amin’ny fahatsaran’ny fíangonana. "Tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka” ho anareo aho, hoy i Paoly (and 9). Tsy vitan'ny moraly izany ny fiainana kristiana, fa hatsarain’ny vavaka. Mivavaha mba hofenoina fahalalana ny sitrapon’ny Tompo, ka hanana fanendrena : fahazavana avy amin’ny Fanahv Masina. Mivavaha ihany koa mba handeha miendrika ny Tompo; mba hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra; mba hatanjaka amin’ny herin’ny voninahitry ny Tompo. Manàna tanjona mazava amin’ny vavaka atao, toy izay ataon’ny Apostoly izao.

2- Mivavaha amin’nv fisaorana
Manandratra vavaka físaorana sy fankalazana i Paoly. Manambara ny asan’i Jesoa Kristy izy izay mahatonga ny mpino hanana anjara ao amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra. Izy no mampahamendrika antsika hanana anjara lova amin’nv lovan’ny olona masina. Tsy mendrika izany isika, noho ny fahotana. Omena ny kristiana, anefa izany. satria i Jesea Kristy no namindra antsika hiala tao amin'ny fahefan'i Satana na ny maizina ho amin’ny fanjakan’i Kristy. I Jesoa no mahatonga antsika hanana fanavotana dia ny famelana ny helotsika

Fanontanian:
Hazavao fa fanjakan’ny vavaka ny fanjakan’i Kristy?

jeudi 26 octobre 2017

Alakamisy 26 Oktobra 2017 - Ezr 10 : 1 - 4

1Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezrà sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra*, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin'ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra. 2Tamin'izany no niteny i Sekanià, zanakalahin'i Jehiela sady anisan'ny taranak'i Helama, ka nanao tamin'i Hezrà hoe:
–Efa nanao izay mahadiso amin'Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan'ireo mponin'ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an'i Israely. 3Aoka hifanaiky amin'Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson'izay fatra-panaja ny didin'Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany! 4Mitsangàna fa adidinao izao raharaha izao; ary izahay koa vonon-kiaraka aminao. Aoka ho sahinao atao izany!

Fanadiovana ny firenena
1- Mivavaka sv mitsotra amin’Andriamanitra
Mivavaka araka ny fanambaran'ny Soratra Masina i Ezra mpisorona. Rehefa tafaverina avy amin'ny fahababoana avv tany Babylona nv Jiosy dia nifangaro be ny mponina tany Jerosalema. Maro ny mpisorona sy ny lehilahy no efa nanambady hafa firenena. izay mifanohitra amin'ny Lalàn'i Mosesy. Manarina ny fireneny ho Isiraely vaovao ny irak'Andriamanitra, ka mampiverina ny olona amin'nv tenin'Andriamanitra sy nv fivavahana ary ny fibebahana marina. Nodiovina sy nampifanarahana tamin'ny Tenin’ Andriamanitra ny fanambadiana. Izany no nanampian'i Sekania an'i Ezra mba tsy hiala amin'ny marina: fisarahana ny vady hafa fìrenena (and 2).

2- Mampiombona nv vavaka
Mampiverina ho amin'ny Tenin’Andriamanitra ny vavaka. Niverina nanao fanekena tamin'Andriamanitra indray ny Joda (and 3). Mampiray nv fírenena manontolo ny fivavahana amin'Andriamanitra irav manana ny Lalàna iray. Antsoina ho matahotra an’Andriamanitra ny Jiosy avv amin'ny fahababoana dia: “ireo mangovitra noho ny di'din 'Andriamanitsika. " and 3). Fanitsiam-pivavahana mametraka ny Tenin'Andriamanitra ho ambony noho ny hevitra sosialy sy fiarahamonina no nataon'i Ezra. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny tenin’Andriamanitra nv mpisorona. Ho tahaka izany koa ny mpitarika eo amin'ny fiangonana ankehítriny.

Fanontaniana:
Inona no atao amin’ny fanomanana ny fanambadiana ?

mercredi 25 octobre 2017

Alarobia 25 Oktobra 2017 - Mar 11 : 20 - 24

20Nandalo teo amin'ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin'ny fakany.

21Dia nahatsiahy i Petera ka nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, jereo fa maina ilay aviavy nozoninao!

22Namaly i Jesoa ka nanao tamin'ireo mpianany* hoe:
–Manàna finoana an'Andriamanitra! 23Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa. 24Koa izao no teniko aminareo: na inona na inona hangatahinareo amin'ny vavaka ataonareo, inoy fa efa azonareo, dia hotanteraka aminareo tokoa.

Ny vavaka mahafindra tendrombohitra

1- Vavaka amin’nv finoana
Tsy ny fahamainan’ilay aviavy no zava-dehibe amin’i Jesoa fa ny anjara toeran’ny finoana ao amin’ny vavaka. Asehon’i Jesoa ihany koa ny fahefana ananan'nv mino ka anesorana izay sakantsakana sy ny tsy fahombiazana. Manàna finoana an’Andriamanitra, hoy i Jesoa Kristy (and 22). Esorina ny físalasalana mba ho tanteraka izay zavatra lazaina sy angatahina amin’ny Tompo (and 23). Manambara izany fa ny finoana no mampanan-kerv ny vavaka; ny finoana no anatonana an’i Jesoa ao amin’ny vavaka. satria "raha tsy amin ’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy.” (Heb 11,6).

2- Vavaka mamaha olana
Mampaka sy mampamaha ny zana-boriky i Jesoa (and 2) ary niditra tao Jerosalema amin’ny maha Mesia Azy (and 8) ka nodioviny ny tempoly. Amin’ny fisehoan'i Jesoa amin'ny maha Mesia Mpanjaka sy Mpamonjy Azy dia miharihary ny heriny sy ny fahefany. Ravàn’i Jesoa izay sakana rehetra tsy hahatanteraka ny fàmonjena. Tahaka ity aviavy nozoniny fa tsv nahitana voany. Manome izany fahefana izany ho an'ny mpianany sy ny mpino Azy i Jesoa Kristy. Manan-kery avy amin'ny Tompo ny mpino hanala izay sakana tsy hahatanteraka ny famonjena izao tontolo izao. Amin’nv alalan'ny vavaka no hahafahantsika manala ny tendrombohitra misakana ny famonjena.

Fanontaniana :
Inona avy ireo lazain’ny Tompo fa tendrombohitra tokony hafindra eo amin’ny fiainanatsika ?

mardi 24 octobre 2017

Talata 24 Oktobra 2017 - Dan 9 : 20 - 23

20«Dia mbola niteny ihany aho ka nivavaka sady niaiky ny fahotako sy ny fahotan'i Israely fireneko, ka nitaraina teo anatrehan'ny Tompo Andriamanitro aho momba ny tendrombohiny masina9.20 ny tendrombohiny masina: dia ny tendrombohitr'i Jerosalema ary mahafaoka ny tanàna mihitsy raha itarina ny hevitra.. 21Ary raha mbola niteny sady nivavaka toy izany aho, dia indro i Gabriela, ilay anjely* hitako tamin'ny fahitana anikeheo, fa nanidina haingana nanatona ahy tamin'ny fotoanan'ny fanatitra hariva9.21 Gabriela: jereo 8.16; Lk 1.19, 26. –fanatitra hariva: azo adika hoe fanatitra tolakandro satria heverina ho natolotra teo antenatenan'ny folakandro. (Ampit 1 Mp 18.29,36).. 22Ary nampianatra ahy izy ka niresaka tamiko nanao hoe: ‹Ry Daniela, tonga aho ankehitriny mba hampahazava ny sainao. 23Fa raha vao nanomboka ny vavakao, dia nisy hafatra navoakan'Andriamanitra ka tonga aho hampita azy aminao, satria fatra-pitia anao Andriamanitra. Koa diniho izany hafatra izany ary fantaro ny hevitr'ilay fahitana.

Mivavaha ho anao sy ny firenenao

1- Mibebaha ho anao sv nv firenenao
Mivavaka ho azy sv nv firenen’i Isiraely i Daniela. Mitondra ny fahotan' ny tenany eo anatrehan' Andriamanitra i Daniela. tahaka nv ataon'nv mpisoronabe, aorian'izay vao mifona ho an'ny fireneny (jereo Heb 7, 27). Mahazatra ny maro ny mifona sy mibebaka ho an’ny fireneny fa adino sv tsy tsaroany ny mivavaka sy mibebaka ho an'ny tenanv. Amin’nv faharavana sv nv fahapotehan’ny firenena dia tompon’andraikitra amin’ izany ny mpitarika sy ny mpino tsirairay. Loarina hatrany anaty ny fifonana eo anatrehan’i Jehovah (and 20). Mandiniha mba tsy hamerenana ny hadisoana sv ny fahotana intsony, rehefa mibebaka marina.

