lundi 10 avril 2023

Alatsinainy 10 Aprily 2023 - Fil 3 : 1 - 11

 1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin’izay. 2Tandremo ny tenanareo amin’ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin’ireo manan-takaitra! 3Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona. 4Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin’ny fombafomban’olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin’ny fombafomban’olombelona, mainka fa izaho. 5Voafora fony teraka herinandro aho; taranak’i Israely; avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin’ny fitandroana ny lalàna jiosy, dia Farisianina aho; 6nafana fo tokoa aho tamin’ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin’ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho. 7Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin’i Kristy. 8Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy 9ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin’ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan’i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin’Andriamanitra ka miorina amin’ny finoana. 10Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany; 11koa manantena aho amin’izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.

dimanche 9 avril 2023

Alahady 09 Aprily 2023 - Lio 24 : 1 - 12

 1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazany ilay vatobe fa voakodia lavitry ny vavafasana; 3nefa nony niditra izy ireo, dia tsy nahita ny vatan’i Jesoa Tompo. 4Raha mbola very hevitra ny amin’izany teo ireto vehivavy, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana manelatrelatra niseho taminy. 5Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy:

–Nahoana no atỳ amin’ny toeran’ny maty no itadiavanareo ny velona? 6Tsy eto Izy, fa efa nitsangana velona. Tsarovy ny voalazany taminareo, fony Izy mbola tany Galilea, hoe: 7«Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.»

8Izay ireto vehivavy vao nahatsiaro ny tenin’i Jesoa, 9ka niverina avy tany amin’ny fasana ary nitantara izany rehetra izany tamin’ny 11 lahy sy ny namany rehetra: 10ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdalà sy i Jôhanina ary koa i Maria renin’i Jakôba; ireo vehivavy niaraka tamin’izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin’ny apôstôly. 11Saingy noheverin’ny apôstôly ho arirarira foana ny tenin’izy rehetra ka tsy ninoany. 12Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin’ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan’i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin’ny zava-nitranga.

samedi 8 avril 2023

Sabotsy 08 Aprily 2023 - Rom 5 : 6 - 11

 6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika. 9Koa, amin’izao isika efa tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra noho ny ra nafoin’i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin’ny alalan’i Kristy tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. 10Eny, fony fahavalon’Andriamanitra aza isika, dia nampihavanina taminy noho ny fahafatesan’ny Zanany; vao mainka izao isika efa nampihavanina tamin’Andriamanitra izao, dia tena hovonjena tokoa noho ny fahaveloman’ny Zanany. 11Tsy izany ihany, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra koa isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay nahazoantsika izao fihavanantsika amin’Andriamanitra izao.

vendredi 7 avril 2023

Zoma 07 Aprily 2023 - Apo 7 : 9 - 12

 9Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo, 10sady niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: «Ny famonjena dia an’ilay Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambony sezafiandrianana, ary koa an’ny Zanakondry!» 11Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana sady nitsaoka an’Andriamanitra 12nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»

jeudi 6 avril 2023

Alakamisy 06 Aprily 2023 - Lio 22 : 47 - 53

 47Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian’olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an’i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy. 48Fa hoy i Jesoa taminy:

–O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak’olona?

49Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin’i Jesoa, ka nanontany Azy hoe:

–Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin’ny sabatra izahay?

50Dia namely ny mpanompon’ny mpisorombe tokoa ny anankiray tamin’ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana. 51Fa niteny i Jesoa nanao hoe:

–Aoka izay!

Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy. 52Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly mbamin’ny loholona tonga teo hisambotra Azy:

–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay. 53Teo aminareo isan’andro Aho tao an-kianjan’ny tempoly kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan’ny maizina ny fahefàny.

lundi 27 mars 2023

Alatsinainy 27 Martsa 2023 - II Sam 12 : 7 - 15

 7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida:

–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin’ny famelezan’i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian’i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan’i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin’ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin’ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin’ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin’i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin’ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary12.11 Jereo 16.21-22.. 12Ary ianao nanao izany tao amin’ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason’i Israely manontolo.»

13Dia hoy i Davida tamin’i Natàna:

–Nanota tamin’ny TOMPO aho.

Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida:

–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon’ny TOMPO tamin’izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.

15Dia nody tany an-tranony i Natàna.

dimanche 26 mars 2023

Alahady 26 Martsa 2023 - Zef 2 : 1 - 3

 1Mandiniha ka mieritrereta,

ry vahoaka lany henatra,

2dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa2.2 dieny tsy mbola tonga: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe dieny tsy mbola mihatra ny fanamelohana.

izay miely indray andro monja,

dieny tsy mbola mahazo anareo

ny afom-pahatezeran’ny TOMPO,

ary dieny tsy mbola tonga aminareo

ny andro hirehetan’izany.

3Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra,

ry mpanetry tena eto amin’ny tany

sady mpanatanteraka ny fitsipiny.

Manaova ny marina,

manetre tena eo anatrehan’ny TOMPO.

Angamba ho voatsimbina ihany ianareo

amin’ny androm-pahatezerany.

samedi 25 mars 2023

Sabotsy 25 Martsa 2023 - Rom 13 : 1 - 10

 1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin’ny manampahefana. 4Satria mpanompon’Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon’Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran’Andriamanitra izy amin’ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon’ny fieritreretana koa.

6Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io. 7Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina13.7 And 6-7: ampit Mt 22.21; Mk 12.17; Lk 20.25..

8Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao13.9 Jereo Eks 20.13-17; Deot 5.17-21; Lev 19.18..» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

vendredi 24 mars 2023

Zoma 24 Martsa 2023 - Mat 9 : 9 - 13

 9Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

–Avia hiaraka amiko.

Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy. 10Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio9.10 Ny rijan-teny grika fototra dia milaza fotsiny hoe ny tranony; kanefa tokony ho ny tranon’i Matio fa tsy ny tranon’i Jesoa no ambara amin’izany. i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. 11Nahita izany ny Farisianina ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe:

–Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota9.11 Ampit ny and 10.11 sy Lk 15.1-2.?

12Fa hoy i Jesoa raha nandre izany:

–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 13Ndeha mba ianaro ny hevitr’ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny hamindranareo fo amin’ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona9.13 Hôs 6.6..» Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.

jeudi 23 mars 2023

Alakamisy 23 Martsa 2013 - II Mpa 24 : 1 - 6

 1Tamin’ny andro nanjakan’i Jôiakima no nidiran’i Nebôkadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny tanin’i Joda24.1 Jereo Jer 25; Dan 1.1-2., ka dia voatery nanoa azy telo taona i Jôiakima. Taorian’izany kosa izy dia nikomy taminy. 2Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany. 3Baikon’ny TOMPO mihitsy no nahatonga ireny loza ireny tamin’ny fanjakan’i Joda mba hanesorany azy tsy ho hitan’ny masony noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase mpanjaka, 4ary koa noho ireo olona maro tsy manan-tsiny izay novonoiny ho faty; nanenika faty an’i Jerosalema izy ka izany no tsy netezan’ny TOMPO hamela heloka24.4 Momba ny ratsy nataon’i Manase: jereo 21.10-16..

5Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôiakima ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. 6Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôiakima, dia i Jôiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

mercredi 22 mars 2023

Alarobia 22 Martsa 2023 - I Tim 1 : 12 - 22

 12Velom-pisaorana an’i Kristy Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko1.13 Jereo Asa 8.3; 9.4-5.. 14Naidin’ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. 15Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin’ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin’ireny. 16Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay. 17Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

18Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara, 19tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany; 20anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna1.20 natolotro an’i Satàna: ampit 1Kôr 5.5 sy nta. –Himeneo: jereo 2 Tim 2.17. –Aleksandra: jereo 2 Tim 4.14. mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony.

mardi 21 mars 2023

Talata 21 Martsa 2023 - Jer 33 : 1 - 9

 1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin’ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:

2«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. 4-5Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.

6«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana. 7Haveriko amin’ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny. 8Hodioviko ho afaka amin’ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko. 9Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»

lundi 20 mars 2023

Alatsinainy 20 Martsa 2023 - Mat 5 : 1 - 10

 1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,

fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!

4Sambatra izay mitomany,

fa izy no hampiononin’Andriamanitra!

5Sambatra izay malemy fanahy,

fa izy no handova ny tany

nampanantenain’Andriamanitra!

6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina

nosoritan’Andriamanitra,

fa izy no homen’Andriamanitra fahafaham-po!

7Sambatra izay mamindra fo,

fa izy no hamindran’Andriamanitra fo!

8Sambatra izay mahitsy fo,

fa izy no hahita an’Andriamanitra!

9Sambatra izay mpampihavana,

fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany!

10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina

nosoritan’Andriamanitra,

fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!

dimanche 19 mars 2023

Alahady 19 Martsa 2023 - Efe 4 : 17 - 24

 17Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin’ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan’ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin’ny fiainam-baovao omen’Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin’ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin’ny fahalotoana isan-karazany.

20Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an’i Kristy! 21Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin’i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin’ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filàndratsy. 23Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarîna araka an’Andriamanitra4.24 Ampit Gen 1.26-27., ka asehon’ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

samedi 18 mars 2023

Sabotsy 18 Martsa 2023 - Eks 21 : 12 - 37

 12«Izay mikapoka olona ka mahafaty azy dia tsy maintsy vonoina ho faty21.12 Jereo Lev 24.17.. 13Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin’ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany21.13 Momba ireo tanàna fialofana voatsiahy eto amin’ity and ity, jereo Nom 35.9-34; Deot 19.1-13; Jos 20.1-9.. 14Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza21.14 Matetika ny alitara sy ny toerana masina fahiny dia noheverina ho toy ny toerana fialofana ho an’ny olo-meloka samihafa (jereo 1 Mp 1.50-53; 2.28-34)..

