jeudi 31 juillet 2014

Alakamisy 31 Jolay 2014 - Isa 49 : 1 - 6

1Mihainoa ahy ianareo,
ry mponina any amin'ny nosy any;
ary atongilano ny sofinareo,
ry firenena any lavitra.
Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka;
vao teraka aho, dia nantsoiny tamin'ny anarako.
2Nataony toy ny sabatra maranitra ny teniko,
sady arovany ao ambany aloky ny tanany aho;
nataony toy ny zana-tsipîka voarangitra tsara aho
ka voaafiny tao amin'ny tranon-jana-tsipîkany.
3Hoy Izy tamiko: «Ianao no mpanompoko,
ilay Israely entiko maneho ny voninahitro.»
4Fa izaho kosa manao anakampo hoe:
Very maina ny nisasarako;
zava-poana sy tsinontsinona
no nandaniako ny heriko.
Kanefa ny rariny ananako dia ao amin'ny TOMPO;
ary Izy Andriamanitro no valisoako.
5Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO,
Izay namorona ahy hatrany am-bohòka
mba hahatonga ahy ho mpanompony
ka hampodiako aminy ny taranak'i Jakôba
sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany;
fa mahazo voninahitra eo imason'ny TOMPO aho,
ary Izy Andriamanitro no heriko.
6Dia nitenenany aho ka nataony hoe:
«Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao
mba hampitraka ireo foko taranak'i Jakôba
sy hampody ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely.
Fa omeko ho fanazavana ho an'ny firenen-kafa koa ianao
mba hitaran'ny famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.»

mercredi 30 juillet 2014

Alarobia 30 Jolay 2014 - Eks 12 : 37 - 39

 37Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra. 38Nisy koa olona maro hafa fiaviana niara-nandeha tamin'izy ireo. Ombàn'ny ondry aman'osy sy omby amin'andiany be dia be. 39Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin'ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

mardi 29 juillet 2014

Talata 29 Jolay 2014 - Lio 3 : 1 - 6

1Tamin'ny taona faha-15 nanjakan'ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato* no nifehy an'i Jodea, i Herôda* no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna, 2ary i Hàna mbamin'i Kaiàfa no mpisorombe* – dia tonga tamin'i Jôhany zanakalahin'i Zakarià tany an-taniefitra ny tenin'Andriamanitra. 3Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron'ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe:

–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.

4Izany dia araka ny voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny boky mirakitra ny tenin'i Isaià mpaminany* hoe:
    «Injany misy feon'olona miantso mafy any an-taniefitra hoe:
    Amboary ny lalan'ny Tompo;
    ahitsio ny hizorany.
    5Ny lohasaha rehetra hototofana;
    ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry.
    Ny miolakolaka hahitsy
    ary ny mikitoantoana harenina:
    6dia ho hitan'ny olombelona rehetra ny famonjena avy
    amin'Andriamanitra!»

lundi 28 juillet 2014

Alatsinainy 28 Jolay 2014 - Apok 12 : 13 - 17

13Rehefa hitan'ilay dràgona fa voazera tamin'ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny. 14Fa nomena eladroan'ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin'ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany, ka ho voaaro amin'ny famelezan'ilay bibilava. 15Ny vavan'ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy. 16Kanjo novonjen'ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan'ny vavan'ilay dràgona. 17Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dràgona ka lasa nandeha tamin'ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina ilay dràgona.

dimanche 27 juillet 2014

Alahady 27 Jolay 2014 - Asa 13 : 44 - 48

 44Ary tamin'ny sabata herin'io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan'i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:

–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin'ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian'ny Tompo anay:
    «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
    mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran'ny tany!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin'ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

samedi 26 juillet 2014

Sabotsy 26 Jolay 2014 - Sal 80 : 1 - 7

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.
* Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo fahatsiarovana nataon'i Asafa.

2Ry Mpiandry* an'i Israely ô, mba mihainoa anay,
Ianao Izay mitarika ny taranak'i Jôsefa toy ny andian'ondry;

Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima*, mba misehoa.

3Eo anatrehan'i Efraîma sy i Benjamîna ary i Manase,

fohazy ny herinao ka tongava hamonjy anay.
4Ry Andriamanitr'izao rehetra izao ô,
mba avereno ho firenena matanjaka izahay;
aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao,
dia ho voavonjy izahay!

5Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao ô,
mandra-pahoviana no hotezeranao izahay
ho setrin'ny vavakay vahoakanao?
6Alahelo no zary sakafo afahanao anay,
ranomaso mandriaka no ampisotroinao anay.
7Ataonao ho fanarabin'ireo firenen-kafa
izay mpifanila aminay izahay
sy ho fihomehezan'ny fahavalonay.

vendredi 25 juillet 2014

Zoma 25 Jolay 2014 - Tit 2 : 11 - 15

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika. 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara. 15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

jeudi 24 juillet 2014

Alakamisy 24 Jolay 2014 - Apok 5 : 6 - 10

6Dia hitako nisy Zanakondry nijoro teo anelanelan'ilay sezafiandrianana mbamin'ny zava-miaina efatra ankilany sy ireo loholona an-daniny. Tahaka ny efa voavono ho faty io Zanakondry io, ary nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin'Andriamanitra, Izay efa nirahina hankany amin'ny tany tontolo. 7Dia nandroso ilay Zanakondry ka nandray ny horonamboky teny an-tanana ankavanan'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana. 8Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan'ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon'ny vavaka ataon'ny vahoakan'Andriamanitra*. 9Ary nandredona hira vaovao ho an'ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe:
    «Ianao no mendrika handray ny horonamboky
   sy hamaha ny tombokaseny.
   Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao
   no nanavotanao olona ho an'Andriamanitra,
   dia olona avy tamin'ny foko amam-piteny samy hafa
   sy avy tamin'ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.
   10Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo
   mba hanompo an'Andriamanitsika
   sy hanjaka etỳ ambonin'ny tany.»
11Dia nahita aho sady nandre ny anjely maro, miisa arivoarivo sy alinalina. Nanodidina ilay sezafiandrianana sy ny zava-miaina ary ny loholona ireo,

mercredi 23 juillet 2014

Alarobia 23 Jolay 2014 - Heb 5 : 1 - 10

1Fa ny mpisorombe rehetra dia alaina amin'ny olona, ka tendrena ho solotenan'ny olona eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Natao hanolotra fanatitra izy ary koa natao hanolotra sorona ho fanalana ny fahotana. 2Mahay mitondra mora ireo tsy mahalala sy maniasia izy, satria na ny tenany aza dia mba hodidinin'ny fahalemena koa. 3Noho izany fahalemen'ny tenany izany, dia tsy maintsy manolotra sorona fanalana ny fahotana izy ho an'ny tenany koa, toy ny ataony ho an'ny vahoaka. 4Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay voaantson'Andriamanitra tahaka an'i Aharôna*. 5Dia toy izany koa i Kristy*: tsy Izy no nanome voninahitra ny tenany ho tonga Mpisorombe, fa ilay Andriamanitra nilaza taminy hoe:

    «Zanako* Ianao,
   Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
   6Izany koa dia araka ny teny hafa nataon'Andriamanitra hoe:
   «Ianao no Mpisorona mandrakizay,
   araka ny fomban'i Melkitsedeka!»

7I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan'ny fahafatesana; ary dia nohenoin'Andriamanitra izy, ka afaka tamin'ny tahotra ny ho faty. 8Na dia Zanak'Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin'ny fijaliana niaretany. 9Nony efa tonga amin'izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manoa Azy, 10ary dia nambaran'Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban'i Melkitsedeka.

mardi 22 juillet 2014

Talata 22 Jolay 2014 - Sal 98 : 1 - 3

1 Salamo nataon'i Davida

Mihirà hira vao ho an'ny TOMPO
fa nahavita zava-mahagaga Izy!
Ny hery sy ny fahefana ananany
no nampiasainy hahazoam-pandresena.
2Dia nampahafantarin'ny TOMPO
izany fandresena izany;
teo anatrehan'ireo firenena
no nanehoany fa mpanafaka Izy:
3Tsy nohadinoin'ny Tompo, ry terak'i Israely,
ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika;
ka dia hitan'ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany
fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.

lundi 21 juillet 2014

Alatsinainy 21 Jolay 2014 - Rom 3 : 27 - 31

27Koa misy antony hireharehan'ny olona ve? Efa nofoanana izany. Satria nahoana? Noho ny olona manatanteraka ny lalàna ve? Tsia, fa noho ny olona manam-pinoana. 28Miaiky manko isika fa ny olona manam-pinoana no eken'Andriamanitra ho marina, fa tsy izay manatanteraka ny lalàna. 29Sa Andriamanitry ny Jiosy ihany ve Andriamanitra? Moa tsy Andriamanitry ny hafa firenena* koa ve? Eny, Andriamanitry ny hafa firenena koa Izy, 30satria tokana ihany Andriamanitra; ka ny Jiosy dia ekeny ho marina noho izy ireo mino; ary ny hafa firenena dia ekeny ho marina noho izy ireo mino ihany koa. 31Moa ve manafoana ny lalàna amin'ny alalan'ny finoana isika amin'izany? Sanatria! Vao mainka koa aza manamafy orina ny lalàna!