2- Mampahalala nv sitraponv Andriamanitra
Maniraka ny anjely Gabriela na « ilay maherin’ Andriamanitra » i Jehovah. Ny anjely dia iraka, no heviny, ka miasa, araka ny Testamenta Taloha, hitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ny olona sy ny mpanompony. Tamin’ny fotoana fivavahana fanaovana fanatitra no nitenenanv tamin’i Daniela ny hevitrv ny fahitana sv nanazavana ny sainy fand 21-22) . Maniraka ny anjeliny Andriamanitra, hanambara ny fahamarinana sy ny fitiavany satria "malala indrindra ianao"(and 22). Andriamanitra manazava ny sitrapony sv ny faminaniana amin’ny malalany. Mivavaha amin’ny fotoana efa natokana ho fihaonana amin'ny Tompo.

Fanontaniana:
Ahoana ny fomba itenenan'ny Tompo amin'ny mino

lundi 23 octobre 2017

Alatsinainy 23 Oktobra 2017 - Asa 4 : 24 - 31

24Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin'Andriamanitra hoe:
–Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra eo aminy4.24 Jereo Eks 20.11; Sal 146.6.;

25ary tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe:
«Nahoana no mihotakotaka ny firenena?
Nahoana no mioko foana ny vahoaka?
26Nivonon-kiady ny mpanjakan'ny tany,
ary nivondrona ny manampahefana
mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany*4.26 Sal 2.1-2, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

27Marina tokoa fa i Herôda* sy i Pônty Pilato*, niaraka tamin'ny olona hafa firenena* sy ny vahoaka israelita*, dia nivondrona teto amin'ity tanàna ity mba hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia4.27 Jereo Lk 23.7-11; Mt 27.1-2; Is 61.1.. 28Notanterahin'izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin'ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana* sy zava-mahagaga amin'ny anaran'i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana.

Mampandresy ny mpitory Filazantsara i Jesoa.

1- Miaraha manandratra vavaka amin’i Jesoa
Tsarovy ny tenin' Andriamanitra rehefa mivavaka. Miorina amin'ny finoana ao amin’nv tenin'Andriamanitra sy nv tantaran’nv famonjena ny herin’ny vavaka. Tehirizo amin’ny finoana sy ao am-po ny tenin'Andriamanitra hahazoantsika mandresy ny olana sy ny ady atrehantsika. Mampitovy fíjery ny vavaka noho ny fampaherezan'ny Fanahv Masina. Mampitcny ny mpino ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha sy ankehitrinv ary ny ho avy (and 25- 28). Mandresy ny fandrahonana ataon’ny fahavalo ny fiombonana amin’ny vavaka ataon’ny mpino. Mampahomby ny vavaka ataontsika ny fiombonana amin'ny anton’nv vavaka sy nv zava- kendrena .

2- Miaraha miasa amim-bavaka amin’í Jesoa
Manana tanjona kendrena iray ny Apostoly dia ny handraisan'ny olona ny Filazantsara. Mangataka fahasahiana sy fanomezam-pahasoavana avy aimin'ny Tompo izy ireo mba hahatanteraka ny asa ho ny famonjena ny Jiosy sy ny Jentilisa. Fanomezam- pahasoavana telo no angatahina eto: famantarana sy fahagagana. fametrahan-tànana hahasitrana amin'ny anaran’i Jesoa Kristy. Feno ny Fanahy Masina ny mpianatra rehetra ary nahazo sy nahita ny herin’i Jesoa Kristy tamin’nv asan’ny Fanahy Masina. Nihovitrovitra ny trano; ary « feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin 'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana » (andì 3l).

Fanontaniana :
Hazavao fa tsy afaka misaraka amin’nv vavaka ny asa ?

dimanche 22 octobre 2017

Alahady 22 Oktobra 2017 - II Mpa 4 : 32 - 37

32Rehefa tonga tao an-trano i Elisà, dia mbola mivalampatra eo ambony farafara ilay zaza maty. 33Dia niditra izy ka nihidy aman-trano niaraka tamin'ny zaza ary nivavaka tamin'ny TOMPO. 34Dia nandry teo ambonin'ny zaza izy ka vava tandrifin'ny vavany sy maso tandrifin'ny masony ary tanana tandrifin'ny tanany. Koa raha mbola nijanona teo amboniny izy dia nihanafana ny tenan'ilay zaza. 35Nitsangana i Elisà ka niasa dia eran-trano ary niverina niampatra indray teo ambonin'ny zaza. Tampoka teo anefa dia nievina impito ilay zaza ka nihiratra. 36Nantsoin'i Elisà i Gehazỳ ka nitenenany hoe:
–Ndeha antsoy ilay Sonemita!

Dia laza izy niantso azy; koa nony nankao amin'i Elisà ravehivavy dia nilazany hoe:
–Raiso ny zanakao.

37Dia nandroso ravehivavy ka niantoraka teo an-tongotry ny mpaminany sady niankohoka nitehi-tany ho fanajana azy. Noraisiny ny zanany ary lasa izy nivoaka ny efitrano.

Vavaka, mamelona ny maty

1- Mamelona nv vavaka
Zanakalahy tokan’ilay mpivady efa antitra nampiantrano an'i Elisa mpaminany ity maty ity ary fanomezana avy amin’Andriamanitra (and 17). Dingana roa nv famelomana ny zazalahy: fametrahana ny tehin’ny mpaminany nentin'ny mpanompony, fa tsy nahomby (and 31). Mino ilay reny mahantra fa ilay lehilahin' Andriamanitra no hitondra fahavelomana ho an’ny zanany satria avy amin’nv teny nataonv no nananv anaka. Miandry ny vavaka ataon’ny Fiangonana mpaminany izao tontolo izao tsy manana fanantenana. Tian’ny Tompo isika hamantatra ny mahasoa ny zanak'olombelona sy hitondra vahaolana hahaveloman'ny olona sy nv firenena.

2- Velomv nv fiainam-bavaka
Mivavaha ao amin'ny mangingina “mirindrim- baravarana" (and 4; 33). Ny vavaka atao amin’ny mangingina dia làlana itondran'ny Tompo vahaolana eo amin’ny fiainan’ny mpino sy ny fiangonana (Jereo Mat 6, 18; 20, 17; 2 Mpanj 19. 14). Mahita ao amin’ny miafina sy nv fitoniana nv Tompo. Asa mangina ny vavaka fa tsy fideraderana na itsofana trompetra mba ho hitan'ny olona. Ny finoana ny Tompo ho mijery sy mihaino ao amin'ny fahanginana ary afaka mamelona izay efa maty sy ny efa ho faty, dia manerv. Arindrao eo anatrehan’nv Tompo isan’andro amin’ny vavaka mitokana ny fiainanao sy ny ankohonanao ary ny firenentsika.

Fanontaniana :


Amin’ny antony sy fotoana toy inona no ilàna ny vavaka?

samedi 21 octobre 2017

Sabotsy 21 Oktobra 2017 - Matìo 26 : 40-46

40Dia niverina nankeo amin'ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin'i Petera:
–Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? 41Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin'ny olona, fa ny nofo no malemy!
\
42Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe:
–Raiko ô, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao!

43Nony niverina nankeo amin'izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony. 44Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony.

45Ary niverina Izy nankeo amin'ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe:
–Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan'ny mpanota ny Zanak'olona! 46Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

Miareta tory sy mivavaha miaraka aniin’i Jesoa Kristy

1- Minreta torv miaraka amin’i Jesoa Kristv
Maizina sy alin-kitroka ny tontolo misy an'i Jesoa Kristy sy ny mpianatra eto. Enjehina i Jesoa sy ireo mivavaka aminy. Kendrena hosamborina sy hovonoina ny Zanak' Andriamanitra. Ao amin’izany tontolo izany Jesoa Kristy no miteny : « miareta tory sy mivavaha ». Miareta tory mba hahafahana miatrika sy manohitra ny fahavalo amin'ny fívavahana fa tsy fahatairana. Miambena ihany koa mba tsy hitsangana ho mpiaro ny Tompo fa mba hanaiky harovan'ny Tompo manoloana ny fahavalo (Jao 18. 10).

2- Mivavaha miaraka amin’i Jesoa
Mampianatra ny mpianany hiaina amin'ny tena vavaka i Jesoa Kristv. Maha izy azy ny vavaka dia ny fanekena ny tenin’i Jesoa sy ny fiombonana aminy; ny fankatoavana ny sitrapon'nv Rav arv nv faharetana. Adv araka ny fanahy nv vavaka ary misy fe-potoana tratrarina ka atao mialohan'ny fahatongavan'ny fahavato. Fiadiana iankinana amin’i Jesoa sy hiatrehana ny fahavalo ny vavaka (Efes 6,18). Fiadiana ho fiarovana handresena ny fakam-panahy ihany koa. Omen'i Jesoa antsika ny vavaka mba handresena ny devoly sy ny miaramilany. Ilo resy ny lahotra sy ny ny sitrapon’ny tena ary ny fitambesaran’ny nofo amin'ny alalan'ny vavaka. Mivavaha mandrakariva mba handositra antsika ny fakam-panahy .