15«Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.

16«Izay maka olona an-keriny dia tsy maintsy vonoina ho faty na efa namidiny ilay olona na mbola tratra ao an-tranony21.16 Jereo Deot 24.7..

17«Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty21.17 Jereo Lev 20.9; Mt 15.4; Mk 7.10..

18«Mety misy olona mifanditra ka ny anankiray mamely ny namany amin’ny vato na amin’ny totohondry, saingy tsy maty ilay voa fa mandamaka ao am-pandriana; 19raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.

20«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy. 21Kanefa raha mbola velona mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompony, dia tsy tokony hofaizina ny tompony satria fananany ihany izy.

22«Mety misy olona miady ka mahadona vehivavy bevohòka ary mahatonga azy ho teraka zaza tsy tonga volana; raha tsy misy fahavoazana loatra ilay vehivavy, dia haloan’ilay meloka ny onitra izay takîn’ny tompom-bady araka ny fanelanelanana nataon’ny mpitsara. 23Raha tàhiny kosa voa mafy ilay vehivavy, dia hofaizina ilay meloka: aina solon’ny aina, 24maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra, 25may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, mangana solon’ny mangana21.25 And 23-25: jereo Lev 24.19-20; Deot 19.21; Mt 5.38..

26«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka mahapotsitra ny masony, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony izy ho onitry ny masony. 27Raha nahafaka ny nifiny izy, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony ihany koa ho onitry ny nifiny.

28«Raha misy ombilahy manoto ka mahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty izy ary tsy azo hanina ny henany; fa ny tompon’ilay ombilahy kosa dia ho afa-tsiny. 29Kanefa, raha tàhiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony. 30Raha sazîna handoa vidin’aina izy, dia tsy maintsy handoa izay vola rehetra ho fanavotana ny ainy. 31Raha manoto ka mahafaty ankizilahy na ankizivavy ny ombilahy, dia mitovy amin’ny teo ihany no fepetra ampiharina. 32Raha manoto ka mahafaty mpanompolahy na mpanompovavy kosa ny ombilahy, dia handoa onitra volafotsy telopolo amin’ny tompon’ny mpanompo ilay tompon’omby, ary ny ombilahy kosa dia hotoraham-bato ho faty.

33«Raha misy olona manokatra lava-drano na mandavaka lava-drano nefa tsy mandrakotra azy, ka misy omby na boriky latsaka ao, 34dia tsy maintsy handoa vola onitra amin’ny tompom-biby ilay tompon’ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.

35«Raha misy ombilahin’olona mandratra mahafaty ny ombilahin’ny namany, dia hamidiny ny ombilahy velona ka hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy toy izany koa ilay maty. 36Nefa kosa, raha tàhiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.

37«Raha misy olona21.37 Ny 21.37–22.30 dia mitondra ny laharana 22.1-31 ao amin’ireo dkt sasany. mangalatra omby iray, na ondry iray na osy iray ka mamono azy na mivarotra azy, dia tsy maintsy hanome omby dimy na ondry efatra, na osy efatra ho onitra ho an’ny tompony izy.

vendredi 17 mars 2023

Zoma 17 Martsa 2023 - Rom 5 : 15 - 21

 15Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan’i Adama sy ny fanomezana atolotr’Andriamanitra maimaimpoana. Niharan’ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan’ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin’Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an’ny besinimaro tao tamin’ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy. 16Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan’i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr’Andriamanitra: ny hadisoan’ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr’Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka. 17Eny, tamin’ny alalan’ny olona anankiray ary noho ny hadisoan’io olona iray io no nanjakan’ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin’Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin’Andriamanitra sy ampanjakainy tamin’ny alalan’ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.

18Koa ny hadisoana vitan’olona iray, dia i Adama, no nahavoaheloka ny olona rehetra; toy izany koa ny asa marina vitan’olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nahatonga ny olona rehetra hovotsorana tanteraka sy hahazo fiainana. 19Noho ny olona anankiray tsy nanaiky an’Andriamanitra, dia nanjary mpanota ny besinimaro; toy izany koa, noho ny olona anankiray nanaiky an’Andriamanitra, dia hanjary olo-marina eo imason’Andriamanitra ny besinimaro.

20Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin’izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana. 21Koa tahaka ny nanjakan’ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan’ny fahasoavan’Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin’ny

jeudi 16 mars 2023

Alakamisy 16 Martsa 2023 - III Jao 1 - 8

 1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio1.1 Gaio: jereo Asa 19.29; Rm 16.23; 1Kôr 1.14., hava-malala izay tiako marina tokoa.

2Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy. 3Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany. 4Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

5Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. 6Ireo no nanambara teo anatrehan’ny Fiangonana1.6 Fiangonana: araka ny and 3, dia ny Fiangonana misy ny mpanoratra izany. izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin’ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an’Andriamanitra; 7fa ho voninahitr’i Kristy no niaingan’ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin’ny tsy kristianina. 8Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

mercredi 15 mars 2023

Alarobia 15 Martsa 2023 - Lio 12 : 41 - 48

 41Tamin’izay dia niteny i Petera nanao hoe:

–Izahay ihany ve no ilazanao izany fanoharana izany sa ny olona rehetra koa?

42Ka hoy ny Tompo hoe:

–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana? 43Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahatratra azy manao raharaha toy izany. 44Lazaiko marina aminareo fa hotendren’ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 45Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin’ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo, 46dia ho tonga ilay tompony amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany; hosazîny mafy tokoa io mpanompo io12.46 hosazîny mafy... mpanompo io: dkt hafa horoahiny tokoa io mpanompo io. ary hataony miombona anjara amin’ny tsy mpino.

47Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon’ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be. 48Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.

mardi 14 mars 2023

Talata 14 Martsa 2023 - Hos 2 : 10 - 22

 10Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy

vary sy divay ary menaka vao

sady nampanankarena azy

volafotsy sy volamena

izay nampiasainy ho an’i Bahala.

11Koa halaiko aminy indray

ny variko raha fararano,

ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana.

Hoesoriko aminy ny volon’ondriko

sy ny kiran-drongoniko

izay nanaronany ny fitanjahany.

12Ankehitriny no hampitanjahako azy

eo imason’ireo lehilahy sakaizany,

ka tsy hisy hahafaka azy

amin’izany famaizako izany.

13Hatsahatro ny fifaliany rehetra,

dia ireo fety fanaony isan-taona,

ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany

ary ireo fety hafa fankalàzany.

14Hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny

izay nataony hoe: «Izany no karama

nomen’ny lehilahy sakaizako ahy.»

Hovako ho kirihitr’ala ireny

ka hataon’ny bibidia sakafo.

15Hofaiziko izy noho ireo andro

nandoroany vovo-javamanitra mifangaro

ho an’ireo Bahala isan-karazany:

niravaka peratra sy firavaka izy,

ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany;

fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny,

hoy ny teny hentitra ambarako.

16Koa Izaho no hitaona azy indray

sy hitondra azy ho any an-taniefitra

ary hanao teny manohina ny fony.

17Avy any no hamerenako aminy

ny tanimboalobony;

ary ho tonga varavaram-panantenana

ny lohasahan’i Hakôra2.17 Hakôra (anarana miantso loza): jereo Jos 7.24 sy nta; 15.7..

Any no hamaliany Ahy an-kira

toy ny tamin’ny androm-pahatanorany,

dia tamin’ny andro niakarany

niala avy tany Ejipta.


18Rehefa mby amin’izany andro izany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

ilay Israely reninareo

dia hiantso Ahy hoe «vadiko»

fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.

19Tsy havelako hotononiny

ny anaran’ireo Bahala

ka tsy hotsaroana mbamin’ny anarany.

20Koa amin’izany andro izany,

dia hanao fanekempihavanana

ho an’ny vahoakako Aho,

dia amin’ny biby eny an-tsaha,

amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady;

hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony

ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady,

ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.

21Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, ry Israely;

hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny,

ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo.

22Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao

ka hiaiky Ahy ho TOMPO.

lundi 13 mars 2023

Alatsinainy 13 Martsa 2023 - I Tim 3 : 1 - 16

 1Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy. 2Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy3.2 tsy mampirafy (tokam-bady): dkt hafa indray mandeha monja no nanambady (tsy misolosolo vady; tsy manambady imbetsaka)., mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana; 3tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola; 4tokony hahay mitondra tsara ny ankohonany, hahataona ny zanany hanaiky azy amim-panajana tanteraka ( 5fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fikarakara ny Fiangonan’Andriamanitra?); 6tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly; 7tokony ho tsara laza amin’ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan’ny fandriky ny devoly3.7 And 2-7: ampit Tit 1.6-9..

