lundi 30 novembre 2015

Alatsonainy 30 Novambra 2015 - I Kor 1 : 1 - 9

1-2Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.

Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra atỳ Kôrinto aho, ary mamangy anareo koa i Sôstena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany* ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa. 3Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

4Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 5Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 8Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika. 9Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany*, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

dimanche 29 novembre 2015

Alahady 29 Novambra 2015 - Jer 33 : 14 - 18

14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Indro avy ny andro izay hanatanterahako ny zava-tsoa nampanantenaiko ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda. 15Amin'izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an'i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin'ny tany. 16Amin'izay dia ho afaka ny fanjakan'i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin'i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an'i Jerosalema dia hoe ‹Ny TOMPO no fahamarinantsika.› »

17Izao koa no lazain'ny TOMPO:
«I Davida mpanjaka dia tsy ho tapaka mpandimby azy eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely. 18Ary ny mpisorona taranak'i Levỳ tsy ho tapaka olona hijoro eo anatrehako hanolotra sorona* dorana manontolo, ary hampakatra ny eton'ny fanatitra sy ny sorom-pihavanana fanao isan'andro.

samedi 28 novembre 2015

Sabotsy 28 Novambra 2015 - I Sam 24 : 10 - 23

Nitodika nijery i Saoly, dia niankohoka ho mari-panajana azy i Davida. 10Ary hoy i Davida tamin'i Saoly:
–Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia mihaino izay vavan'olona milaza fa mitady hanisy ratsy anao aho? 11Kanefa ny masonao mihitsy no mahita androany, fa ny TOMPO efa nanolotra anao ho eo am-pelatanako tao an-johy. Nasain'ny olona hovonoin-ko faty ianao, nefa niantra anao aho, fa hoy aho hoe: Tsy haninji-tanana amin'ny mpanjakako aho, satria ny TOMPO no efa nifidy anao ho mpanjaka. 12Jereo koa, ry mpanjakako ô! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr'akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko. 13Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao. 14Araka ny lazain'ny ohabolan'ntaolo, dia «ny olon-dratsy no ipoiran'ny faharatsiam-panahy», fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao. 15Amin'iza moa no iadianao, ry mpanjakan'i Israely? Izaho izay amboa maty sy parasy kely ity ve no enjehinao? 16Aoka ny TOMPO no ho mpitsara ka dia hitsara ahy sy ianao! Aoka handinika ny amiko Izy ka hiaro ahy ary hanafaka ahy amin'ny fanenjehanao!

17Rehefa vita izany tenin'i Davida tamin'i Saoly izany, dia nanontany azy i Saoly hoe:
–Feonao tokoa ve izany, ry Davida zanako ô!

Ary dia nigogogogo nitomany i Saoly. 18Dia hoy indray izy tamin'i Davida:
–Marina ny anao, anaka, fa izaho no tena diso, satria ianao nanao soa tamiko fa izaho kosa nanao izay ratsy taminao. 19Nasehonao tamiko androany ny hatsaram-ponao, fa tsy novonoinao ho faty aho na dia efa natolotry ny TOMPO teo an-tananao aza aho. 20Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany. 21Ankehitriny, fantatro fa ianao no ho mpanjaka ary hitoetra eo an-tananao ny fanjakan'i Israely. 22Koa mianiàna amiko amin'ny TOMPO ianao ankehitriny, fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao ary tsy hamono ny anarako tsy ho isan'ny taranaky ny raiko. 23Dia nianiana izany tamin'i Saoly i Davida. Ary i Saoly nody tany aminy, fa i Davida sy ny olony kosa niverina niakatra tany amin'ny fiereny.

vendredi 27 novembre 2015

Zoma 27 Novambra 2015 - Jao 11 : 25 - 27

25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Izaho no manangana ho velona sy manome aina. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona; 26ary izay rehetra mivelona amiko ka mino Ahy, dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mino izany ve ianao?