Fanontaniana :
Amin'ny fotoana sy ny endri-javatra manao ahoana no tokony hiaretan-tory mivavaka ? I lazavao.

vendredi 20 octobre 2017

Zoma 20 Oktobra 2017 - Sal 65 : 1 - 8

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Salamo nataon'i Davida. Tononkira.

2Ry Andriamanitra monina ao Tsiôna* ô,
mendrika hoderaina Ianao
sy hanefana ny voady natao.
3Satria mpihaino vavaka Ianao,
dia hatonin'ny olona rehetra
4samy vesaran'ny heloka vitany.
Ny hadisoanay tsy zakanay;
Ianao kosa no mikosoka azy.
5Sambatra ny olona izay voafidinao
ka asainao honina ao an-kianjanao!
Hamoky anay ny zava-tsoan'ny tranonao*,
dia ny zava-masin'ny tempolinao*.
6Manasoa anay tokoa Ianao,
ry Andriamanitra Mpamonjy anay;
ka dia zava-mampitolagaga
no amalianao ny vavakay,
ry hany fanantenan'ny vahoaka
hatrany am-paran'ny tany rehetra
mbamin'ireo nosy any lavitra any.

7Tompo ô, tanjaka sy hery no asehonao,
ka ataonao miorina mafy ny vohitra,
8tonenao ny riaka misamboaravoara
sy ireto onjany mirohondrohona,
ampangininao ny firenena mitabataba.


Fanefana ny voady amin’i Jehovah

1- Manatera fisaorana anv Ziona
Zava-mihatra tamin’ny Israely ny faharavan’ny tempoly sy ny fitsanganany indrav. Nangina ny fiderana sy ny fivavahana tao ; ambara eto kosa fa tafaverina izany. I Ziona tanàna masina. Isaorana sy ankalazaina ao Ziona ny Tompo, izay tompon’ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy sady manome fiononana ny Isiraely. Miasa Izy ary tsy takatry ny saìna ny heviny. Anjarantsika no misaotra sy midera Azy, fa tsara indrindra izany.

2- Sambatra izav antsoin'I Jehovah ho eo an- kianjanv
Fahasambaran’ny mpino nv fiantsoan'Andriamanitra hanatona Azy. Tsy misy mahay manatona ny Tompo raha tsy izy no miantso, eny fa na dia maniry izany aza. Ao no isehoan'nv Tompo amin’nv olony ka amahanany ny zava- tsoa sv ny zava-masina azv (and 4). Ao no amalian' Andriamanitra ny fivavaky ny mpino sy andrenesany nv feony. Sambatra izay mitoetra eo akaikin'Andriamanitra.

3- Miasa tsv miato Andriamanitra
Ho valin'ny vavaka ataon’ny mpino dia miasa Andriamanitra sady efa niasa sy mbola hiasa mandrakizay (and 6-7). Mampangina ny herin’nv fahavalon’ny Isiraelv ny asany. sady maharaiki-tahotra azy ireny (and 7-8) . Mamerina ho amin’ ny fahatsaran’ ny tendrombohitra sy ny fampanginana ny onjan-dranomasina arv ny tabataban’ ny firenena fahavalon'ny Isiraely ny Tompo. Izany dia asan'ilay Mpahary izao tontolo izao.

Fanontaniana :
Manao ahoana izany fahasambarana izany aminao ?


jeudi 19 octobre 2017

Alakamisy 19 Oktobra 2017 - Sal 39 : 6 - 13

6Indro fohy dia fohy tokoa ny androm-piainako;
ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao.
Eny, ny olona rehetra matanjaka aza
dia toa tsio-drivotra mandalo;

7eny tokoa fa ny olombelona
dia toa aloka miserana ihany!
Misahirana tsy misy antony izy,
manangon-karena nefa tsy mahalala
izay hanjary ho tompon'izany.

8Ary ankehitriny, Tompo ô,
inona no azoko andrasana?
Ianao ihany no antenaiko.
9Afaho amin'izay rehetra mpamadika ahy aho,
aza avela ho fanakòran'ireo adala.
10Koa mangina aho ary tsy miloa-bava,
satria Ianao no nahatonga izao39.10 Jereo Fit 3.25-29,37..
11Nefa aza kapohinao intsony aho,
fa mila ho faty noho ny famelezanao.
12Raha manitsy ny olona Ianao
ka manafay azy noho ny helony,
dia manimba izay maminy indrindra
toy ny zavatra lanin'ny kalalao.
Eny tokoa fa ny olona rehetra
dia toa tsio-drivotra mandalo.

13TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko
ary mandrenesa ny fitarainako;
aza odian-tsy hita ny ranomasoko
fa olona nasaina aho no eto aminao,
mpivahiny ihany toy ny razako rehetra


Ny fiainan’ny olona matoky an’Andriamanitra

1- Miorina amin’nv fanantenana an’Andriamanitra
Zava-poana ny fiainan’ny zanak'olembelona eto an-tany, araka ity Salamo 39 ity. Na ny fahavelomana. na ny fananan-karena na ny fitenenana dia tsy misy azo ianteherana ho famonjena na iray aza. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no maha olona ny olombelona ary antom-pisiana sy anton'ny fahavelomana. Manana fahasahiana hanatona ny Tompo ny mpino fa tsy miraviravy tànana manoloana ny zava-poana eto an-tany. Manapaha hevitra hanatona ny Tompo amin'ny alalan’ny vavaka ; aza variana mitanisa sy mijery ny zava-poana sy ny ratsy eto an-tany fa mivavaha ao amin’ny Tompo.

2- Mankato an’Andrinmanitra
Miaina amin’ny fibebahana sy ny fanetren-tena ny mpanompon’Andriamanitra. Izy irery ihany no mamela heloka sy manafaka amin’ny fanenjehan’ny fahavalo (and 8). Manaiky ny fananarana ataon'Andriamanitra aminy ny rnpanompony (and 10-11). Fitaizana mifanaraka amin’ny Teniny no ataon’Andriamanitra (Oh 29, 15 ; Ileb 12, 8; 2 Kor 6. 9). Mety ho simba ny hatsaran-tarehin’ny olona (and 11), amin’ny fainaizan’ny Tompo. Mangataha amin’ny fitarainana sy finoana ny Tompo fa Izy ihany no manitsy nv vavaka ataontsika, na mety ho diso aza (and 12-13). Tsara ihany koa ny mangina eo anatrehan’ny Tompo fa fantany izay mahasoa antsika (Isaia 53:7; Matio 26:63 ; Ása 8, 32).

Fanontaniana :
Nahoana no marary ihany ny kristiana nefa efa mivavaka ?

mercredi 18 octobre 2017

Alarobia 18 Oktobra 2017 - II Mpa 20 : 1 - 7

1Tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe:
–Ataovy ny farahafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.

2Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin'ny TOMPO 3ary nanao hoe
–TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao.

Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.

4Fa raha mbola tsy tonga teo amin'ny kianja anatin'ny lapa21.4 teo... lapa: araka ny dkt tranainy izany; fa ny RM kosa manao hoe teo amin'ny faritra afovoan-tanàna.  i Isaià, dia nisy tenin'ny TOMPO taminy nandidy azy 5hiverina ka hilaza amin'i Hezekià filohan'ny vahoakan'Andriamanitra hoe:
–Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko* ianao. 6Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin'ny vahohon'ny mpanjakan'i Asiria. Eny, ity tanàna ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.

7Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

Manambara ny farany Andriamanitra

1- Manambara nv fahafatesana
Misy fiafarany ny fiainan'ny zanak’olombelona rehetra. Tao anatin'ny aretina mafy i Hezekía no nanambaran'i Isaia mpaminany fa « ho faty ianao fa tsy ho velona » (and 1). I Hezekia mpanjaka dia namongotra ny sampy tamin’ny Joda, ary nandeha mahitsy tahaka an’i Davida. Manam-piafarana amin'ny fahafatesana ny olona, na dia ny mpanjaka malaza amin’ny fanitsiam-pivavahana teo amin’ny Joda aza (and 2: 2 Mponjaka 18, 3-7). Mampianatra ny Tompo, fa Izy no tompon’ny fotoana rehetra. « Hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa » (Kol 4,5). Mihatra amin'ny olombelona rehetra ny fahafatesana, eny fa na dia ho an’ny manao soa aza.

2- Manambara ny famelomana
Mamelona ny efa maty koa anefa ny Tompo. Mihaino ny fivavak’ i Hezekia, izay nitahiry ny finoany an’i Jehovah Andriamaniny izy. Nohenoin’I Jehovah ny fítarainany ; nojereny ny ranomason’ny mpanjaka (and 5). Tsy fahafatesana izany no anton’ny aretina fa fanehoana ny fahefan’Andriamanitra sy ny famindram-ponv. Nataon’ny Tompo hankatoa azy koa ny mpaminany ka nanaiky ho irakiraka. Mifanaraka amin’ny sitrapon'ny Tompo ny fangatahana eto: «hiaro ìty tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko. » (and). Katsaho ny sitrapon'ny Tompo amin’ny vavaka atao, fa fanalahidin'ny valim-bavaka izany.