8Toy izany koa ireo diakônina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena, 9mitana tsara ny tsiambaratelo nambara momba ny finoana ka mitana izany amin’ny fieritreretana mahitsy. 10Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina. 11Tokony ho maotina toy izany koa ny vehivavy, ka3.11 Tokony ho... ny vehivavy, ka: mety ho vadin’ny diakônina; mety ho vehivavy nantsoina hanana andraikitra toy ny an’ny diakônina ao amin’ny Fiangonana, ka amin’izay dia azo adika hoe Ny vehivavy manan-draharaha mitovy amin’izany dia tokony ho maotina ka... (jereo Rm 16.1). tsy ho mpanendrikendrika fa hahafehy tena ary mahatoky amin’ny zavatra rehetra. 12Aoka ny diakônina tsy hampirafy3.12 tsy hampirafy: dkt hafa ho indray mandeha monja no hanambady., ary aoka izy hahay mitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany; 13fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa.

14Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena fa hankatỳ aminao faingana aza aho. 15Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra. 16Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika:

Niharihary ho olombelona i Kristy,

nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina

ary niseho tamin’ny iraka3.16 Ampit Rm 1.4. –ary... iraka (dia ny apôstôly): dkt hafa ary hitan’ireo anjely.;

notorîna tany amin’ny firenena,

ka ninoana eran’izao tontolo izao;

nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.

dimanche 12 mars 2023

Alahady 12 Martsa 2023 - Lio 10 : 25 - 37

 25Ary indro tamy ity mpahay lalàna anankiray ka nanao fanontaniana fandrika tamin’i Jesoa hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?

26Fa hoy i Jesoa taminy:

–Inona no voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny lalàna? Ahoana no fandraisanao ny heviny raha vakînao?

27Dia novaliany hoe:

–«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny herinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.» Ary koa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao10.27 Deot 6.5; Lev 19.18..»

28Dia hoy i Jesoa taminy:

–Tsara ny valin-teninao. Ataovy izany, dia ho velona ianao10.28 Ampit Lev 18.5.!

29Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an’i Jesoa hoe:

–Fa iza moa no namako?

30Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian’ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan’ireo jiolahy nandositra. 31Sendra nisy mpisorona nidina tamin’izany lalana izany; fa nony nahatazana an-dralehilahy izy, dia nidify lalana nandalo fotsiny. 32Toy izany koa no nataon’ity levita anankiray; tonga teo amin’ilay toerana izy, nahatazana an-dralehilahy ary nidify lalana nandalo fotsiny. 33Nisy kosa Samaritanina nivahiny tonga teo amin’ity tra-boina ary onena tokoa nahita azy. 34Nohatonin’ilay Samaritanina izy ka nofeheziny ny feriny sady nandrarahany diloilo sy divay10.34 diloilo sy divay: fanafody fampiasa fahizany mba hampitoniana ny fanaintainana (diloilo) sy handiovana ny fery (divay). Ampit Is 1.6.; avy eo dia natainginy teo amin’ny ampondrany ralehilahy ary nentiny tany an-tranombahiny ka nokarakarainy tao. 35Ny ampitson’iny, notolorany vola denàry anankiroa ny tompon-trano sady nataony hoe: «Karakarao ity olona ity; ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireto, dia honerako rehefa miverina aho.»

36Dia nanontanian’i Jesoa ity mpahay lalàna nataony hoe:

–Iza tamin’izy telo lahy ireo, araka ny hevitrao, no nanjary naman’ilay nasian’ny jiolahy?

37Dia novaliany hoe:

–Ilay niantra azy.

Dia hoy i Jesoa taminy:

–Ndeha àry, ka mba manaova torak’izany koa!

samedi 11 mars 2023

Sabotsy 11 Martsa 2023 - I Mpa 14 : 21 - 31

 21Feno 41 taona i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna fony vao nanjaka tamin’i Joda; ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, dia ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny voninahiny. Ny anaran-dreniny dia i Nahamà, izay hamônita. 22Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny mponin’i Joda ka ny fahotana vitany nampahasaro-piaro Azy mihoatra noho ny fahotana vitan’ny razany. 23Fa nanorina toeram-panasinana koa izy sady nanao tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo midoroboka rehetra teny14.23 Jereo 2 Mp 17.9-10.. 24Ary nisy aza lehilahy sy vehivavy izay nitolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ny tany14.24 Jereo Deot 23.17., ka narahiny avokoa ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny firenena izay efa noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.

25Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehabohama dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema, 26ka namabo ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna14.26 Jereo 1 Mp 10.16-17; 2 Tan 9.15-16.. 27Ho solon’ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben’ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran’ny lapan’ny mpanjaka, no nanankinany azy. 28Ary na oviana na oviana nidiran’ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO, dia naka ireo ampinga ireo ny mpiambina ka avy eo namerina azy ho ao an’efitranon’ny mpiambina indray.

