mercredi 30 novembre 2022

Alarobia 30 Novambra 2022 - II Pet 3 : 14 - 18

 14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr’i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

lundi 28 novembre 2022

Alatsinainy 28 Novambra 2022 - Isa 50 : 4 - 9

 4Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy

izay tokony holazaiko,

mba hahaizako mamoaka teny

hampahery ny reraka.

Isa-maraina Izy

dia manabe ahy hatrany hihaino

araka izay tokony hataon’ny mpianatra.

5Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nanokatra ny sofiko,

ka tsy manohitra Azy aho ary tsy mihemotra.

6Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy,

ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolom-bava.

Ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana

sy ny fandrorana natao tamiko.

7Ny Tompo ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy,

koa tsy resin’ny fanevatevana aho;

ary nohamafisiko ho toy ny afovato ny tavako,

satria fantatro fa tsy ho menatra Aho.

8Eo akaikiko ny TOMPO, Ilay mpanamarina ahy.

Iza no hiady amiko?

Andeha isika hiara-miseho

eo anoloan’ny mpitsara!

Iza no ho mpanohitra ahy?

Aoka izy hanatona hifanatrika amiko!

9Eny, ny Tompo ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy,

ka iza no hanameloka ahy?

Indro izy rehetra mpanohitra ahy

fa hihasimba toy ny lamba mihatonta,

toy ny lamba lanin’ny kalalao.

dimanche 27 novembre 2022

Alahady 27 Novambra 2022 - Jao 1 : 9 - 13

 9Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin’izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra. 10Teo amin’izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an’izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. 11Tonga teo amin’ny taniny Izy, fa tsy noraisin’ny mpiray firenena aminy. 12Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra: 13izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban’olombelona miankina amin’ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban’Andriamanitra.

samedi 26 novembre 2022

Sabotsy 26 Novambra 2022 - I Jao 2 : 24 - 29

 24Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin’ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin’ny voalohany, dia hitoetra ao anatin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. 25Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

26Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin’ireo mitady hamitaka anareo. 27Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.

28Eny, rey anaka, tomoera ao anatin’i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin’ny andro hiaviany ka ho afa-baràka.

29Raha fantatrareo fa marina Andriamanitra, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina soritany koa dia naterak’Andriamanitra.

vendredi 25 novembre 2022

Zoma 25 Novambra 2022 - I Tes 5 : 1 - 11

 1Momba ny andro sy ny fotoana hitrangan’izany, ry havana, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo. 2Satria fantatrareo tsara fa ny andron’ny Tompo dia ho avy tampoka, toy ny iavian’ny mpangalatra amin’ny alina. 3Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza. 4Fa ianareo, ry havana, tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5Satria ianareo rehetra dia an’ny mazava sy an’ny andro; tsy mba an’ny alina isika na an’ny maizina. 6Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena. 7Fa ny alina no atorian’ny olona ary ny alina no imamoany. 8Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy finoana sy fitiavana ho toy ny fiarovan-tratra, ary hitafy fanantenam-pamonjena ho toy ny fiarovan-doha. 9Fa tsy notendren’Andriamanitra hiharan’ny fahatezerany isika, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. 10Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin’ny andro hiaviany. 11Noho izany àry, mifampirisiha sy mifampahereza ianareo araka izay efa fanaonareo.

jeudi 24 novembre 2022

Alakamisy 24 Novambra 2022 - Rom 8 : 18 - 25

 18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin’ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin’izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan’Andriamanitra an’ireo zanany. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon’ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra hananan’ireo zanak’Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan’Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan’Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin’ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

mercredi 23 novembre 2022

Alarobia 23 Novambra 2022 - Jao 4 : 39 - 45

 39Maro ny Samaritanina tamin’izany tanàna izany no nino an’i Jesoa noho ny tenin-dravehivavy nanambara hoe: «Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.» 40Koa rehefa tonga teo amin’i Jesoa ny Samaritanina, dia niangavy Azy hitoetra tao aminy; ary dia nitoetra tao indroa andro i Jesoa. 41Vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony; 42ka hoy ireo tamin-dravehivavy:

–Tsy noho ny filàzanao ihany no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao.