Fanontaniana :
Inona no atao hahazoana valim-bavaka mahomby ?

mardi 17 octobre 2017

Talata 17 Oktobra 2017 - Lio 18 : 1 - 8

1Nanaovan'i Jesoa fanoharana* avy eo ny mpianany* hanehoana fa tsy maintsy mivavaka lalandava, ka tsy tokony ho kivy na oviana na oviana. 2Hoy Izy hoe:
–Nisy mpitsara tsy nanan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona tao an-tanàna anankiray izay. 3Nisy koa tao amin'io tanàna io vehivavy anankiray mpitondratena, niverimberina tao amin'ilay mpitsara nanao hoe: «Omeo rariny amin'ilay miady amiko aho!» 4Elabe ilay mpitsara tsy niraika; nefa nony farany, dia nanao anakampo hoe: «Marina tokoa fa raha izaho dia tsy manan-tahotra an'Andriamanitra na hena-maso olona. 5Kanefa mandreraka ahy ny ataon-dravehivavy ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina foana hanorisory ahy!»

6Ary hoy ny Tompo:
–Henoy kely ny ambaran'ilay mpitsara ratsy fanahy! 7Ka dia Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-boafidiny mitaraina andro aman'alina aminy? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy18.7 ...andro aman'alina? Ary hampiandry lava azy ireo ve Izy? dkt hafa ...andro aman'alina, na dia hampiandry azy ireo aza Izy? ? 8Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak'olona*, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?


Miandany amin’ny olom-boafidiny Andriamanitra

1- Miaro nv mpino maharitra mivavaka nv Tompo
Ratsy ny fiarahamonina asehon'i Jesoa eto : misy mpitsara tsy marina sady tsy matahotra an'Andriamanitra; misy mpitondratena mahantra, izay manana ady amin’ny mpiara-monina. Lany andro sy fotoana mivezivezy mitady ny rariny ilay mpitondratena. Miasa ao am-pon'ny ratsy fanahy ny Tompo mba hahazoan’ny marina ampahantraina ny rariny. Tompon'ny fahefana rehetra i Jesoa Kristy ka afaka manova ny ratsy fanahy ho marina, na ny tsy matahotra an’Andriamanitra ho tia ny fahamarinana. Ny fivezivezena sy ny fíharetana ary ny faharetan'ilay mpitondratena dia manambara ny endriky ny vavaka ataon'ny mino. Mahareta amin’ny fivavahana .

2- Miaro ny mpino mahatoky ny Tompo
Andriamantra manome rariny ny olom-boafídiny. Andro aman’alina no iantsoana ny Tompo. Tsy mba tara amin’ny famonjena ny mpino Andriamanitra. Mahatoky sy marina Izy ; mijery sy mahita ny fijalian'ny zanany ka mamonjy Azy. Mijaly sy mitaraina fatratra isika kristiana ankehitriny amin’ny fanenjehana sy ny fanaratsiana mihatra amintsika. Ireny no ady tsy maintsy atrehina. sady anefen’ny Tompo antsika kristiana ho tsara orina amin’ny fivavahana sy ny finoana. Tohizo àry ny vavaka andro aman’alina, ataovy matetika sy amin’ny línoana fa tsy mamela antsika hiady irery i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Manomeza ohatra amin'ny atao hoe : maharitra mivavaka amin’ny finoana ny kristiana ?



lundi 16 octobre 2017

Alatsinainy 16 Oktobra 2017 - II Mpa 19 : 14 - 20

14Ary noraisin'i Hezekià ny taratasy nentin'ireo iraka asirianina ka novakiny; avy teo izy dia niakatra tao an-tranon'ny TOMPO* ka namelatra izany taratasy izany teo anatrehan'ny TOMPO, 15ary nivavaka tamin'ny TOMPO nanao hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerôbima*19.15 Jereo Eks 25.22., Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO ô, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny izay nampitondrain'i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona. 17TOMPO ô, marina fa ireo mpanjakan'i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny; 18ary nodorany tamin'ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan'ny tanan'olombelona, vato aman-kazo ihany. 19Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon'ny tanan'i Saneheriba izahay mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»

20Ary i Isaià, zanakalahin'i Amôtsa, dia naniraka hankany amin'i Hezekià nanao hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Ny vavaka nataonao tamiko ny amin'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria dia efa nohenoiko.

Andriamanitra mamelona ny inpanompony
1- Manpiorina nv finoan’nv mpanompony ny Tompo
Zavatra roa loha tsy afaka misaraka ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny finoana Azy. Misongadina ny foto-pinoana tao amin’ny mpanjaka Hezekia. - Tokana Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra afa tsy i .Jehovah irery ihany (and 20)\ "Mpanjakan'ny fanjakana rehetra ambonin 'ny tany ” sady Mpahary sy Tompon'izao rehetra izao, dia « ny lanitra sy ny tany », Izy (and !$). - Manatona sy manakaiky ny mpanompony Andriamanitra, sady miara-monina aminy. Ao an-tranon'Andriamanitra no velarin'i Hezekia eo anatrehany ny taratasin’i Sankeriba asyriana fahavalo (and 14). Miasa ary mijery sy mihaino ny Tompo (and 14:16). Manongilan-tsofina mihaino sy mijerv ary mahita ny zava-mihatra amin'ny fíreneny sy ny vahoakany manontolo Izy.

2- Mihaino sv mamoniy ny mpanompony ny Tompo
Omen’ny Tompo hery ny mpanjaka Hezekia hanatona Azy, ao an-tranony; hamelatra eo anatrehany ny fiantsian'adv ataon'ny fahavalon'ny Isiraely sy ny olana mianjady1 aminy sy ny fireneny. Manatona sy mivavaka amin’ny fitarainana ary mametraka ny adiny amin'i Jehovah ao an-tranony ny mpanjaka. Maniraka ny mpaminanv Isaia i Jehovah hanambara amin'i Hezekia mpanjaka fa efa nohenoiny ny vavaka nataony (and 20). Aza mahafoy ny fihaonana amin'ny Tompo ao an-tranony.

Fanontaniana :
Ahoana no fampiharana ny hoe : tranon'i Jehovah toerana ihainoan'ny Tompo ny mpanompony sy ny vahoakany ?

vendredi 13 octobre 2017

Zoma 13 Oktobra 2017 - I Kor 14 : 12 - 19

12Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be.

13Noho izany, izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia aoka hangataka amin'Andriamanitra mba ho afaka hanazava izany koa. 14Raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra manko aho, dia ny fanahiko no hany mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko. 15Ahoana àry no hataoko? Hivavaka amin'ny fanahiko aho no sady hivavaka amin'ny saiko ihany koa; hihira amin'ny fanahiko aho no sady hihira amin'ny saiko ihany koa. 16Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an'Andriamanitra, hataon'izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly «Amen*» ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao. 17Raha ianao, dia vavaka fisaorana kanto no vitanao, fa ny hafa kosa tsy nampandrosoinao amin'ny finoana.

18Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra. 19Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin'ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin'ny fiteny tsy fantatra.

Na dia nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samihafa aza ny kristiana eo amin’ny Fiangonana dia nataony ho iray fanompoana ; kanefa « raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra» (12). Ny fîvavahana kristiana araka izany dia natao hifampandrosoana.

1- Mivavaka hiombonnn’nv olona rehetra isika
Ny fivavahana amin’ny fitenim-pirenena hafa dia tokony hisy mpandika teny raha hatao ho an’ny olona rehetra izany. Ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy dia fifandraisana miorina avy amin’ny Teniny ao anatin’ny Soratra Masina. Aoka tsy hisy teny ivelan’ny Baiboly hanaovana toriteny na fampianarana ao ampiangonana araka izany satria tsy mahasoa ny olona akory. Paoly Apostoly eto nanapa-kevitra fa « Sady hivavaka am- panahy no hivavaka an-tsaina koa aho » (15).

2- Mitadv nv tenvy ho an’nv saina sy fanahy isika
Ny Soratra Masina irery ihany no misy ny teny ho an’ny saina sy fanahy. Nambaran’ny Paoly tamin’i Timoty zanany izany hoe « Soratra nomen’ny tsindrimandrin' Andriamanitra, mahasoa... mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra. ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra» (2 Tim.3, 16-17). Koa raha mivavaka dia teny ahazoan’ny mihaino manao « Amen », hoy izy eto, ho tadiavina. Aoka omena fahalalana ara-tsoratra Masina ny olona tarihintsika hivavaka, mba handray an’i Jesoa teny tonga nofo ao amponv. Olona resy lahatra ka mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy no afaka miara-mivavaka.

Fanontaniana :
Inona no efa nataonao hampandroso ny hafa amin’ny finoana ?

jeudi 12 octobre 2017

Alakamisy 12 Oktobra 2017 - II Mpa 6 : 8 - 23

8Fony niady tamin'i Israely* ny mpanjakan'i Siria ka nila hevitra tamin'ny manamboninahiny, dia nilaza izay toerana tiany hitobian'ny tafiny. 9Fa i Elisà olon'Andriamanitra kosa naniraka olona nankany amin'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe:
–Tandremo fandrao mandalo amin'izany toerana izany fa any no misy ny tafika sirianina.