dimanche 20 juillet 2014

Alahady 20 Jolay 2014 - Jao 12 : 44 : 50

44I Jesoa kosa niantso mafy hoe:

–Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy; 45ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy. 46Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin'ny haizina izay rehetra mino Ahy. 47Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao*. 48Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin'ny andro farany; 49satria tsy avy amin'ny tenako no nanaovako fanambaràna, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako. 50Fantatro fa ny didin'ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

samedi 19 juillet 2014

Sabotsy 19 Jolay 2014 - Rom 4 : 1 - 12

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina*? «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina. 6Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

                          7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotanasy nofoanany heloka.
                             8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka!»

9Ho an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.» 10Ary ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora; 11fa ny famorana* dia famantarana noraisin'i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken'Andriamanitra ho marina; 12sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

vendredi 18 juillet 2014

Zoma 18 Jolay 2014 - Asa 13 : 44 - 52

 44Ary tamin'ny sabata herin'io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan'i Paoly no nanevateva azy.

46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:
–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin'ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian'ny Tompo anay:

                  «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
                    mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran'ny tany!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin'ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino. 49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin'ny Tompo. 50Nomen'ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an'Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an'i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin'ny faritany. 51Nahintsan'i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin'ny tongony ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma. 52Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra* tao Antiôkia.

jeudi 17 juillet 2014

Alakamisy 17 Jolay 2014 - Mik 4 : 1 - 7

1«Izao no ho tonga any aoriana any:
Ny tendrombohitra misy ilay tempoli*n'ny TOMPO
dia haorina mafy ho faratampon'ny tendrombohitra,
sy hanerinerina ambonin'ny havoana;
ka vahoaka no hitanjozotra ho any.
2Maro ny firenena hankany ka hilaza hoe:
Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO,
any an-tempolin'ilay Andriamanitr'i Jakôba.
Hampianariny antsika ny lalana soritany,
ka harahintsika izay atorony.
Fa avy any Tsiôna* no ivoahan'ny fampianaran'ny TOMPO;
avy any Jerosalema no ipoiran'ny teniny.
3Hitsara eo anivon'ny firenena maro Izy
ary handresy lahatra ny firenena matanjaka,
na ny akaiky na ny lavitra.
Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny
ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Tsy hifamely amin'ny sabatra ny asany firenena,
ary tsy hianatra ady intsony.
4Ny olona samy hipetraka eo anivon'ny voalobony
sy aviaviny
ka tsy hisy hampahatahotra azy.»
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao,
no mampanantena izany.
5Ny firenen-kafa rehetra
samy mankato ny andriamaniny avy;
fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika,
mandrakizay doria.

6Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Amin'izany andro izany
dia hangoniko indray ny saozanina,
hovorîko indray izay niely sy nampahorîko.
7Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery,
ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka.
Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy
ao an-tendrombohitra Tsiôna*,
hatrizao ka ho mandrakizay.

mercredi 16 juillet 2014

Alarobia 16 Jolay 2014 - Gal 3 : 23 - 29

23Talohan'ny hahatongavan'izany finoana izany, dia voagadra sy voageja eo ambany fahefan'ny lalàna izahay Jiosy mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara atỳ aoriana. 24Koa ny lalàna dia nanjary mpitaiza anay mba hiandrandranay an'i Kristy, ka hahatonga anay ho marina eo imason'Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin'ny mpitaiza intsony izahay. 26Noho ny finoana manko dia zanak'Andriamanitra* avokoa ianareo, satria tafaray amin'i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa* mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan'i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena*, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa. 29Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.

mardi 15 juillet 2014

Talata 15 Jolay 2014 - Lio 19 : 1 - 10

1Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna. 2Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra* no mpanankarena. 3Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany.

