mardi 26 octobre 2021

Talata 26 Oktobra 2021 - Sal 118 : 19 - 29

 19Vohay ny vavahady fidiran’ny olo-marina

mba hidirako hidera ny TOMPO.

20Ity no vavahady mankao amin’ny TOMPO;

ny olo-marina no aoka hiditra eo!

21Hidera Anao aho, Tompo ô, fa novalianao

ary Ianao no nahazoako fandresena.

22Ny vato nolavin’ny mpanao trano

no efa tonga vatofehizoro.

23Avy amin’ny TOMPO izany

ka mahagaga eo imasontsika.

24Ity no andro nataon’ny TOMPO

mba hifaliantsika sy hiravoantsika.

25Miangavy re, TOMPO ô, omeo fandresena izahay;

miangavy re, TOMPO ô, omeo fanambinana izahay.

26 Hotahîna amin’ny anaran’ny TOMPO anie ilay avy.

Ianareo koa rarînay fitahiana

avy ato an-tranon’ny TOMPO.

27Ny TOMPO no Andriamanitra,

ka hanazava antsika anie Izy!

Milahara mitana sampan-drofia,

ka manatòna ny zoron’ny alitara.

28Andriamanitro Ianao ka hoderaiko,

eny, Andriamanitro ka hasandratro.

29Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:

–Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

lundi 25 octobre 2021

Alatsinainy 25 Oktobra 2021 - I Kor 8 : 17 - 24

 17Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo. 18Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ny filazantsara any amin’ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy; 19ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay. 20Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao harena be angoninay izao; 21fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa. 22Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ny fahatokiany anareo.

23Raha ny amin’i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’i Kristy. 24Koa amin’izany asehoy aminy eo imason’ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.

dimanche 24 octobre 2021

Alahady 24 Oktobra 2021 - Eks 24 : 1 - 11

 1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany. 2Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra etỳ an-tendrombohitra miaraka aminareo.

3Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe:

–Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.

4Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely. 5Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana. 6Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara. 7Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe:

–Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

8Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe:

–Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

9Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely. 10Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra. 11Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.

samedi 23 octobre 2021

Sabotsy 23 Oktobra 2021 - Lio 14 : 28 - 35

 28Raha misy aminareo te hanorina tilikambo, dia hipetraka izy aloha hitetika tsara izay ho lany, hahitany raha misy vola hanefana izany. 29Sao vita manko ny fototra vao tsy afa-manohy, ka holatsain’ny mpitazana rehetra 30hoe: «Mba nanomboka nanorina rangahy io, nefa tsy nahatody!»

31Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin’ny fahavalony manana miaramila roa alina. 32Raha tsy azony atao manko, dieny mbola lavitra ilay fahavalo, dia handefasany iraka hanao raharaham-pihavanana.

33Ary nofaranan’i Jesoa hoe:

–Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!

34–Zavatra tsara ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no hanome hasina azy? 35Fa sady tsy mahasoa tany no tsy mahasoa zezika intsony ka dia ariam-potsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

vendredi 22 octobre 2021

Zoma 22 Oktobra 2021 - Isa 56 : 6 - 8

 6Ho an’ny hafa firenena miraiki-po amin’ny TOMPO

mba hanao fanompoam-pivavahana aminy

sady tia Azy ary tonga mpanompony

dia izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO aminy:

«Raha mitandrina ny sabata izy

ka tsy manimbazimba azy

sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,

7dia hoentiko eo an-tendrombohitro masina,

ka hampifalîko ao an-trano fivavahana amiko;

ny sorona isan-karazany hatolony

dia hankasitrahiko eo ambonin’ny alitarako;

satria ny tranoko hatao hoe:

‹Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.›

8Izaho Tompo ANDRIANANAHARY,

Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely,

dia mbola manao teny hentitra hoe:

‹Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa›. »

jeudi 21 octobre 2021

Alakamisy 21 Oktobra 2021 - Fil 2 : 1 - 14

 1Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin’i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin’ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo. 2Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin’ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina; 3aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena. 4Aza dia samy mihevitra ny soa ho an’ny tena ihany, fa ny ho an’ny namana koa. 5Aoka ho ao aminareo ilay toe-tsaina tao amin’i Kristy Jesoa:

6Nananany hatrizay hatrizay ny toetra amam-pomba

maha Andriamanitra

nefa tsy noheveriny hoe tsy maintsy hifikirana ilay

fitoviana amin’Andriamanitra.