43Nony afaka ny indro andro, dia niala teo amin’ny Samaritanina i Jesoa mba hankany Galilea; 44ny tenan’i Jesoa manko no efa nanambara fa «tsy misy mpaminany hajaina eo amin’ny tany nahabe Azy». 45Koa rehefa tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina; satria niakatra tany Jerosalema koa ry zareo tamin’ny fankalazana ny Paska, hany ka nahita izay rehetra nataon’i Jesoa tany nandritra ny fankalazana.

mardi 22 novembre 2022

Talata 22 Novambra 2022 - Fil 3 : 17 - 21

 17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an’i Kristy maty teo amin’ny hazofijaliana. 19Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha. 20Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin’ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin’ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.

lundi 21 novembre 2022

Alatsinainy 28 Novambra 2022 - Isa 50 : 4 - 9

Alatsinainy 21 Novambra 2022 - Mar 13 : 28 - 37

 28–Raiso ho anatra ity fanoharana avy amin’ny aviavy ity: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky izay ny fahavaratra. 29Toy izany koa, raha vao hitanareo tonga izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Zanak’olona ary mby eo am-baravarana. 30Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany. 31Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

32–Fa ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanak’olona, fa Izy Ray ihany. 33Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’izany fotoanandro izany. 34Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina. 35Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina. 36Tandremo sao tonga tampoka izy ka hitany matory ianareo. 37Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena!

dimanche 20 novembre 2022

Alahady 20 Novambra 2022 - Deo 33 : 26 - 29

 26Dia hoy koa i Mosesy hoe:

«Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao!

Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy

mba ho tonga hamonjy anao.

27Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana;

ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ.

Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy

ary mandidy anao handringana an’ireo.

28Mandry feizay ny Israelita;

monina milamina ny taranak’i Jakôba

eo amin’ny tany be vary sy divay,

tany izay ipariahan’ny andon’ny lanitra.

29Sambatra ianareo, ry Israelita!

Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO?

Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo.

Hikoy aminareo ny fahavalonareo,

ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»

samedi 19 novembre 2022

Sabotsy 19 Novambra 2022 - Apo 16 : 12 - 16

 12Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’i Eofrata, ony lehibe, ny anjely fahenina; ka ritra ny ranony, hanomanan-dalana ho an’ny mpanjaka avy any atsinanana. 13Ary nisy fanahy maloto anankitelo, tahaka ny sahona, hitako nivoaka avy tany am-bavan’ny dràgona sy avy tany am-bavan’ilay biby ary avy tany am-bavan’ilay mpaminany sandoka. 14Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin’ny mpanjaka eran’ny tany tontolo mba hamory azy ho amin’ny ady hatao amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra Tsitoha.

15«Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!»

16Dia novorin’ireo fanahy maloto ireo ny mpanjakan’ny tany ho any amin’ilay toerana atao hoe Harmagedôna amin’ny teny hebreo.

vendredi 18 novembre 2022

Zoma 18 Novambra 2022 - Rom 13 : 11 - 14

 11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin’ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.

jeudi 17 novembre 2022

Alakamisy 17 Novambra 2022 - Heb 8 : 7 - 13

 7Raha tsy nanan-tsiny tokoa ilay Fanekempihavanana voalohany, dia tsy nilaina hisy faharoa hisolo azy. 8Kanefa omen’Andriamanitra tsiny ny vahoakany, raha ilazany hoe:

«Indro fa avy ny andro, hoy ny Tompo,

izay hanaovako Fanekempihavanana Vaovao

amin’ny mponin’i Israely sy amin’ny mponin’i Joda.

9Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay

nataoko tamin’ny razany,

tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta;

tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo,

koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.

10Fa izao no Fanekempihavanana hataoko amin’ny

vahoaka Israely

rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo:

Hataoko ao an-tsainy ny lalànako,

ary hosoratako ao am-pony;

dia ho Andriamanitr’ireo Aho,

ary izy ho vahoakako!

11Ka samy tsy hisy hampianatra ny mpiray firenena aminy

na hampianatra ny havany intsony hanao hoe:

‹Mahalalà ny Tompo!›

Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,

hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

12Havelako tokoa ny helony

ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.»

13Matoa milaza Fanekempihavanana Vaovao Andriamanitra, dia nambarany ho efa tranainy ilay voalohany; fa izay efa tranainy sy mihatonta dia madiva ho levona.

mercredi 16 novembre 2022

Alarobia 16 Novambra 2022 - Eze 34 : 1 - 10

  1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: 2«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo? 3Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian’ondry ianareo, fa naka ny ronono ho sakafonareo sy ny volon’ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy. 4Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin’ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin’ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo. 5Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin’ny bibidia. 6Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny havoana; ary niparitaka teny amin’ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy. 7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko: 8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian’ondriko ka lasan’ny mpangalatra sy zary rembin’ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely. 10Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin’ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.

mardi 15 novembre 2022

Talata 15 Novambra 2022 - Rot 3 : 1 - 5

 1Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota:

–Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka. 2Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina. 3Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy. 4Rehefa handeha handry izy, dia fantaro ny toerana izay handriany; ary mankanesa eo, ka sokafy kely ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo; fa izy mihitsy no hanoro anao izay hataonao.