5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona*!

lundi 14 juillet 2014

Alatsinainy 14 Jolay 2014 - Apo 14 : 1 - 3

1Dia indro hitako nijoro teo an-tendrombohitra Tsiôna* ny Zanakondry; ary nisy olona 144 000 nomba Azy, samy manana ny anaran'ny Zanakondry sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny. 2Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, dia feo mireondreona tahaka ny akon'ny rian-drano sy ny kotro-baratra mafy. Ny feo izay reko dia tahaka ny mozikan'ireo mpitendry lokanga mitendry ny lokangany. 3Ireo olona 144 000 ireo dia niventy toa hira vaovao teo anoloan'ny sezafiandrianana sy teo anatrehan'ireo zava-miaina efatra ary teo anatrehan'ireo loholona*; ka tsy nisy nahay nianatra izany hira izany, afa-tsy ireo olona 144 000 izay efa navotana niala tamin'ny tany.

dimanche 13 juillet 2014

Alahady 13 Jolay 2014 - Tit 2 : 6 - 15

6Anaro toy izany koa ny lehilahy tanora mba hahafehy tena. 7Amin'ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin'ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina: 8teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika. 9Anaro koa ny mpanompo mba hanaiky ny tompony, ka hanao izay sitraky ny tompony amin'ny zavatra rehetra: tsy hamalivaly azy, 10tsy hangalatra ny zavany, fa haneho toetra mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianarana momba ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika. 11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika. 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara. 15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

samedi 12 juillet 2014

Sabotsy 12 Jolay 2014 - Isa 45 : 22 - 25

22Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo,
ry olona amin'ny vazan-tany rehetra;
satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.
23Nianiana tamin'ny tenako Aho,
sady marina izay teny aloaky ny vavako
ka tsy misy ivadihako:
Izaho no handohalihan'ny olona rehetra
ary hianianan'ny fiteny rehetra hoe:
24Ao amin'ny TOMPO irery
no hahitana hery sy fahamarinana!»
Izay rehetra nifanohitra tamiko
dia hankany amiko sady ho menatra.
25Fa ny taranak'i Israely rehetra kosa
dia Izaho TOMPO no hahazoany rariny
sy hataony fireharehana.

vendredi 11 juillet 2014

Zoma 11 Jolay 2014 - Heb 4 : 14 - 16

14Aoka àry hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak'Andriamanitra*. 15Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota. 16Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan'Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian'Andriamanitra antsika amin'ny fotoana ilantsika izany.

jeudi 10 juillet 2014

Alakamisy 10 Jolay 2014 - Gal 3 : 6 - 9

6Izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!» 7Koa fantaro fa izay velona noho ny finoana no tena zanak'i Abrahama. 8Tsinjon'ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan'Andriamanitra ny hafa firenena* ho marina; noho izany, dia nambaran'ny Soratra Masina mialoha tamin'i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn'Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!» 9Nino i Abrahama ary nomban'Andriamanitra fitahiana; ary izay velona noho ny finoana dia hombàn'Andriamanitra fitahiana tahaka azy koa.

mercredi 9 juillet 2014

Alarobia 09 Jolay 2014 - Isa 46 : 8 - 13

8Ry mpikomy, izao no tsarovy
ka ento manovo hery indray
ary diniho tsara ao am-ponareo.
9Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo:
Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa.
Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoa
na inona na inona ampitahaina amiko.
10Efa hatrany am-piandohana no nilazako
ny zavatra hitranga atỳ aoriana;
ary efa hatry ny ela be no nilazako
ny zavatra tsy mbola niseho.
Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko,
dia ho tanteraka hatrany;
ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»
11Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana,
avy any an-tany lavitra any,
no niantsoako ilay lehilahy
izay hanatanteraka ny fikasàko.
Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko,
fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.
12Mihainoa Ahy ianareo, ry olona mafy fo
izay mihevi-tena ho lavitra ny fanafahana:
13Hampanatoniko ny fanafahako
fa tsy ho lavitra intsony.
Tsy hitaraiky intsony ny famonjena,
fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna*;
eny, zavatra mamirapiratra
no homeko an'i Israely.

mardi 8 juillet 2014

Talata 08 Jolay 2014 - Mar 2 : 13 - 17

13Dia nankany amoron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianariny. 14Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an'i Levỳ zanakalahin'i Halfeo nipetraka teo amin'ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy:
–Avia hiaraka amiko!

Dia nitsangana i Levỳ ka nandeha niaraka taminy. 15Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Levỳ i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra* sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany*; fa maro ireo karazan'olona ireo no fatra-panaraka Azy. 16Rehefa nahita an'i Jesoa niara-nisakafo tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalàna* anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina*, dia nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe:
–Dia miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io?

17Henon'i Jesoa izany ka hoy Izy tamin'ny mpahay lalàna:
–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary! Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota!

lundi 7 juillet 2014

Alatsinainy 07 Jolay 2014 - Mar 3 : 7 - 12

7Dia lasa i Jesoa nihataka teny amoron'ny farihin'i Galilea niaraka tamin'ny mpianany*. Vahoaka maro no nanaraka Azy avy ao Galilea; toy izany koa ny avy any Jodea 8sy avy any Jerosalema, avy any Idomea sy andafin'ny ony Jôrdàna, ary avy amin'ny faritra manodidina an'i Tiro sy i Sidôna. Samy nandre izay nataon'i Jesoa izy rehetra ka nanatona Azy.