7Fa niendahany an-tsitrapo ny fiamboniany;

ka naka ny toetra amam-pomba maha mpanompo Izy,

tonga nitovy tamin’ny olombelona

ary niseho sy hita ho olombelona.

8Nanetry tena Izy ka nanaiky

hatramin’ny fahafatesana,

dia ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.

9Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy

ho eo amin’ny toerana faratampony,

sy nanomezany Azy ilay anarana,

izay ambony noho ny anarana rehetra;

10ka ho fanajana ny anaran’i Jesoa

dia handohalika avokoa

izay rehetra any an-danitra na etỳ an-tany na any

ambanin’ny tany,

11ary hiaiky avokoa ny fiteny rehetra

fa «i Jesoa Kristy dia Tompo»,

ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

12Koa amin’izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin’izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo; 13satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.

14Amin’izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana,

mercredi 20 octobre 2021

Alarobia 20 Oktobra 2021 - Mat 22 : 1 - 14

 1Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:

2–Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. 3Nirahin’ity mpanjaka ireo mpiasany hiantso ny olona nasaina hankao amin’ny fanasambe, fa tsy nety ho avy ireo. 4Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.» 5Kanjo tsy nahoan’ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin’ny saha voleny, ary ny anankiray any amin’ny varotra karakarainy; 6ary ny sasany dia nisambotra ireo mpiasa ka nisetrasetra taminy sy namono azy. 7Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany. 8Ary hoy izy tamin’ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin’ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin’ny fanasambe.» 10Dia niely eran’ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin’ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

14Dia nofaranan’i Jesoa hoe:

–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

mardi 19 octobre 2021

Talata 19 Oktobra 2021 - Eks 34 : 18 - 20

 18«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.

19«Ahy ny voalohan-teraka rehetra, ary anatin’izany ny bibinareo; ka ny voalohan-teraky ny omby na ondry na osy dia tsy maintsy atolotra Ahy. 20Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo.

lundi 18 octobre 2021

Alatsinainy 18 Oktobra 2021 - I Tes 5 : 12 - 18

 12Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin’ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13Fankatoavana be dia be ombàm-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.

14Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin’ny olona rehetra. 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

16Mifalia mandrakariva; 17mivavaha lalandava; 18misaora an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak’Andriamanitra hataonareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.

dimanche 17 octobre 2021

Alahady 17 Oktobra 2021 - Apo 5 : 6 - 10

 6Dia hitako nisy Zanakondry nijoro teo anelanelan’ilay sezafiandrianana mbamin’ny zava-miaina efatra ankilany sy ireo loholona an-daniny. Tahaka ny efa voavono ho faty io Zanakondry io, ary nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra, Izay efa nirahina hankany amin’ny tany tontolo. 7Dia nandroso ilay Zanakondry ka nandray ny horonamboky teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana. 8Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan’ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra. 9Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe:

«Ianao no mendrika handray ny horonamboky

sy hamaha ny tombokaseny.

Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao

no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra,

dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa

sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.

10Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo

mba hanompo an’Andriamanitsika

sy hanjaka etỳ ambonin’ny tany.»

samedi 16 octobre 2021

Sabotsy 16 Oktobra 2021 - Lio 14 : 16 - 21

 16Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nanao fanasambe ity olona anankiray ka maro no nasainy. 17Nony fotoana fisakafoana, dia nirahiny ny mpiasany hilaza amin’ireo nasaina hoe: «Tongava, tompoko, fa efa vonona ny sakafo.» 18Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin’ilay mpiasa: «Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 19Hoy kosa ny faharoa: «Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 20Ary hoy indray ny fahatelo: «Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.» 21Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin’ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin’ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin’ireo kianja sy araben’ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin’ny jamba sy ny mandringa.» 