10Ary nandefa miaramila hiambina ny toerana voatondron'ilay olon'Andriamanitra ny mpanjakan'i Israely.
Imbetsaka i Elisà no mampitandrina ny mpanjakan'i Israely, koa dia mailo aoka izany izy.

11Nampanahy mafy ny mpanjakan'i Siria izany zavatra izany, ka niantso ny manamboninahiny izy ary nanao taminy hoe:
–Tsy ambaranareo amiko ve izay mpamadika amintsika ireto ka miasa ho an'ny mpanjakan'i Israely?

12Dia hoy navalin'ny manamboninahitra iray azy:
–Tsy misy izany mpamadika izany aminay, ry andriamanjaka! Fa i Elisà mpaminany* ao amin'i Israely ihany no manambara amin'ny mpanjakany na dia izay teny lazainao ao an'efitrano fandrianao aza.

13Ary hoy ny mpanjakan'i Siria:
–Andeha tadiavo izay toerana misy azy mba hahazoako misambotra azy.
Rehefa nilazana ny mpanjaka fa ao Dôtàna6.13 Dôtàna: toerana sahabo ho 45 km ao avaratr'i Jerosalema, ary 10 km avaratr'i Samaria. i Elisà, 14dia nandefa antoko-miaramila matanjaka miaraka amin'ny soavaly sy kalesy izy; ka tonga alina ireo miaramila ary nanao fahirano ny tanàna.

15Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon'i Elisà ka nivoaka ny tanàna, dia nahita ireo miaramila mbamin'ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna, ary niteny tamin'i Elisà hoe:
–Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?

16Fa novaliany hoe:
–Aza matahotra fa be lavitra noho ny mpomba azy ny mpomba antsika.

17Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe:
–TOMPO ô, sokafy re ny mason'ity mpanompoko ity mba hahitany.

Dia nosokafan'ny TOMPO ny mason'ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisà6.17 Ampit 2.11..

18Fa raha nidinan'ny miaramila sirianina i Elisà, dia nivavaka indray ka nanao hoe:
–Tompo ô, mba tampeno ny mason'ireo miaramila rehetra ireo.

Dia nohajambain'ny TOMPO araka ny tenin'i Elisà ny masony; 19ary hoy i Elisà tamin'ny miaramila:
–Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin'ny olona tadiavinareo ianareo.

Kanjo nentin'i Elisà nankany Samaria ireo. 20Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisà hoe:
–TOMPO ô, sokafy re ny mason'ireto mba hahitany ankehitriny.

Koa rehefa nosokafan'ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan'i Samaria.
21Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'i Elisà hoe:
–Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?

22Hoy kosa ny navalin'i Elisà:
–Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin'ny sabatra na tamin'ny tsipîka? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin'ny tompony.

23Dia nanaovan'ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin'ny tompony. Natsahatr'ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin'ny tanin'i Israely.

Akaiky an’Andriamanitra tokoa i Elisa, mpaminany. Nomen’Andriamanitra saina sy fahaiza -mamantatra mialoha izy, mba hampiemana azy indrindra momba ny anjara fanompoany teo amin’ny fireneny: «fa Elisa mpaminany ao amin’ny Isiraely ihany no milaza amin’ny mpanjakan’ny Isiraely na dia izay teny lazanao ao amin’ny trano fandrianao aza»(12). Nomen’ny Tornpo Fanahy mahery ny mpanompony.

1- Afaka mamantatra nv fahavalo
Rehefa tsara fifandraisana amin'Andriamanitra Tompo isika mpanompony dia omeny ny Fanahiny hitarika antsika hanaovana ny sitrapony. Izy no mpiaro ny Isiraely ka naniraka ny mpaminany mpanompony hisolo tena Azy tao aminy. Mahafantatra mialoha ny fahavalo sy ny teti-dratsiny izy araka izany ary mametraka izany fahafantarana izany ao amin’ny mpanompony mba hahatanteraka ny famonjena ny olona. Aoka ho vita fihavanana amin’i Jesoa Kristy isika ka hahazo ny fitarihan'ny Fanahy Masina izay nomeny mba hanaovantsika ny sitrapony hardraisan’ny olona ny famonjena nataony teo amin’ny hazofijaliana.

2- Afaka mitondra tenv amin’nv mpitondra
Na dia azon’ny mpanjaka natao noho ny fahefanv aza nv mamono ny fahavalo nentina teo aminy dia tsy maintsy naniraka ny tenin’ny mpanompon’Andriamanitra izy satria mpitondra natahotra an'Andriamanitra. Aoka ny manam-pahefana mba hatahotra an’Andriamanitra ka hihaino ny mpaminany mpanompony satria ireo no mitondra ny hafatr’Andriar'ianitra ho famonjena ny olona.

Fanontaniana :
Mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina ve ianao ?

mercredi 11 octobre 2017

Alarobia 11 Oktobra 2017 - Lio 3 : 21 - 22

21Indray andro, raha mbola natao batisa* ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra. 22Dia nidina teo ambonin'i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako 3.22 Ampit Sal 2.7; Is 42.1.!

1- Ho fanombohana nv asa hatao
Tsy natao batisan’ny fibebahana velively akory i Jesoa eto fa batisa fandraisana asa fanompoana izay nialohavan’i Jaona mpanao batisa Azy izao. Tsy mba teraka tamin’ny ota Izy sady tsy nanota akory. Izany no bevitry ny lanitra nisokatra Taminy eto, ary nohamarin’ny feo hoe « Hianao no Zanako malalako. Hianao no sitrako ». Ho fanombohany ny asa izay nanirahan'ny Ray Azy no nisehoan'izany eto. Ny vavaka hatao ho fanombohana ny asa dia hanehoan’ny Tompo fankasitrahana ho fampaherezana ny iraka rehetra. Fanoloran-tànana hotantanan’ny Tompo ny mivavaka mialoha ny asa.

2- Ho fiioroana vavolombelon’ny Tompo
Tanteraka ny famonjena izao tontolo izao tamin’ny nahafatesan’i Jesoa teo amin'ny hazofïjaliana. Nitsangana tamin’ny maty Izy, ho vavolombelona fa Andriamanitra velona Izy no tonga olona teto an-tany mba hanafaka ny olona amin'ny fahotany. Mitaona antsika hibebaka Izy mba hamelany ny helotsika. Ny fiainam-bavaka no tànana handraisantsika ny tànan'ny Tompo hamonjy antsika aimn’izao  fiainana ratsy izao. Isan'andro dia taominy hijoro ho vavolombelona amin’izany isika, fa Izy: «Fa miambena ka mivavaha mandrakariva. mba hahery» !

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fiainam-bavakao ?

mardi 10 octobre 2017

Talata, 10 oktobra 2017 - II Tan 32 : 16-23

16Ary ny manamboninahitra nirahin'i Saneheriba dia nanohy niteny ratsy nanohitra ny TOMPO Andriamanitra sy nanohitra an'i Hezekià mpanompony.

17Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan'i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko ny andriamanitr'ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr'i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan'ny fahefàko.»
18Ankoatra izany, ireto irak'i Saneheriba ireto dia niantso tamin'ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema izay teny ambonin'ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton'izany. 19Ary ny fitenenany an'ilay Andriamanitr'i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an'ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan'olona ihany.

20Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin'Andriamanitra. 21Ny TOMPO kosa naniraka anjely*, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin'ny sabatra.

22Toy izany no namonjen'ny TOMPO an'i Hezekià sy ny mponin'i Jerosalema tsy ho azon'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria na ho azon'ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina. 23Olona maro no nitondra fanatitra ho an'ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an'i Hezekià mpanjakan'i Joda; ka nanomboka tamin'izay i Hezekià no nalaza teo imason'ny firenen-drehetra manodidina.

Hezekia dia Mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason'Andriamanitra (2Tan. 29,2). Mpanjaka nivavaka izy, ary eto dia hita soritra fa niara-nivavaka tamin’i Isaia, mpaminany izy mba hamonjen'Andriamanitra ny firenena tsy horesin’ny fahavalony. Namaly ny vavak'izy ireo Andriamanitra. Izany ny herin’ny vavaka rehefa :

1- Resv lahatra nv mpitondra faniakana
Mba hiadanan'ny vahoaka sady hisian'ny fìlaminan'ny tanàna dia tsy maintsy ny mpitondra aloha no resy lahatra hivavaka amin’Andriamanitra. Koa na misy miaika aza ny Anaran'Andriamanitra dia tsy mihemotra amin'ny fivavahany izy. Mampirisika ny mpanompo mahatoky hifikitra amin’i Jesoa Kristy ny fanenjehana sy ny fanaratsiana Azy ankehitriny. Mahomby ihany koa ny fisian’ny fiaraha-mivavaky ny samy resy lahatra eo amin’ny fanoherana ny fahavalon'ny Fìlazantsara. Aoka ho resy lahatra isika fa tsy misy famonjena afatsy ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany. Izy no Mpamonjy izao tontolo izao

2- Miioro vavolontbelona nv fiangonana
Ny mpaminanv amin'ny andro ankehitriny dia ny fiangonana. Vonona mandrakariva hitondra ny hafatrv ny Tompo ny fiangonana tahaka an'Isaia mpaminany (2Mpan.l9, 2-7); maneho ny fandraisan'andraikitry ny fiangonana amin'ny loza manjo ny fireneny izany. Rehefa mijoro vavolombelon'ny Tompo ny fiangonana dia miasa eo amin’ny tanàna misv azy tokoa nv Tompo, mamonjv ny vahoaka rehetra. Hankasitranan'Andriamanitra ny vavaky ny mpitondra sv ny fiangonana ho an’nv fìrenena.