27Ka novalian'i Marta hoe:
–Eny, ry Tompo, mino aho fa Ianao no ilay Mesia*, ilay Zanak'Andriamanitra*, Ilay tonga eo amin'izao tontolo izao*!

jeudi 26 novembre 2015

Alakamisy 26 Novambra 2015 - Asa 5 : 26 - 32

26Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly mbamin'ireo mpandraharaha naka ny apôstôly, kanefa tsy nanao an-keriny satria natahotra sao torahan'ny vahoaka vato. 27Nentina ireo apôstôly, naroso teo anatrehan'ny Fitsarana ambony, ary nadinin'ny mpisorombe 28nataony hoe:
–Noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'ny anaran'iny Lehilahy iny; kanjo vao mainka nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema iray vohitra, ka satrinareo ho tompon'andraikitra amin'ny nahafatesan'iny Lehilahy iny izahay.

29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe:
–Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, Izay nahantonareo teo amin'ny hazofijaliana no namonoanareo azy. 31Efa nasandratr'Andriamanitra eo ankavanany Izy ka tonga Mpitari-dalana sy Mpamonjy mba hahazoan'ny vahoaka Israely* miala amin'ny toe-dratsy sady mandray famelan-keloka. 32Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin'ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra ny olona manaiky Azy.

mercredi 25 novembre 2015

Alarobia 25 Novambra 2015 - Lio 16 : 9 - 13

9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren'izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin'ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin'ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin'ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin'ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin'ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin'ny haren'izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?

13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

mardi 24 novembre 2015

Talata 24 Novambra 2014 - Sal 62 : 1 - 12

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedotòna filohan'antoko-mpihira.* Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitra irery no iadanako;
avy aminy ny famonjena ahy.
3Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,
fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

4–Ianareo kosa, mandra-pahoviana
no hifarimbona hamely olona
ka hiara-mioko handrodana azy
ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?
5Ny hany itadiavanareo hanongana azy
dia satria izy manana toerana ambony.
Fitaka no zavatra mba maminareo:
am-bava mirary soa*, fa am-po manozona.

6Andriamanitra irery no iadanako
satria Izy mihitsy no antenaiko.
7Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena,
fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.
8Miankina amin'Andriamanitra
ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
Andriamanitra no Vatolampy
ianteherako mafy sy fialofako.
9–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany,
atosahy eo anoloany ny fiahianareo
fa Izy Andriamanitra no fialofantsika.

10Tsio-drivotra mandalo ihany
ny sarambabem-bahoaka;
rendrarendra foana koa
ireo olona manan-kaja;
raha indray atao amin'ny mizana izy roa tonta,
dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.
11–Aza mitoky amin'ny fanaovana an-keriny,
aza miankina amin'ny fangalarana.
Raha mitombo fananana ianareo,
aza mba miraiki-po amin'izany.

12Izao no tenin'Andriamanitra
fandreko matetika: «Ahy ny hery!»
13–Tompo ô, Anao ihany koa ny fitiavana;
sady Ianao no mamaly ny olona
araka ny asa nataony avy.

lundi 23 novembre 2015

Alatsinainy 23 Novambra 2015 - Mik 6 : 6 - 8

6«Inona àry no hoentiko,
rehefa manatona aho hiankohoka
eo anatrehan'ny TOMPO,
Andriamanitra avo indrindra?
Moa zanak'omby iray taona
hatao sorona* dorana manontolo ve
no hoentiko rehefa manatona Azy aho?
7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an'arivony
na ny menaka mikoriana toy ny renirano?
Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako
ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»
8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao
ny fitondrantena tsara
sy izay tadiavin'ny TOMPO aminao:
dia ny hanao ny rariny
sy handala ny fitiavana
ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amim-panetrentena.

dimanche 22 novembre 2015

Alahady 22 Novambra 2015 - Efe 5 : 8 - 14

8Tao amin'ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin'ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin'ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin'ny Tompo. 11Aza miombona amin'ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon'ireo olona ao anatin'ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr'ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin'ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon'ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

        «Mifohaza ianao izay matory,
          ary mitsangàna ho velona avy any amin'ny maty,
         dia hampahazava anao iKristy*.»

samedi 21 novembre 2015

Sabotsy 21 Novambra 2015 - I Mpa 18 : 16 - 19

16Dia lasa nitsena an'i Ahaba i Hôbadià ka nanao tatitra taminy; ary lasa nitsena an'i Elià i Ahaba.

17Rehefa hitan'i Ahaba i Elià, dia nilazany hoe:
–Hay! Tonga ianao, ry ilay mpitondra loza amin'i Israely!