vendredi 15 octobre 2021

Zoma 15 Oktobra 2021 - II Tan 30 : 13 - 20

 13Tamin’ny volana faharoa dia nisy vahoaka marobe tafavory tao Jerosalema mba hankalaza ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora. Fiangonana goavana tokoa izany. 14Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna. 15Nony andro faha-14 tamin’ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin’ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an-tranon’ny TOMPO. 16Samy naka toerana toy ny mahazatra izy, araka ny lalànan’i Mosesy olon’Andriamanitra; ary nararaky ny mpisorona teo ambony alitara ny ra izay natolotry ny levita azy. 17Nisy maro manko tamin’ny vahoaka tafangona no tsy mbola nidio tena; dia ny levita no nampamonoina ny biby fanolotra amin’ny Paska ka nisolo izay rehetra tsy madio mba hampisy hasina ny sorony amin’ny TOMPO. 18Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà 19izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady Anao TOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takîn’izao zava-masina izao aza izy.» 20Ary nohenoin’ny TOMPO i Hezekià ka navelany heloka ny vahoaka.

jeudi 14 octobre 2021

Alakamisy 14 Oktobra 2021 - Gal 6 : 11 - 18

 11Jereo amin’ny havaventin’ny soratra fa tanako mihitsy no anoratako ho anareo izao. 12Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian’i Kristy. 13Fa na dia ny tenan’izy voafora aza tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany hoforana ianareo, mba hireharehany amin’ny fampiharana izany amin’ny vatanareo. 14Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin’ny alalan’ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin’izao tontolo izao. 15Tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora manko no tena zavatra, fa ny maha olom-baovao. 16Ary fiadanana sy famindrampo avy amin’Andriamanitra no ao amin’izay rehetra hanaraka io fitsipika io, izany hoe ao amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra.

17Amin’ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin’ny tenako noho ny maha mpanompon’i Jesoa ahy.

18Homba anareo anie, ry havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.

mercredi 13 octobre 2021

Alarobia 13 Oktobra 2021 - Asa 2 : 41 - 47

 41Koa izay nandray tsara ny tenin’i Petera dia natao batisa; ary olona tokony ho telo arivo no nanatevin-daharana ny mpino tamin’izany andro izany.

42Nazoto izy ireo nihaino ny fampianaran’ny apôstôly sy niombom-piainana toy ny mpiray tampo ary niara-nanao ny fiaraha-misakafo sy namonjy ny fivavahana. 43Dia raiki-tahotra avokoa ny olona noho ny zava-mahagaga sy famantarana maro vitan’ny apôstôly. 44Niray toerana ny mpino rehetra ary niombom-pananana; 45namidiny ny taniny sy ny fananany ka ny vola azo dia nifampizaràny araka izay nilain’ny tsirairay. 46Nazoto nihaona isan’andro izy rehetra: nivory tao an-kianjan’ny tempoly, niara-nisakafo tany an-tranony avy, nihinan-kanina tamin-karavoana sy fahatsoram-po, 47ary nidera an’Andriamanitra, hany ka mamy hoditra tamin’ny vahoaka rehetra. Ary ny olona izay notarihin’ny Tompo ho amin’ny famonjena dia nataony nanatevin-daharana an-dry zareo isan’andro vaky.

mardi 12 octobre 2021

Talata 12 Oktobra 2021 - Isa 55 : 1 - 3

 1He! Ianareo rehetra izay mangetaheta,

mankanesa amin’ny rano omeko!

Na dia tsy manam-bola aza ianareo,

avia maka sakafo, dia mihinàna

fa tsy ialam-bola izany55.1 Ampit Apôk 21.6; 22.17.;

avia maka divay na ronono,

fa tsy vidina izany.

2Nahoana ianareo no mandany vola

amin’izay sakafo tsy tena mahavoky?

Nahoana ianareo no misahirana

amin’ny zavatra tsy mahafa-po?

Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo

ary ho finaritra amin’ny sakafo mafilotra.

3Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina;

henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo55.3 Teksta voatsiahy ao amin’ny Asa 13.34 araka ny dkt tranainy grika..

Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo

ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:

lundi 11 octobre 2021

Alatsinainy 11 Oktobra 2021 - Sal 117 : 1 - 2

 1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra;

Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity..

2Fa lehibe tokoa ny fitiavany antsika

ary mandrakizay ny fahamarinany.

Haleloià!

dimanche 10 octobre 2021

Alahady 10 Oktobra 2021 - Mat 26 : 26 - 29

 26Raha mbola teo am-pisakafoana ry i Jesoa sy ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe:

–Raiso ary hano fa ny tenako ity.