29Ny sisa amin’ny tantaran’i Rehabohama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. 30Ary nisy mandrakariva ny ady teo amin’i Rehabohama sy i Jerôbohama. 31Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Rehabohama, dia nalevina am-pasan-drazana tao an-tanànan’i Davida. Ny anaran-dreniny dia Nahamà, izay Hamônita; ary i Abiama14.31 Abiama: ny stf hebreo vitsivitsy sy ny dkt tranainy maro ary ny rijan-teny mirazotra aminy ao amin’ny 2 Tan 12.16 dia miantso io olona io hoe Abià. zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

vendredi 10 mars 2023

Zoma 10 Martsa 2023 - Rom 6 : 15 - 19

 15Koa ahoana àry? Hanota ve isika satria tsy eo ambany fahefan’ny lalàna fa eo ambany fahefan’ny fahasoavana? Sanatria izany! 16Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon’io tompo io: na ny fahotana izay mampirona amin’ny fahafatesana6.16 Ampit Jôh 8.34. izany, na ny fanekena an’Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina? 17Isaorana Andriamanitra fa mpanompon’ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo. 18Natao afaka tamin’ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon’ny fahamarinana. 19Miteny araka ny fiheveran’ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan’ny tenanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan’ny tenanareo saingy ho mpanompon’ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.

jeudi 9 mars 2023

Alakamisy 9 Martsa 2023 - Jao 4 : 1 - 26

 1-2Tamin’izay dia ren’ny Farisianina fa maro kokoa noho ny an’i Jôhany ireo olona tongan’i Jesoa ho mpianatra sy nataony batisa; (kanefa tsy ny tenan’i Jesoa no nanao batisa fa ireo mpianany). Nony fantatry ny Tompo hoe ren’ny Farisianina izany, 3dia niala tao Jodea Izy ary lasa nankany Galilea indray, 4ka tsy maintsy namakivaky ny faritany Samaria.

5Dia tonga tao amin’ny tanàna anankiray any Samaria i Jesoa. I Sikara no anaran’ilay tanàna, izay teo akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Jôsefa zanany4.5 Jereo Gen 33.19; Jos 24.32.; 6teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary i Jesoa tamin’izay efa sasatry ny dia nataony, ka nipetraka teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny 12 antoandro.

7Nisy vehivavy samaritanina anankiray tonga hantsaka rano, ka nitenenan’i Jesoa hoe:

–Mba omeo rano Aho hosotroiko!

8Fa ireo mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy sakafo. 9Dia hoy ilay vehivavy samaritanina tamin’i Jesoa:

–Jiosy Ianao, ka nahoana no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy samaritanina4.9 Ampit Lk 9.52-53.?

Fa tsy mifandray amin’ny Samaritanina manko ny Jiosy. 10Ka izao no navalin’i Jesoa an-dravehivavy:

–Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra ka fantatrao Ilay miteny aminao hoe: «mba omeo rano Aho hosotroiko», dia ianao no ho nangataka taminy ka homeny ranovelona4.10 ranovelona: misy karazana tsilalaon-teny ihany eto, satria ny ranovelona izay tenenin’i Jesoa dia ilay manome ny aina maharitra mandrakizay (jereo and 14)..

11Dia hoy ravehivavy taminy:

–Tsy manana fanovozana Ianao, Tompoko, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany ranovelona izany? 12I Jakôba razantsika no nanome anay ity fantsakana ity ary nisotro rano teto avokoa ny tenany sy ny zanany mbamin’ny biby fiompiny. Fa Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika?

13Dia novalian’i Jesoa hoe:

–Izay rehetra misotro amin’ity rano ity dia mbola hangetaheta hatrany. 14Fa na iza na iza hisotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta na oviana na oviana; satria ny rano izay homeko azy dia hanjary loharano ao anatiny ka hiboiboika ho aina maharitra mandrakizay4.14 Ampit Is 12.3; Jer 2.13; 17.13..

15Ary hoy ravehivavy taminy:

–Mba omeo amin’izany rano izany aho, Tompoko, dia tsy hangetaheta intsony ary koa tsy hankatỳ hantsaka intsony.

16I Jesoa kosa niteny taminy hoe:

–Ndeha antsoy ny vadinao, ka miverena atỳ?

17Fa novalian-dravehivavy hoe:

–Tsy manam-bady aho!

Ary hoy i Jesoa taminy:

–Marina ny filàzanao hoe tsy manam-bady ianao; 18efa nanam-bady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny. Koa marina izany voalazanao izany.

19Dia hoy ravehivavy taminy:

–Hitako, Tompoko, fa mpaminany Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema4.20 Voailika tsy ho anisan’ny ankohonambe jiosy intsony ny Samaritanina ka nanorina tempoly teo amin’ny tendrombohitra Gerizîma, tendrombohitra akaikin’i Sekema renivohitra taloha. –any Jerosalema: ampit Sal 122.1-4. no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin’i Jesoa taminy:

–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin’ny Ray eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria mipoitra avy amin’ny Jiosy ny famonjena4.22 Ampit Is 2.3; Rm 9.3-4.. 23Kanefa, ho an’ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin’ny Ray araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin’ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

25Dia hoy ravehivavy tamin’i Jesoa:

–Fantatro fa misy Mesia anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.