18Fa i Elià namaly hoe:
–Tsy izaho no mpitondra loza amin'i Israely, fa ianao sy ny fianakavianao satria nandà ny didin'ny TOMPO ianareo sady nivavaka tamin'ireo andriamanitra Bahala. 19Ary ankehitriny maniraha olona hamory ny vahoakan'i Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitr'i Karmela miaraka amin'ny mpaminanin'i Bahala 450 sy ny mpaminanin'i Aserà efajato izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.

vendredi 20 novembre 2015

Zoma 20 Novambra 2015 - Jao 14 : 1 - 14

1Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany*:
–Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an'Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa. 4Ary fantatrareo ny lalana ho any amin'izay alehako.

5Dia hoy i Tômà taminy:
–Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?

6Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako. 7Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.

8I Filipo kosa nanao taminy hoe:
–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny. 12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

jeudi 19 novembre 2015

Alakamisy 19 Novambra 2015 - Gal 6 : 11 - 18

11Jereo amin'ny havaventin'ny soratra fa tanako mihitsy no anoratako ho anareo izao. 12Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian'i Kristy*. 13Fa na dia ny tenan'izy voafora aza tsy mitandrina ny lalàna*; kanefa tiany hoforana ianareo, mba hireharehany amin'ny fampiharana izany amin'ny vatanareo. 14Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin'ny alalan'ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao* raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin'izao tontolo izao. 15Tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora manko no tena zavatra, fa ny maha olom-baovao. 16Ary fiadanana sy famindrampo avy amin'Andriamanitra no ao amin'izay rehetra hanaraka io fitsipika io, izany hoe ao amin'ilay Israely* vahoakan'Andriamanitra.

17Amin'ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin'ny tenako noho ny maha mpanompon'i Jesoa ahy.

18Homba anareo anie, ry havana, ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen*.

mercredi 18 novembre 2015

Alarobia 18 Novambra 2015 - Mar 6 : 14 - 20

13Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Mandehana mankany an-tanàna, fa hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo, dia iny arahina; 14ary ilazao ny tompon'izay trano hidirany hoe: «Izao no tenin'ny Mpampianatra: aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin'ny mpianatro?» 15Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sy ary fomba sady voavoatra tsara; ka ao ny sakafontsika no omàny.

16Dia nandeha izy roa lahy ka tonga tany an-tanàna, ary nahita ny toe-javatra araka izay voalazan'i Jesoa taminy sy nanomana ny sakafo Paska.

17Nony hariva ny andro, dia tonga i Jesoa mbamin'ny 12 lahy. 18Dia nipetraka hihinana izy rehetra, ka iny teo am-pisakafoana iny dia hoy i Jesoa:
–Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo; dia ilay miara-mihinana amiko.
19Nalahelo ny mpianatra ka nanomboka niteny tsirairay tamin'i Jesoa hoe:
–Tsy izaho manko izany!
20Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ny anankiray aminareo 12 lahy, ilay miara-manatsoboka mofo amiko ao anaty lovia, no izy!

mardi 17 novembre 2015

Talata 17 Novambra 2015 - Apo 22 : 10 - 13

10Dia hoy koa ny anjely tamiko:
–Aza afenina ny teny faminaniana raketin'ity boky ity, satria antomotra ny fotoanandro hahatanterahan'ireo zavatra ireo. 11Izay manao ny tsy rariny, aoka mbola hanao ny tsy rariny hatrany; ary izay ratsy toetra, aoka hiharatsy toetra hatrany. Izay tia rariny, aoka hanao ny rariny hatrany; ary izay masina*, aoka hihamasina hatrany!

12«Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa; ary miaraka amiko ny valin'asa, mba hamaliako ny olona rehetra araka izay nataony avy. 13Izaho no Alfa sy Ômega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

lundi 16 novembre 2015

Alatsinainy 16 Novambra 2015 - III Jao : 1 - 8

1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

2Mangataka amin'Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy. 3Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin'ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an'izany. 4Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

5Asan'olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin'ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. 6Ireo no nanambara teo anatrehan'ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin'ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an'Andriamanitra; 7fa ho voninahitr'i Kristy* no niaingan'ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin'ny tsy kristianina. 8Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

dimanche 15 novembre 2015

Alahady 15 Novambra 2015 - Gen 39 : 1 - 10

1Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan'ny Farao* sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita. 2Ary ny TOMPO nomba an'i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon'ilay Ejiptianina tompony izy; 3ary hitan'ity tompony fa nombàn'ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony. 4Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra. 5Nanomboka hatreo, noho ny amin'i Jôsefa, dia notahîn'ny TOMPO ny tao an-tranon'ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian'ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna. 6Noho izany dia navelany teo am-pelatanan'i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin'ny tenany ihany.

Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa. 7Taorian'ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin'i Jôsefa ny vadin'ny tompony, ka nanao taminy hoe:
–Avia handry amiko!

8Fa hoy ny navalin'i Jôsefa azy:
–Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano. 9Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin'Andriamanitra?

10Isan'andro isan'andro dia mbola nanangoly an'i Jôsefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.

samedi 14 novembre 2015

Sabotsy 14 Novambra 2015 - Sal 24 : 3 - 6

3–Iza àry no hiakatra ny tendrombohitry ny TOMPO?
Zovy no hahajoro ao amin'ny Toeramasiny*?
4–Izay madio tanana sy mahitsy fo,
izay tsy nirona tamin'ny lainga
na nianiana hoenti-mamitaka.
5Ireo no handray ny fitahian*'ny Tompo,
sy hoeken'Andriamanitra Mpamonjy ho marina.
6Izany no karazan'olona mitady an'Andriamanitra,
te hiatrika an'ilay Andriamanitr'i Jakôba!

vendredi 13 novembre 2015

Zoma 13 Novambra 2015 - Rom 13 : 6 - 7

6Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan'Andriamanitra mitozo amin'io asa io. 7Aloavy amin'ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin'izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina

jeudi 12 novembre 2015

Alakamisy 12 Novambra 2015 - Lio 24 : 45 - 49

45Tamin'izay dia nosokafan'i Jesoa ny sain'ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina,

46sady hoy Izy taminy:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia*, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty, amin'ny andro fahatelo; 47ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin'ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin'ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.

48Ianareo no vavolombelona hanambara izany! 49Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain'ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanàna mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony.

mercredi 11 novembre 2015

Alarobia 11 Novambra 2015 - Sal 18 : 20 - 27

21Soa no ataon'ny TOMPO amiko satria marina aho;
izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,
22fa voatandriko ny làlan'ny TOMPO
ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;
23ankatoaviko avokoa ny fitsipiny
ary tsy mba ialako ireo didiny.
24Koa tsy manan-tsiny aminy aho
fa nitandrin-tena tsy ho diso.
25Eny, soa tokoa no navalin'ny TOMPO ahy
satria marina aho sy hitany madio toetra.
26Tompo ô, mahatoky Ianao
amin'izay matoky Anao;
tsy manan-tsiny koa Ianao
amin'izay tsy manan-tsiny;
27Madio Ianao amin'izay madio,
miolakolaka kosa amin'izay mpiolikolika.

mardi 10 novembre 2015

Talata 10 Novambra 2015 - Efe 4 : 17 - 24

17Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin'ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan'ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin'ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin'ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin'ny fahalotoana isan-karazany.

20Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an'i Kristy*! 21Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin'i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin'ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filàndratsy. 23Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarîna araka an'Andriamanitra, ka asehon'ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

lundi 9 novembre 2015

Alatsinainy 09 Novambra 2015 - 2 Tim 1 : 11 - 14

11Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren'Andriamanitra ahy ho apôstôly* sy ho mpampianatra; 12ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin'ny andro fitsarana. 13Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 14Ny Fanahy Masina Izay mitoetra ao anatintsika no itahirizo ilay raki-tsoa nankinina taminao.

dimanche 8 novembre 2015

Alahady 08 Novambra 2015 - Mar 12 : 13 - 17

13Nisy iraka sasantsasany avy amin'ny Farisianina* sy ny Herôdianina* nankeo amin'i Jesoa hamandrika Azy amin'ny fanontaniana; 14ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe:
–Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan'olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?

15Fantatr'i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin'ireo, ka hoy Izy taminy:
–Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry* anankiray Aho hojereko.

16Dia nitondrany, ka hoy i Jesoa taminy:
–Sarin'iza io ary anaran'iza?

Dia novalian'ireo hoe:
–An'ny amperôra rômanina!