27Avy eo nandray kalisy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia nomeny ny mpianany ka nataony hoe:

–Isotroinareo rehetra 28fa ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany26.28 Ampit Eks 24.8; Jer 31.31-34. sady alatsaka ho an’ny besinimaro ho famelan-keloka. 29Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony aho mandra-pahatongan’ilay andro hisotroako ny divay vaovao miaraka aminareo any amin’ny Fanjakan’ny Raiko.

samedi 9 octobre 2021

Sabotsy 09 Oktobra 2021 - Jos 24 : 23 - 28

 23Dia nofaranan’i Josoa hoe:

–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo.
24Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.
25Tamin’izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin’ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika. 26Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin’ny TOMPO. 27Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra:
–Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!
28Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.

vendredi 8 octobre 2021

Zoma 08 Oktobra 2021 - I Kor 11 : 23 - 34

 23Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo; 24ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny ka nataony hoe: «Ny tenako ity, izay ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.» 25Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo11.25 Ampit Eks 24.6-8; Jer 31.31-34..» 26Koa mandra-piavin’ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.

27Noho izany na zovy na zovy mihinana ny mofo na misotro ny fisotro aroson’ny Tompo ka tsy amin-toe-panahy mendrika, dia ho meloka amin’ny tenan’ny Tompo sy ny rany. 28Aoka ny olona handini-tena vao mihinana amin’izany mofo izany sy misotro amin’izany kalisy izany; 29satria izay mihinana amin’izany mofo izany ary misotro amin’izany kalisy izany nefa sy mamantatra ny tenan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro hihantsiana ny sazin’Andriamanitra. 30Izany no mampisy ny marary sy farofy betsaka eo aminareo ary maro aza no maty. 31Fa raha mba mandini-tena isika, dia tsy hosazîn’Andriamanitra. 32Sazîn’ny Tompo sy faiziny kosa isika mba tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao.

33Noho izany, ry havako, rehefa miara-miangona handray ny Fanasan’ny Tompo ianareo, dia mba mifampiandrasa; 34raha misy noana, aoka izy hihinana any an-tokantranony mba tsy hihantsianareo ny sazin’Andriamanitra amin’ny fiarahanareo miangona. Ary ny zavatra sisa dia halamiko rehefa tonga aho.

jeudi 7 octobre 2021

Alakamisy 07 Oktobra 2021 - Hab 3 : 17 - 19

 17
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy

ary tsy manome voa ny voaloboka,
na dia tsy mahavanona aza ny ôliva
ary tsy mahavokatra hanina ny saha,
na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra
ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
18dia mbola ho faly sy ravo ihany aho
satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.
19Ny TOMPO Andriamanitra no heriko;
mampalady ahy toy ny dieravavy Izy
ka mampiriaria ahy eny an-kavoana.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin’ny valiha3.19 Teny fahita eo am-piandohan’ny Salamo sasany (jereo Sal 4; 6; 54; 67; 76)..

mercredi 6 octobre 2021

Alarobia 06 Oktobra 2021 - Lio 22 : 7 - 20

 7Tonga ny andro fihinanana ny azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska8Dia nirahin’i Jesoa ry i Petera sy i Jôhany nataony hoe:

–Ndeha manomana ny sakafo Paska ho antsika22.8 Jereo Eks 12.3-9..
9Fa hoy izy roa lahy taminy:
–Aiza no tianao hanomananay azy?
10Dia novalian’i Jesoa hoe:
–Raha vao tafiditra ny tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; ka iny arahina any amin’izay trano hidirany, 11ary lazao amin’ny tompon-trano hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra aminao: Aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin’ny mpianatro?» 12Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sady ary fomba; ka ao ny sakafo no omany.
13Lasa izy roa lahy ka nahita ny toe-javatra araka ny voalazan’i Jesoa taminy ary dia nanomana ny sakafo Paska.
14Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka nihinana i Jesoa mbamin’ny apôstôly15Ary hoy i Jesoa taminy:
–Niriko dia niriko tokoa hiara-mihinana ity sakafo Paska ity aminareo alohan’ny hijaliako. 16Lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony Aho mandra-pahatanteraka azy any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
17Dia nandray kalisy natolotra Azy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nataony hoe:
–Raiso ity ka ifampizarao. 18Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongavan’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
19Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe:
–Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.
20Ary noraisin’i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo sady nataony hoe:
–Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin’Andriamanitra amin’ny rako izay alatsaka ho anareo22.20 Ampit ny and 20 sy Eks 24.8; Jer 31.31-34..]

mardi 5 octobre 2021

Talata 05 Oktobra 2021 - I Pet 5 : 5 - 9

 5Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona

fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena5.5 Ohab 3.34, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

6Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro voatendriny5.6 Ampit Mt 3.12; Lk 14.11; 18.14.. 7Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo5.7 Ampit Sal 55.23..

8Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. 9Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’izao tontolo izao.

lundi 4 octobre 2021

Alatsinainy 04 Oktobra 2021 - Sal 116 : 12 - 19

 12Inona no havaliko ny TOMPO

noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13Hitondra fanatitra divay aho116.13 fanatitra divay: ho fisaorana an’Andriamanitra izany.

ka hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.

14Hanefa ny voadiko amin’ny TOMPO aho

eo anatrehan’ny vahoakany tafangona.

15Tsy sitraky ny TOMPO velively

ny hahafatesan’ny mpivavaka aminy.

16TOMPO ô, mpanomponao aho;

eny, mpanomponao tokoa aho

sady zanaky ny mpanompovavinao,

ka novahanao ny fatorako.

17Hanolotra sorom-piderana aho

ary hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.

18Hanefa ny voadiko amin’ny TOMPO aho

eo anatrehan’ny vahoakany tafangona,

19dia eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO,

eo afovoanao, ry Jerosalema.

Haleloià!

dimanche 3 octobre 2021

Alahady 03 Oktobra 2021 - Eks 12 : 21 - 29

 21Niantso ny loholon’i Israely rehetra i Mosesy ka nanao taminy hoe:

–Mandehana ianareo ka makà zanakondry na zanakosy ho an’ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska. 22Makà rantsana hisôpa iray fihina ka atsobohy ao amin’ny ran’ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan’ny andro. 23Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana12.23 Areti-mandringana fandravana: toa heverina ho iraka avy any an-danitra hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izany (ampit Gen 19.23; 2 Sam 24.16; Heb 11.28). hiditra ao an-tranonareo. 24Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany. 25Koa rehefa tafiditra ao amin’ny tany izay efa nampanantenain’ny TOMPO homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io. 26Ary raha manontany anareo ny anton’izany ny zanakareo, 27dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.»

Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO. 28Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.

Ny loza farany: fahafahatesan’ny lahimatoan’ny Ejiptianina rehetra

29Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra12.29 Jereo 4.22-23..

samedi 2 octobre 2021

Sabotsy 02 Oktobra 2021 - Kol 1 : 15 - 20

 15I Kristy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin’ny voaary rehetra1.15 Ampit Ohab 8.22-26; Jôh 1.1-3.. 16Tao aminy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana1.16 Ity andininy ity dia mitanisa antokon’anjely maromaro izay noheverin’ny Ntaolo fahizany fa nandray anjara tamin’ny fitondrana an’izao tontolo izao. Ampit Gal 4.3 sy nta.. Tamin’ny alalany sy ho Azy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra. 17Nisy talohan’ny zavatra rehetra Izy sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. 18I Kristy no lohan’ny Fiangonana izay tenany; Izy no fiandohan’ny fiainam-baovao, Zanaka lahimatoa, ilay voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, mba ho lohalaharana amin’ny zavatra rehetra. 19Fa tao aminy no sitrak’Andriamanitra hitoeran’ny hafenoana tanteraka1.19 hitoeran’ny hafenoana tanteraka: dkt hafa ho henika Azy tanteraka.; 20ary ny ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana1.20 ny ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana: ao amin’ny Baiboly, ny hoe ra dia tsy ra fe ra mikoriana ao amin’ny lalan-dra, fa ny aina mihitsy koa (jereo ohatra Gen 9.4-5). Ka ny hoe «ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana» dia manondro ny nanoloran’i Jesoa ny ainy, manondro ny fahafatesany sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Ampit Ef 2.16. no nanaovan’Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin’ny alalany no sitrak’Andriamanitra hampihavanana amin’Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.

vendredi 1 octobre 2021

Zoma 01 Oktobra 2021 - Jao 6 : 52 - 58

 52Tamin’izay ny Jiosy dia nifanditra hoe:

–Hataon’ilay io ahoana re no fanome antsika ny tenany hohanina?

53Ka hoy i Jesoa taminy:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo. 54Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin’ny andro farany. 55Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa! 56Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny. 57Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin’ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy. 58Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin’ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12