26I Jesoa kosa nilaza taminy hoe:

–Izaho Izay miresaka aminao no Izy!

mercredi 8 mars 2023

Alarobia 8 Martsa 2023 - Deo 23 : 10 - 19

 10Raha eo am-pitobiana hanafika fahavalo ianareo, dia fadio ny zava-dratsy rehetra. 11Raha eo aminareo no misy miaramila tsy madio satria nanary lahinaina tsy nahy tamin’ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao. 12Handro izy rehefa harivariva, ary mahazo miverina eo amin’ny toby indray nony tokony ho maty masoandro.

13Aoka hisy tany voafaritrareo any ivelan’ny toby mba ho fivoahanareo. 14Ary mitondrà fantàka miaraka amin’ny fiadianareo; ka raha hihataka hivoaka ianareo, dia io fantàka io no hihadianareo lavaka hivoahana sy hanotofanareo ny dikinareo. 15Mandeha eo afovoan’ny tobinareo ilay TOMPO Andriamanitrareo mba hiaro anareo sy hampanaiky resy ny fahavalonareo; ka dia ho faritra masina ny tobinareo, ary tsy tokony hahita zava-maharikoriko eo aminareo ny Tompo mba tsy hialany aminareo.

16Aza atolotrareo ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mialoka eo aminareo. 17Eo aminareo no honenany, dia eo amin’ny toerana izay fidiny ao amin’ny tanànanareo mba hahafinaritra azy; fa aza mampahory azy ianareo.

18Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy23.18 Jereo Lev 19.29; Jer 2.20 sy nta.. 19Aza ekena hoentina eo an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanefana voady na ny tangim-behivavy janga na ny karaman’alikalahy: ireo zavatra anankiroa ireo manko dia samy zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo.

mardi 7 mars 2023

Talata 07 Martsa 2023 - Mat 5 : 43 - 48

 43–Efa renareo fa voalaza hoe: «Tiavo ny namanao5.43 Lev 19.18.» ary ankahalao ny fahavalonao! 44Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, 45mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. 46Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa5.46 valisoa: tsy karama manandrify tahaka ny ao amin’ny Mt 10.41-42; 20.2, fa zavatra omen’Andriamanitra araka ny fahalalahan-tanany sy harem-pahasoavany ka mihoatra lavitra ny asa vitan’ny olona (Mt 5.12,46; 6.1,2,5,16; 20.9). manokana azonareo andrandraina avy amin’Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa? 47Ary raha ny namana iray finoana ihany no arahabainareo, inona no tombony amin’ny ataonareo? Na dia ny hafa firenena aza ve tsy manao toraka izany koa? 48Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany àry, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa5.48 Ampit Lev 19.2; Deot 18.13..

lundi 6 mars 2023

Alatsinainy 06 Martsa 2023 - I Kor 4 : 1 - 5

 1Aoka izahay hoheverina ho mpanompon’i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an’Andriamanitra. 2Ny hany takîna amin’ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran’olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

dimanche 5 mars 2023

Alahady 05 Martsa 2023 - Isa 1 : 21 - 26

 21Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky1.21 Momba ny fivadihan’ny vahoakan’Andriamanitra oharina amin’ny fijangajangana: jereo Jer 2.20; 3.1; 5.7; 13.27 sns; Hôs 4.13-14.?

Feno rariny anefa tao taloha

sady nitoeran’ny fahamarinana;

fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.

22Toa volafotsy nanjary tain-drendrika

ary toa divay voatapo-drano ianao, ry Jerosalema.

23Mpikomy ireo mpanapaka anao,

sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.

Samy tia tsolotra izy rehetra,

ary mpandray kolikoly avokoa.

Ny kamboty tsy entiny ara-drariny

ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.

24Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao,

Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe:

«Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho,

ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!

25Ry Jerosalema,

hahita raharaha amiko ianao:

hodioviko amin’ny afo ianao

mba hialan’ny tain-drendrikao

ary hoesoriko ny lotom-pirakao rehetra.

26Haveriko amin’ny laoniny ny mpitsaranao

ho tahaka ny mpitsara taloha,

ary koa ny mpanolotsainao

ho tahaka ny tamin’ny andro fahiny1.26 tamin’ny andro fahiny: izany hoe faha-Davida mpanjaka..

Amin’izay ianao dia hantsoina hoe

‹Renivohi-pahamarinana› sy ‹Tanàna mahatoky.› »

samedi 4 mars 2023

Sabotsy 04 Martsa 2023 - Lio 16 : 14 - 31

 14Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany. 15Fa hoy i Jesoa taminy:

–Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.