9Ary dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan'ny vahoaka.

10Fa maro tokoa ny olona nositraniny, ka nifanesika mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina.
11Ary ireo fanahy maloto*, isaky ny mahita an'i Jesoa, dia niankohoka teo anatrehany sady niantsoantso hoe:
–Ianao no ilay Zanak'Andriamanitra*!

12Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe:
–Aza manao izay hahafantarana Ahy!

dimanche 6 juillet 2014

Alahady 06 Jolay 2014 - Gen 12 : 1 - 5

1Hoy ny TOMPO tamin'i Abrama:
–Mialà amin'ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin'ny tany izay hasehoko anao. 2Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana* ho an'ny hafa ianao. 3Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin'ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.

4Dia nandeha araka izay nolazain'ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna. 5Nalain'i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin'ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin'ny tany Kanahàna.

samedi 5 juillet 2014

Sabotsy 05 Jolay 2014 - Deo 20 : 1 - 5

1Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo. 2Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin'ny mpisorona ka hilazany hoe: 3«Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany. 4Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.» 5Avy eo dia hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.

vendredi 4 juillet 2014

Zoma 04 Jolay 2014 - Lio 6 : 6 - 11

6Indray sabata* hafa koa, dia niditra tao amin'ny sinagôga* i Jesoa ka nampianatra. Nisy lehilahy maty tanana ankavanana tao; 7ary nizaha taratra an'i Jesoa ireo mpahay lalàna* sy Farisianina* raha hanasitrana amin'ny andro sabata Izy mba hahitany antony hiampangana Azy.
8Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreriny, ka hoy Izy tamin-dralehilahy maty tanana:
–Mitsangàna ka ndeha mijoro etsy afovoan'ny olona.

Dia nitsangana ilay marary ka nijoro. 9Ary niteny tamin'ny mpahay lalàna sy ny Farisianina i Jesoa hoe:
–Manontany anareo Aho: inona moa no azo atao amin'ny andro sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy? ny mamonjy ain'olona sa ny manala ain'olona?

10Dia nanopy maso manodidina nijery azy rehetra i Jesoa ka niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Atsory ny tananao.

Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana. 11Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalàna sy Farisianina ka niara-nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.

jeudi 3 juillet 2014

Alakamisy 03 Jolay 2014 - II Tan 6 : 32 - 33

32«Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan'ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin'ity tempoly ity izy, 33dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny aminao. Izany no hahalalan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany Anao sy hanajany ny Anao tahaka ny ataon'ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity tempoly naoriko ity.

mercredi 2 juillet 2014

Alarobia 02 Jolay 2014 - Sal 124 : 1 - 8

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida.
Raha tsy ny TOMPO no nomba antsika...

–Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:

2«Raha tsy ny TOMPO no momba antsika
tamin'ny namelezan'ny olona antsika,
3dia ho nateliny velona tokoa isika
satria nirehitra loatra ny havinirany;
4eny, ho toy ny rano nandifotra antsika ireo,
ho toy ny riaka nanafotra antsika,
5ho toy ny rano misamboaravoara
nanafotra antsika.»


6Hisaorana anie ny TOMPO tsy nahafoy antsika
horotidrotehin'ny vangin'ireo!
7Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato, ka afaka isika!
8Ny famonjena antsika dia ny anaran'ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.

mardi 1 juillet 2014

Talata 01 Jolay 2014 - II Kor 2 : 12 - 17

12Nony tonga tany Trôasy hitory ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Kristy* aho, dia hitako fa efa novohàn'ny Tompo varavarana sahady aho hiasa tao. 13Kanefa tsy nilamin-tsaina aho satria tsy nahita an'i Tito rahalahiko. Koa nanao veloma ny olona tao Trôasy aho, dia niainga nankany Masedônia.

14Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin'ny fandresen'i Kristy. Ampiasain'Andriamanitra izahay hampiely amin'ny toerana rehetra ny fahalalana an'i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza. 15Fa tahaka ny zava-manitra ataon'i Kristy fanatitra ho an'Andriamanitra izahay, na amin'ny voavonjy na amin'ny very: 16fofona mahafaty tokoa izany ho an'ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an'ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin'izany asa izany? 17Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin'Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin'Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny maha mpanompon'i Kristy anay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12