17Ka hoy i Jesoa taminy:
–Avereno amin'ny amperôra rômanina izay an'ny amperôra rômanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

Dia gaga tamin'i Jesoa ireto iraka.

samedi 7 novembre 2015

Sabotsy 07 Novambra 2015 - Dan 03 : 16 - 18

16Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe:

–Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin'ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanay.

vendredi 6 novembre 2015

Zoma 06 Novambra 2015 - Fil 2 : 12 - 18

12Koa amin'izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin'izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo; 13satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin'ny safidim-pony.
14Amin'izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana, 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak'Andriamanitra* tsy misy kilema eo afovoan'ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan'ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an'habakabaka ianareo, 16ka hanolotra azy ireo ny teny manome fiainana. Raha izany no ataonareo, dia hanan-kireharehana momba anareo aho amin'ny andro hiavian'i Kristy, satria hiharihary fa tsy foana tsy akory ny ezaka nataoko sy ny zavatra nisasarako.

17Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an'Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin'ny hafaliako; 18aoka hifaly amin'izany koa ianareo, ary hampiombona ahy amin'ny hafalianareo.

jeudi 5 novembre 2015

Alakamisy 05 Novambra 2015 - Lio 3 : 7 - 14

7Toy izao àry no tenin'i Jôhany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa*:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra? 8Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Jôhany hoe:
–Inona àry no tokony hataonay?

11Dia novaliany hoe:
–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12Mba nisy koa mpamory hetra* tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Jôhany hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?

13Dia novaliany hoe:
–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:
–Mba inona kosa no tokony hataonay?

Dia hoy izy taminy:
–Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.

mercredi 4 novembre 2015

Alarobia 04 Novambra 2015 - Jos 24 : 14 - 15

14Dia hoy ihany i Josoa hoe:

–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany ampitan'i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin'ny tany onenananareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

mardi 3 novembre 2015

Talata 03 Novambra 2015 - II Kor 7 : 11 - 16

11Jereo tokoa ny vokatr'izany alahelo araka an'Andriamanitra izany teo aminareo: He izato fahazotoana hanova ny toe-javatra! He izato ezaka hanala tsiny ny tenanareo! He izato fahatezerana noho ny zava-nitranga! He izato tahotra ny famaizan'Andriamanitra! He izato faniriana hihaona amiko indray! He izato zotompo hanaiky ahy! He izato finiavana hanafay ny ratsy! Izany rehetra izany no nampisehoanareo fa tsy misy tsininareo mihitsy amin'iny raharaha iny.

12Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nahavita ratsy na noho ilay nasian-dratsy; nanoratra taminareo aho mba hampiharihary aminareo fa eo anatrehan'Andriamanitra dia mazoto hanaiky ahy ianareo. 13Nampahery anay izany fihetsikareo izany.

Ankoatra ny fampaherezana azonay, dia vao mainka safononoka ny hafalianay tamin'ny nahitanay fa faly aoka izany i Tito satria namelombelona aina azy ianareo rehetra. 14Eny, nirehareha teo anatrehan'i Tito aho ny aminareo, ary dia tsy nandiso fanantenana ahy tokoa ianareo; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay teo anatrehan'i Tito ny aminareo. 15Vao mainka nitombo ny fankamamian'i Tito anareo, rehefa tsaroany fa vonon-kanoa ianareo rehetra, sady tamin-tahotra sy hovitra tokoa no nandraisanareo azy. 16Faly aho fa mahazo matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.

lundi 2 novembre 2015

Alatsinainy 02 Novambra 2015 - Jao 4 : 40 - 42

40Koa rehefa tonga teo amin'i Jesoa ny Samaritanina, dia niangavy Azy hitoetra tao aminy; ary dia nitoetra tao indroa andro i Jesoa. 41Vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony; 42ka hoy ireo tamin-dravehivavy:

–Tsy noho ny filàzanao ihany no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy an'izao tontolo izao*.

dimanche 1 novembre 2015

Alahady 01 Novambra 2015 - Lev 19 : 35 - 37

35«Aza manao izay tsy marina eo amin'ny lamina voarindra momba ny refy sy lanja ary fatra. 36Mizàna marina sy vatomizana marina ary famarana marina no tano. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo hiala tany Ejipta.

37«Imasoy hotanterahinareo ny lalànako amam-pitsipiko rehetra. Izaho no TOMPO.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12