5Dia hoy i Rota tamin’i Nahômỳ:

–Hataoko avokoa izay nolazainao tamiko.

lundi 14 novembre 2022

Alatsinainy 14 Novambra 2022 - Jao 14 : 1 - 4

 1Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an’Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2Misy fonenana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa. 4Ary fantatrareo ny lalana ho any amin’izay alehako.

vendredi 11 novembre 2022

Zoma 11 Novambra 2022 - Asa 13 : 16 - 25

 16Dia nitsangana i Paoly ka nanofahofa tanana hampangina ny mpiangona ary nanao hoe:

–Ry Israelita sy ry hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, henoy aho! 17Ny Andriamanitr’ilay vahoaka Israely dia nifidy ny razantsika. Nataony tonga firenen-dehibe io vahoaka io fony izy nivahiny tany amin’ny tany Ejipta, ary tamin-kery lehibe no nitondrany azy hiala avy any Ejipta. 18Tany an-taniefitra dia nahari-po taminy nandritra ny 40 taona eo ho eo Andriamanitra, 19ary nandrava firenena fito tany Kanahàna ka nanolotra ny tanin’ireo ho fananan’i Israely vahoakany. 20Nandritra ny 450 taona eo ho eo izany.

Taorian’izany, dia nomen’Andriamanitra mpitsara ny razantsika, mandra-pahatongan’ny andron’i Samoela mpaminany. 21Avy eo nangataka mpanjaka izy ireo ka dia nomeny azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanakalahin’i Kisy sady avy tamin’ny fokon’i Benjamîna. 22Nesorin’Andriamanitra i Saoly, fa notendreny ho mpanjakan’izy ireo kosa i Davida, ilay nijoroany ho vavolombelona ka nilazany hoe: «Efa hitako i Davida, zanak’i Jisay; lehilahy araka izay niriko i Davida ka hanatontosa ny sitrapoko rehetra.» 23I Jesoa dia napoitran’Andriamanitra avy amin’ny taranak’i Davida mba ho Mpamonjy ny vahoaka Israely, araka izay efa nampanantenainy rahateo. 24Talohan’ny nahatongavan’i Jesoa anefa, dia nanao antso avo i Jôhany hanainga ny vahoaka Israely rehetra hiala amin’ny toe-dratsy ka hatao batisa. 25Ary tamin’ny faramparan’ny andro niainan’i Jôhany, dia hoy izy hoe: «Ataonareo ho iza moa aho? Tsy izaho no Ilay andrasanareo. Fa indro Izy tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kapa eo amin’ny tongony akory aho.»

jeudi 10 novembre 2022

Alakamisy 10 Novambra 2022 - Oba 17 - 21

 17Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela,

ka hanjary masina indray io toerana io;

ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba

ny tanin’ireo naka ny taniny.

18Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo,

ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo;

ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo

ka harehitr’ireo sy holevoniny,

ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao.

Izaho TOMPO no efa niteny!»

19Ny mponin’i Joda, faritra atsimo, no hahalasa ny tendrombohitr’i Hesao; ny mponin’i Joda, faritr’i Sefelà, no hahalasa ny tanin’ny Filistinina sady hahalasa ny tanin’i Efraîma, izany hoe ny tanin’i Samaria; ary ny taranak’i Benjamîna no hahalasa an’i Gilehàda.

20Ny babo tamin’ny Israelita, izay tafika marobe, no hahalasa ny tanin’ireo Kanahanita hatrany Tsarefàta. Ny babo tamin’ny mponin’i Jerosalema, izay any Sefaràda, no hahalasa ny tanàna any Negèba; 21rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao.

Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.

mercredi 9 novembre 2022

Alarobia 09 Novambra 2022 - Mat 24 : 42 - 51

 42Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo. 43Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna. 44Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

Ny mpanompo mahatoky sy ny mpanompo tsy mahatoky

45–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana? 46Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47Lazaiko marina aminareo fa hotendren’ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko», 49ary hihetraketraka amin’ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin’ny mpimamo, 50dia ho tonga ilay tompony amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany. 51Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.

mardi 8 novembre 2022

Talata 08 Novambra 2022 - Zef 3 : 6 - 8

 6Teny hentitra avy amin’ny TOMPO izao:

«Nahafongana firenena maro Aho,

narodako ny tilikambon’ny màndany,

navelako ho foana ny làlany,

ka tsy nisy mpandalo intsony;

noravako ny tanànany

ka tsy nisy mponina intsony.

7Dia hoy Aho anakampoko:

Raha manaja Ahy i Jerosalema

ary mandray ny fampitandremako,

dia tsy horavako ny fonenany

araka ny fandrahonana nataoko taminy!

Kanefa vao mainka nilomay

hanao ratsy ihany izy iray tanàna.

8Koa dia andrasonareo ny famaizako

amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo.

Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana

mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra;

ka handevona ny tany manontolo

ny afon’ny fahasaro-piaroko.

lundi 7 novembre 2022

Alatsinainy 07 Novambra - Sal 39 : 4 - 6

 4nandevilevy ny foko tato anatiko,

toy ny doran’ny afo ny eritreritro,

ka tamin’ny farany aho nahateny hoe:

5TOMPO ô, ampahafantaro ahy

rahoviana no hifarana ny fiainako

ary hafiriana sisa no ahavelomako;

aoka ho fantatro fa mihelina aho!