Fanontaniana :
Tonga ao ampiangonana ve ny mpitondra ?

lundi 9 octobre 2017

Alatsinainy 09 Oktobra 2017 - Jer 29 : 4 - 7

4«Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr'i Israely, ho an'izay rehetra natolony ho babo avy tao Jerosalema ho any Babilôna:

5‹Manorena trano ho anareo ka ipetraho; voleo ny tanimboly ka hano izay vokatra avy aminy. 6Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy! 7Katsaho izay hampisy fiadanana any amin'ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›


Taratasy miavaka ity hitantsika nomena ireo olona lasan-ko babo tany Babylona ity. Manambara fa Andriamanitra Tompo ne nandefa ny vahoakany ho babo satria Izy no mandrafitra ny tantaran'izao tontolo izao. Indrindra fa ny tantanm’ny fanjakana joda. Hafa loatra ny valinkafatra fa nasaina nonina mihitsy izy ireo ary nampirisihina hanana fiainana milamina. Hoy ny and1 « Fa raha miadana izy (ny tanàna) dia mba hiadana koa ianareo ». Mahasoa izany ny mivavaka ho an'nv tanàna.

1- Mampiadana nv tanàna ny mivavaka ho azy
Nomen’Andriamanitra fiainana vaovao tsy rnitovy amin’izay voababo hafa ny olony. Afaka nanorina fonenana, namboly ary nanambady izy ireo. Nasainy nokatsahin’izy ireo hatramin'izay hampiadana ny tanàna. Izany tokoa ny fihevitry ny Tompontsika tsy mba manangana fahavalo fa mitady izay hampihavanana na dia ny fahavalo nambabo aza.Ny fïvavahana izany dia fototra hampiadana ny tanàna na ny firenena.

2- Mampiadana nv olona rehetra nv mivavaka
Mifamatotra ny fiainan'ny mpiara-monina araka izao fanambaran'Andriamanitra Tompo tamin'ny olona lasan- ko babo izao. Izay hataontsika aminy ihany no ho tanteraka amintsika koa. Soa fa Andriamanitra mitady izay mahasoa ny olony ny Tompo ka nanoritra làlam-piadanana hizoran'ny olona rehetra amin'ny filaminana tanteraka. Aoka isika koa mba handray izao teny izao ho fiainantsika ankehitriny. Hanorina fiainana misv fiadanana ho an'ny firenena sy ny tanàna misy antsika amin’ny alalan’ny fivavahana ho azy.

Fanontaniana:
Efa atao ve ny mivavaka ho an’ny tanàna ?

dimanche 8 octobre 2017

Alahady 08 Oktobra 2017 - Mar : 7 : 7 - 11

7«Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra,
tendro-molotra no anajany Ahy
fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy;
ka poaka àty ny fivavahana ataony amiko,
satria didin'olombelona no ambarany
ho fampianarako7.7 Is 29.13, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

8Ny didin'Andriamanitra avelanareo, fa ny fomba amam-panao nampitain'olombelona kosa tananareo.
9Ary hoy koa i Jesoa taminy:
–Dia arianareo tsotra izao ny didin'Andriamanitra, mba hitandremanareo ny fomba amam-panaonareo. 10Fa hoy i Mosesy: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa7.10 Jereo Eks 20.12 sy Deot 5.16; Eks 21.17 sy Lev 20.9..» 11Fa ianareo kosa manambara fa raha misy olona milaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: «Efa nataoko kôrbana7.11 kôrbana: voambolana aramianina., izany hoe fanatitra ho an'Andriamanitra, ny zavatra tokony hanasoavako anao»,

Matetika no ahitantsika ato amin’ny Filazantsara fa tena saro-piaro amin’ireo didin’Àndriamanitra i Jesoa. Manintsy indray ny fampiharan'ireto fariseo ireto izany didy izany Izy eto. Ny fanomezan-danja ny fivavahana no asehony :

1- Tsv fampianaran’olona izanv
Manafoana ny fampianaran’ny Tompo ny fîbahanan’ny fampianaran’olona. Rehefa hiatrika fanadinana any ampianarana ny mpianatra dia materika tsy mankany ampiangonana fa revo manao famerenana any antranony. Porofo izany fa mora mahafoy ny fampianarana Soratra Masina isika. Manakalo ny fotoana tokony hihainoana ny Tenin’Andriamanitra amin-javatra hafa isika. Tandremo fa tsy manome lanja ny fivavahantsika, izany fomba izany. Te-hanampy antsika hanome lanja ny fïvavahana ny Tompo. « Raiso ny Tenin’Andriamanintra ho sabatry ny Fanahy »

2- Tsv misv fihatsaram-belatsihv izanv
Mihatsaravelatsihy amin’Andriamanitra ny olona mahafoy ireo didy nomeny hotandremana tahaka ny hoe « Manajà ny rainao sy ny reninao ». Eto dia nosoloany fampianarana voatolotry ny razana izany, Hoy ny Tompo nefa fampianarana mifono hafetsifetsena, toa fanamarinan-tena ihany. Aoka hianatra mitandrina ny didin’Andriamanintra araka ny Soratra Masina isika fa tsy hifikitra amin'ny fampianaran'olombelona. Ny Soratra Masina irery ihany no tànantsika hampanan- danja ny fivavahantsika. Mijoroa ho vavolombelon’nv Tompo amin' izany.

Fanontaniana :
Vakio ny Kolosiana 2, 8-15 hampahery antsika.

samedi 7 octobre 2017

Sabotsy 07 Oktobra 2017 – Jak 5 : 13 – 18

13Misy ory ve ianareo? Aoka izy hivavaka. Misy finaritra ve? Aoka izy ho velon-kira fiderana. 14Misy marary ve ianareo? Aoka izy hampiantso ireo loholom-piangonana hivavaka eo aminy sady hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo5.14 Ampit Mk 6.13.? 15Fa izany vavaka izany, rehefa atao amim-pinoana, dia hahavonjy ilay marary: hositranin'ny Tompo izy ary, raha nanota, dia havela ny helony. 16Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. 17Olona tahaka antsika izao ihany i Elià*; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany; 18ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany5.18 and 17-18: jereo 1 Mp 17.1; 18.1; 18.42-45..

19Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin'ny marina, ka misy mamerina azy, 20dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin'ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin'izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa5.20 ny fanahin'... tsy ho faty: dkt hafa ny fanahin'ny tenany tsy ho faty. –sady... niavosa (fahotana ivalozan'ny andaniny sy ny ankilany): ampit Ohab 10.12; 1Pt 4.8..

Elia mpaminany ny ataon’ny Apostoly Jakoba ohatra eto momba ny faherezana mivavaka. Izy dia nanana fiombonam-piainana feno tamin’ny Tompo. Koa mba hanahafantsika azy dia tsara raha mihaino sy mankato ary mitandrina ny didin’Andriamanitra isika ary hanana fiombonam-piainana amin’i Jesoa Kristy rehefa mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Miseho elo ny herin’ny vavaky ny mino Azy :

1- Mitondra fanafahana (and.13-15)
Ny vavaka atao ho an'ny mana-manjo na ny manam- pifaliana dia fiantsoana ny fanatrehan’ny Tompo azy ireo mba handray ny vavaka ao ampony. Miasa fanafahana ho an’ny olona ny fïvavaky ny finoana. Ny vavaka atao ho an’ny marary dia fangatahana ny fanasitranan'ny Tompo azy, tsy ara-batana fotsiny anefa hatramin’ny ara-panahy mihitsy no omen’ny Tompo maimaim-poana ho azy. Ny kristiana dia taomina hivavaka ho an’nv olona rehetra fa ny Tompo mandray ny vavaky ny finoana.

2- Mamitra-pihavanana (and. 16-18)
Ny vavaka marina dia mitaona antsika hahay mifamela heloka ka hihavana sy hifankatia. Tsara mandrakariva ny fiainana misy fiaraha-mivavaka mialoha ny asa aman- draharaha. Lavitry ny fihatsaram-belatsihv ny olona afaka mifamela heloka. Manjaka ny fifankatiavana ary miseho ho azy ny maha mpanompon’ny Tompo antsika. Izy no mpamela heloka antsika mba hihavanantsika Aminy. Aoka ho vita fihavanana amin' Andriamanitra sy ny olona isika.