6Indro fohy dia fohy tokoa ny androm-piainako;

ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao.

Eny, ny olona rehetra matanjaka aza

dia toa tsio-drivotra mandalo;

dimanche 6 novembre 2022

Alahady 06 Novambra 2022 - Isa 35 : 1 - 4

 1Aoka hiravoravo ny taniefitra

sy ny tany karankaina!

Aoka hifaly ny tany ngazana

ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.

2Aoka ho rakotra voninkazo izy

ka hitotorebika sy handihy

ary hihorakora-pifaliana!

Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano

mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela

sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna.

Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO

sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.

3Ampaherezo ny tanana miraviravy

ary hatanjaho ny lohalika malemy.

4Lazao amin’izay kivy hoe:

«Mahereza, aza matahotra;

indro ny Andriamanitrareo

tonga hitondra famaizana

ka hanasazy ny fahavalonareo;

Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»

samedi 5 novembre 2022

Sabotsy 05 Novambra 2022 - I Sam 18 : 5 - 9

 5Fa isaky ny misy fanafihana ampanaovin’i Saoly azy, dia fahombiazana hatrany no azon’i Davida, koa dia izy no nataon’i Saoly ho kômandin’ny miaramila mpanafika; ary nahafaly tokoa ny tafika manontolo sy ny manamboninahitry ny mpanjaka izany.

6Tamin’ny fiverenan-dry Davida avy nahafaty an’ilay Filistinina, dia nivoaka hitsena an’i Saoly mpanjaka ny vehivavy avy tamin’ny tanàna israelita rehetra; nihira sy nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka sy ny zava-maneno hafa izy ireo, ary velona hobim-pifaliana. 7Dia nibitaka ireo vehivavy sady nifamaly niredona hoe:

«I Saoly nahafaty an’arivoarivo.

fa i Davida kosa nahafaty an’alinalina.»

8Nahatezitra mafy an’i Saoly izany tononkira izany, ka hoy izy anakampo hoe: «An’alinalina lahy no nomeny an’i Davida, fa an’arivoarivo fotsiny kosa no nomeny ahy! Angamba homeny azy koa ny fanjakana atsy ho atsy!» 9Nanomboka tamin’io andro io, dia ratsy fijery an’i Davida izy.

vendredi 4 novembre 2022

Zoma 04 Novambra 2022 - I Pet 1 : 1 - 9

 1Avy amiko Petera ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Jesoa Kristy.

Mamangy anareo olom-boafidin’Andriamanitra aho, dia ianareo mpivahiny miely patrana any amin’ny faritany Pônto, Galatia, Kapadôsia, Azia sy Bitinia. 2Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany.

Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin’ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay 4fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo, 5dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.

6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin’ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin’ny alalan’ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin’ny alalan’ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan’Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an’i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

jeudi 3 novembre 2022

Alakamisy 03 Novambra 2022 - Rom 15 : 7 : 12

  7Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. 8Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon’ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin’ny razan’izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra. 9Ary izany koa dia mba hahazoan’ny hafa firenena manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe:


«Izany no hiderako Anao any amin’ny hafa firenena

sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»

10Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe:

«Miaraha miravo amin’ny vahoakan’ny Tompo,

ry hafa firenena!»

11Ary koa hoe: «Derao ny Tompo, ry firenena rehetra;

ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!»

12Ary hoy indray i Isaià hoe:

«Ho avy ilay solofon’i Jisay,

dia ilay hitsangana hifehy ny firenena:

Izy no hitokian’ireo firenena!»

mercredi 2 novembre 2022

Alarobia 02 Novambra 2022 - II Tim 3 : 1 - 9

 1Aoka ho fantatrao fa any am-parany any dia hisy fotoana sarotra; 2satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina, 3tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara, 4ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra, 5hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny! 6Fa isan’ireny izay misokosoko miditra an-tranon’olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilàna maro, 7vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana. 8Tahaka ny nanoheran-dry i Janà sy i Jambrà an’i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka. 9Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny.

mardi 1 novembre 2022

Talata 01 Novambra 2022 - Zak 9 : 9 - 11

  9Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna!

Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema!

Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;

marina sady mandresy Izy,

feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,

dia boriky tanora zana-borikivavy.

10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy

ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady

Hopotehiny ny tsipîkan’ady

ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy.

Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray

ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa,

ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata

ka hatrany am-paran’ny tany.


11Dia hoy ny Tompo hoe:

«Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna,

noho ianareo nanaovako fanekempihavanana

izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona,

no efa namoahako ny mpigadranao

toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12