Fanontaniana :
Misy làlana hafa mitondra fampaherezana antsika ve ivelan’ny Baiboly ?

vendredi 6 octobre 2017

Zoma 06 Oktobra 2017 - Lio 21 : 29 - 36

29Dia nilaza fanoharana* tamin'ny mpihaino Azy i Jesoa nanao hoe:
–Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. 30Raha vao tazanareo manaroka izy ireny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra. 31Toy izany koa raha vao hitanareo miantomboka izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 32Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tanteraka izany rehetra izany. 33Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.


34–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany, 35satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin'ny mponina rehetra21.35 ho avy tampoka... mponina rehetra: dkt hafa ho avy tampoka aminareo toy ny fandrika harato izany andro izany, satria hihatra amin'ny mponina rehetra. manerana ny tany tontolo. 36Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona.


« Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo... » (and. 36).


Nanamarika ny mpandinika iray taty Afrika fa ny taona arivo voaohany isika dia nanorina fiangonana, ny taona arivo faharoa nampiely ny Filazantsara, ary amin'izao taona arivo fahatelo izao dia miatrika fanamby hahaizana mamantatra ny zavatra hoavv sv fijerena lavitra. Tari-dàlana no omen’ny Tompo antsika hiatrehantsika izanv.


1- Asainy miambina isika
Faharetana rnanao ny fanompoana nomen’ny Tompo no fonon-kevitry ny teny hoe miambina. Tsy miala eo amin’izav nanaovam-panekena teo anatrehany. Ohatra : fanekena maha Mpandrav ny Fanasan'ny Tompo. aoka mba hiverenana hatrany hananana firaisana marina amin'i Jesoa Kristx sady hahatsapana fa miara-mandeha Aminy tokoa ho fijoroana vavolombelona fa nomeny Fanahy Mahery. Mahereza mamaky Baiboly isan'andro hihainoantsika Azy


2- Asainy miyavaka mandrakariva
Tànana mandray ny tànan'ny Tompo ny vavaka satria tsy resaka hatao Aminy fotsiny izany la tena fanomezana valin-leny Aminy noho nyTeny nolazainy tamintsika tao amin'ny Soratra Masina novakiantsika. Miandry antsika mandrakariva hanatanteraka ireo hafatra nomeny Izy ary manoro antsika hatrany ny làlana tokony hizorantsika koa. Jesoa Kristy feno fïtiavana no niantso sy nifidy antsika ary manendry antsika mba handeha hanohy ny asany ety amin’izao tontoio izao. Mikeleza aina àry amin'ny vavaka mba ho vonona sy hahery miatrika ny ho avy.


Fanotaniana :
Mahatsiaro ny hery omen'ny Tompo ve ianao ?

jeudi 5 octobre 2017

Alakamisy 05 Oktobra 2017 - I Mpa 9 : 1 - 5

1Rehefa vitan'i Salômôna ny fanaovana ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao, 2dia nisehoan'ny TOMPO tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibehôna9.2 Jereo 3.4-15. indray izy, 3ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 4Ianao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao tamin'ny fo tsotra sy mahitsy, ka manao araka izay rehetra andidiako anao sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, 5dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin'i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an'i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely.

Fotoana voalazan'ny mpandinika fa telo ambin'ny folo taona taorian’ny nitokanana ny Tempoly no nahazoan’i Solomona izao valim-bavaka izao. Andriamanitra mihaino vavaka tokoa ny Tompo ary manana fomba hanehoany izany amin’izay mahatoky Azy Izy. Raisintsika koa eto izany ny valin'ny vavaka marina :

1- Handraisana fahamasinan’nv Tompo (and.3)
« Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity ». Vavaka marina tokoa ny manome voninahitra an’Andriamanitra sy ny mitondra fifonana eo anatrehany fa izany no hanamasinany ny asa atao. Mety tokoa ny manorin-trano ho fanomezam-boninahitra ny Tompo sady ho fijoroana vavolombelona amin’ny alalan’ny vavaka fa tsy fïtokiana amin’ireo mpitaiza na mpanandro. Fa mamaly vavaka tokoa ny toy izany ny Tompo tahaka ny hitantsika eto. Izy no miaro ny mpanompony mandra-pahavitan’ny asa. Azo antoka ny teny nomeny koa manàna finoana hanaovana asa ho voninahitry ny Tompo.

2- Hahazoana fananantenana vaovao (and.4-5)
« ... hampitoeriko mandrakizay... ». Fikasan’ny Tompo ho an'ny mpanompony rehetra ny hampitoetra azy mandrakizay raha mihaino sy mankato ny Teniny ireo. Jesoa Kristy no nanamafy izany raha niteny hoe « Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Mat.24.13). Izany hoe, tokony handeha mandrakariva amin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana nomen’ny Tompo isika ary hijoro ho vavolombelony fa mahery vavaka ny mino Azy ka miharihary ny valin’ny vavaka natao.

Fanontaniana :
Tantarao fohy ny valim-bavaka azonao

mercredi 4 octobre 2017

Alarobia 04 Oktobra 2017 - Lio 18 : 9 - 14

9Nanao izao fanoharana* izao kosa i Jesoa ho an'ireo olona natoky tena ho marina ka nanaratsy ny sasany:

10–Nisy olona roa lahy niakatra hivavaka teo an-kianjan'ny tempoly*: ny anankiray Farisianina* ary ny anankiray mpamory hetra*. 11Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe18.11 Naka toerana... anakampony hoe: misy stf sasany ahitana hoe Naka toerana mitokana ilay Farisianina ka nivavaka toy izao: : «Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin'olona, na tahaka io mpamory hetra io aza. 12Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho ary manolotra ny ampahafolon'izay azoko rehetra.» 13Ilay mpamory hetra kosa nijanona terỳ lavidavitra, tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandondòna ny tratrany matetika sady nanao hoe: «Andriamanitra ô, mba iantrao re aho, fa mpanota!» 14Izao no lazaiko aminareo: ity faharoa ity, fa tsy ilay voalohany, no nahazo fahamarinana avy tamin'Andriamanitra18.14 tsara nahazo... Andriamanitra na hoe navelan'Andriamanitra heloka na nanjary tsara fihavanana tamin'Andriamanitra.  nony nody. Satria izay rehetra manandra-tena, dia haetrin'Andriamanitra; fa izay manetry tena, dia hasandratr'Andriamanitra.

Ny fivavahana atao amim-panetren-tena

1- Manaikv nv maha mpanota
« Andricimanitra o, rnarnindrà fo arniko mpanota »(13b). Vavaka natao ho fiaiken-keioka no hijeren’i Jesoa Mpamela heloka ny toe-pontsika tahaka izao. Rehefa niteny i Jesoa hoe : « tsy finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary » dia mitady olona hibebaka noho ny ota natao Izy. Ity mpamory hetra voalaza eto ity dia tena vonona hivavaka amim-panetren-tena sady nandroso nitadv ny famindram-pon’Andriamanitra tanteraka. Mifanohitra amin’izany kosa no nataon’ilay fariseo izay zatra mitsara olona ka tsy nitsara tena teo amin'Andriamanitra. Tsara ny manana fanetren-tena ary manatona miaiky fa ratsy sy tsy tanteraka inba hahazo fanavaozana avy amin’ny T ompo.

2- Mahazo fanamarinana
« Izany lehilahy izany nidina tany antranony efa nohamarinina noho ny anankiray » (14). Mahazo valim-bavaka vetivety ny mpivavaka manetry teny tahaka ilay mpamory hetra. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany fa ny famonjena hoy Izy dia ho anareo sy ny zanakareo na iza na iza antsoin’ny Fanahy hanatona an'Andriamanitra. Azontsika toy izany ny fanamarinan'Andriamanitra antsika raha miala amin’ny fanamarinan-tena isika. Mijery ny finoana ao amin’izay rehetra mivavaka Aminy ny Tompo. Isaina ho mahery vavaka ny vavolombelona marina ka rriaiky ny fahotany satria nahazo fanamarinana.

Fanontaniana :
Inona no fanombohanao ny vavaka fanaonao ?

mardi 3 octobre 2017

Talata 03 Oktobra 2017 - Jod 17 : 23

17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain'ireo apôstôlin'i Jesoa Kristy* Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn'ny haratsiam-panahiny1.18 Ampit 2Pt 3.3..» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin'ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin'Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn'ny herin'ny Fanahy Masina; 21mitahiriza tena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon'i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay. 22Reseo lahatra1.22 Reseo lahatra: misy stf sasany ahitana hoe Amindrao fo.  ny sasany izay miahanahana; 23ny sasany indray, sariho ho afaka amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton'ny maha olona mpanota azy aza.

Taratasy misy fananarana ny fiangonana sy ny kristiana tsirairay ao aminy ity. Tsy ankasitrahan’ny Tompo ny hanaovantsika ny fanaon’izao tontolo izao. Fa efa vita ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ho antsika teo amin’m hazofijaliana ka aoka hatao ny fivavahana ao amin’n Fanahy Masina.

1- Mahatahirv nv fïtiavan’Andriamanitra
« Fa hianareo kosa. ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin 'ny finoana masina indrindra » (20a). Rehefa mahatsiaro ny hafatry ny Tompo isika kt mahatandrina ireo didiny dia manatanteraka ny lïrosoam amin’ny finoana izany. Fa lehibe ny fitiavan Andriamanitra antsika ka nanomezany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika. Izy no naniraka ny Fanahy Masina hitarika antsika hivavaka mandrakariva. Aoka handeha araka ny Fanahy isika ka tsy hisakaiza intsony amin’izao tontolo izao. Ny Fanahy Masina nomeny no nampidinan'ny fïtiavany ao ampontsika (Romana 5, 5).

2- Mahafaka nv sasanv kosa
« Ary amindrao fo ny sasany »(22a). Isika mahatsapa ny fainonjena nataon’i Jesoa Kristy ho antsika no vavolombelin’ny fivavahana ao amin’ny Fanahy Masina. Araka izany dia mandidy antsika mba hitondra ny famonjeny ho an’ny hafa koa Izy. Maro ny fanomezam-pahasoavana nomeny antsika hoentina manatanteraka izany ka aoka hazoto sy handeha amin'ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy antsika isika rehetra nametrahany izao teny izao.

Fanontaniana :
Inona no nataonao handraisan’ny hafa ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ?

lundi 2 octobre 2017

Alatsinainy 02 Oktobra 2017 - File 1 : 8 - 21

8Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen'i Kristy* ahy, ny handidy anao ny amin'izay tokony hataonao, 9dia aleoko manao fiangaviana aminao noho ny fifankatiavantsika. Eny, izaho Paoly dia efa antitra sady voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa ankehitriny1.9 efa antitra... ankehitriny: misy mandika hoe irak'i Kristy Jesoa, sady voafonja noho ny aminy ankehitriny. ; 10ka fiangaviana no ataoko aminao ho an'i Ônesimo1.10 Ônesimo: mpanompo nandositra niala tao amin'i Filemôna tompony; mahasoa no dikan'ny anarany ka anaovan'i Paoly tsilalaon-teny eo amin'ny and 11. Jereo koa Kôl 4.9., izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja. 11Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao. 12Asaiko mody atỳ aminao indray izy, ilay toy ny sombinaiko1.12 ilay toy ny sombinaiko: misy stf sasany ahitana hoe ianao kosa, raiso toy ny sombinaiko izy. . 13Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin'ny Vaovao Mahafaly* izao, mba ho solonao mikarakara ahy. 14Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa.

15Angamba ny nahatafasaraka an'i Ônesimo taminao vetivety dia ny hanananao azy maharitra; 16saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny maha olona azy na amin'ny maha mpanara-dia ny Tompo azy.

17Koa raha heverinao ho namanao tokoa aho, dia raiso i Ônesimo tahaka ny andraisanao ahy. 18Raha misy ratsy nataony anao na misy trosa anananao aminy, dia ahy ny andraikitra. 19Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao. 20Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin'i Kristy.

21Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao. 22Ary mba anomano efitrano koa aho; satria antenaiko fa noho ny vavaka ataonareo, dia haverin'Andriamanitra ho eo aminareo aho.


Mitarika ny saina handinika ny Fifandraisana amin’ny Tompo izao miseho eto izao. Nandevozin’ny fahotana isika ka rehefa afa-nandositra tao dia noraisiny sy novolavolainy tsy ho andevo fa tena zanaka. Ny fïfamatoram-piainana amin’ny Tompo no mivoitra eto:

1- Manafaka amin’ny faharatsiana
« Eny, miangavy aminao aho ny amin’ny zanako »(10). Ny fangatahan'i Paoly tamin'ny Filemona dia mitovy endrika amin’ny fangatahan’i Jesoa teo amin’ Andriamanitra Ray (Jaona 17). Ny mba handraisana ilay efa nania mba hiara-miasa ka ho tena zanaka mahasoa. Jesoa Kristy tokoa no miangavy mba hahazoantsika fitoerana miaraka Aminy. Tahaka ny nanafahan’i Paoly an’i Onesmosy tamin'ny rnaha andevo azy no fanafahan'i Jesoa Kristy antsika ankehitriny. Aoka ho mendrika izany isika ka hiala amin’ny ratsy sady hazoto hanao ny tsara.

2- Manolo toerana antsika
« Koa raha alaonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy » (17). Zava-dehibe amin'ny olona nitondra fanampiana ny olona nampiany. Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy ka tsy mahafoy antsika, olona novonjeny. Eny, ny rànv mihitsy no nomeny hisoloana antsika teo amin'ny hazofîjaliana. Tonga olona afaka isika ary mbola tiany hiray toerana Aminy amin'ny fandovàna ny fanjakan' Andriamanitra. Mirosoa àry ho vita fihavanana Aminy isika ka hanana ny fïfamatoram-piainana amin' Andriamanitra isan'andro. Izany no fivavahana marina eo anatrehany.

Fanontaniana :
Ahoana ny fahatsapanao ny fisoloana sy ny fanafaha’i Jesoa anao teo amin’ny hazofîjaliana ?

dimanche 1 octobre 2017

Alahady 01 Oktobra 2017 - I Sam 1 : 19 - 26

19Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin'ny TOMPO i Elkanà sy ny fianakaviany, dia nody tany Ramà.

Ary i Elkanà niray tamin'i Hanà vadiny, ary nohenoin'ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy. 20Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe:
–Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin'ny TOMPO izy1.20 Amin'ny teny hebreo, misy fitovitoviana be eo amin'ny anarana samirery hoe Samoela sy ny matoanteny midika hoe mangataka. .
21Dia niakatra nankany Silao indray i Elkanà sy ny fianakaviany mba hanao ny sorona* fanao isan-taona amin'ny TOMPO ary hanefa ny voadiny. 22Tsy niaraka tamin'ny vadiny i Hanà tamin'ity indray maka ity; fa hoy izy taminy: «Aoka aloha hisara-nono ny zaza, vao hoentiko hiseho eo anatrehan'ny TOMPO, ary dia hitoetra eo mandrakizay izy.» 23Ary namaly azy i Elkanà hoe: «Tsara izany, ataovy izay fantatrao fa mety; mijanòna ihany àry atỳ mandra-pisara-nono ny zaza. Hotanterahin'ny TOMPO anie ny fampanantenainy!»

Dia nijanona tao Ramà nampinono ny zanany i Hanà mandra-pisara-nono azy.
24Ary rehefa nisara-nono ny zaza, dia nentiny nankany an-tranon'ny TOMPO* tao Silao, na dia mbola vao mena vava aza. Ireto no nentin'izy mivady niaraka tamin'ny zaza: vantotr'ombilahy telo taona sy lafarinina iray gony ary divay eran'ny siny hoditra*. 25Novonoiny natao sorona ilay vantotr'omby, ary nentiny tany amin'i Helỳ ny zaza. 26Dia hoy i Hanà tamin'i Helỳ:
–Azafady tompoko, tsaroanao ve ilay vehivavy nitsangana teto indray andro tsy lavitra anao akory, ary nivavaka tamin'ny TOMPO? Raha marina fa velona koa ny ainao, dia izaho izy.

Milaza faharetana mivavaka sady fanatonana nv Tompo Andriamanilra amin'ny fo tokoa ny Mofonaina androany. Misy toe-panahy mendrika halain-tahaka amin’izany día nv fivavahana madío avy ao ampon'ny míno

1- Mihevitra fanomezaaa ho an’nv Tompo
<< Ary nifoha maraina koa izy ireo lai nivavaka teo anatrehan’i Jehovahr> (19). Hana dia vehivavy naharitra nitondra ny alahelony teo anatrehan'Andriarnanitra noho izy tsy niteraka sady nenjehìn'ny rafívaviny (6). Nivavaka tamin’ny fo madio izy arv tsy mba zanaka ho mpandova no notadiaviny fa zanaka hatolotra ho an’ny Tompo (11). Mpivady miara-mivavaka maraina no mendrika tahafíntsika eto. Aoka hanorne ny zanatsika ho an'ny Tompo isika ka tsy ho nanao fanekena foana tamin'ny nanaovam-batisa azy ireny. Mazava fa manome zanaka na dia hoan’ny momba aza Andríamanitra.

2- Manefa nv voadiny amin’ny Tompo
« Koa atolotro ho an 7 Jehovah kosa izy »(28). Míharihary ny herin'ny vavaka nataon’izy mivady. Mifampidinika izy amin’ny fanefana ny voady natao ka hita soritra eto ny fifanarahan-tsaina ao amin'izy ireo sy ny fifankatiavany. Tsv tokonv hanimba velively rtv fifandraisan’ny mpivadv araka izany ny fahamombany. Fa vao maika aza mafy orina tahaka izao nataon'ì Elkana sy Hana izao. Isika koa; aoka mba hihevitra fanomezana ho an'ny Tompo dia ny fanoloran-tena madio ka manatanteraka izay voady natao.

Fanontaniana :
Inona no toetra tokonv ho tànantsika eto ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12