16Miafara amin’i Jôhany Mpanao batisa ny andron’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany. Fa manomboka hatreo kosa dia ny Fanjakàn’Andriamanitra no Vaovao Mahafaly torîna, ary samy miezaka hiditra ao ny olona. 17Kanefa moramora kokoa ny hahalevona ny tany amana habakabaka noho ny hoe hahafoana ny zavatra faran’izay madinika indrindra ao amin’ny lalànan’i Mosesy.

18Izay rehetra manary vady ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny taloha; ary izay mampakatra vehivavy nariam-bady, dia maka vadin’olona.

19Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin’ny hanim-py isan’andro. 20Nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandotra teo anoloan’ny vavahadin’ilay mpanankarena. 21Satriny tokoa ny mba hivoky amin’ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin’ny latabatr’ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny. 22Maty ilay mahantra, ka nentin’ny anjely ho eo anilan’i Abrahama16.22 Ampit 13.28.; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina. 23Raha ilay niferinaina tany amin’ny toeran’ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany terỳ lavitra terỳ i Abrahama sy i Lazara teo anilany. 24Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin’ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.» 25Fa hoy i Abrahama hoe: «Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy atỳ ankoatra, ary ianao kosa mijaly. 26Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala etỳ hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hanketỳ aminay tsy afa-miampita.» 27Dia hoy ilay mpanankarena hoe: «Miangavy anao àry aho, ry ikaky, mba iraho i Lazara ho any aminay, 28fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin’ity toeram-pijaliana ity!» 29Fa novalian’i Abrahama hoe: «Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, koa aoka ireo no hohenoiny.» 30Dia hoy ilay mpanankarena: «Tsy izany re, ry ikaky Abrahama, fa raha misy olona avy atỳ amin’ny maty miverina any aminy, dia hialan’izy dimy mirahalahy ny toe-dratsy!» 31Fa hoy i Abrahama: «Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin’ny maty aza.»

vendredi 3 mars 2023

Zoma 03 Martsa 2023 - Rom 4 : 13 - 22

 13Nampanantenain’Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany4.13 Jereo Gen 12.2-3; 17.4-6; 22.15-18.. Tsy noho izy ireo nandala lalàna, fa noho izy ireo nino ka neken’Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14Raha ny fanatanterahana ny lalàna no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka àty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15Fa mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna.

16Noho izany, dia avy amin’ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an’ny taranak’i Abrahama rehetra: tsy ho an’izay mandala ny lalàna ihany, fa ho an’izay mino tahaka ny nataon’i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho4.17 Gen 17.5..» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan’ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga «raim-pirenena» maro, araka ny voalazan’Andriamanitra taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao4.18 Gen 15.5..» 19Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman’ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin’izay, ary koa raha nandinika an’i Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony4.19 Jereo Gen 17.1, 15-22.. 20Tsy very finoana ny amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, 21sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain’Andriamanitra dia hain’Andriamanitra tanterahina. 22Izany no «nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina4.22 Jereo Is 53.4-6..» 

jeudi 2 mars 2023

Alakamisy 02 Martsa 2023 - Mat 25 : 14 - 30

 14Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy. 15Koa ny anankiray dia nomeny denàry 30 000, ny anankiray denàry 12 000 ary ny anankiray denàry 6 000, samy araka izay fahaizany avy25.15 denàry 30 000, denàry 12 000, denàry 6 000: na hoe talenta dimy, talenta roa, talenta iray; ka ny talenta iray dia vola mitentina denàry 6.000.. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa. 16Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000. 17Toy izany koa no nataon’ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000. 18Fa ilay nandray denàry 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan’ny tompony.

19Nony ela, dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin’ny petra-bolany. 20Dia nanatona ilay nandray denàry 30 000 ka nanolotra denàry 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: «Denàry 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 30 000 hafa tombony aho.» 21Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!» 22Dia nanatona koa ilay nandray denàry 12 000 ary nilaza hoe: «Denàry 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 12 000 hafa tombony aho.» 23Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!» 24Dia nanatona kosa ilay nandray denàry 6 000 ary nilaza hoe: «Fantatro, tompoko, fa lehilahy mila voatsiary ianao, ka mijinja amin’izay tsy namafazanao ary manangona amin’izay tsy nanelezanao. 25Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny volanao tao anaty tany; koa indro fa averiko aminao ny fanananao.» 26Dia hoy ny tompony taminy: «Mpanompo ratsy sady kamo raha ianao! Fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho ary manangona amin’izay tsy nanelezako. 27Noho izany, tokony ho napetrakao tany amin’ny banky ny volako ary ho noraisiko mbamin’ny zana-bola ny fananako rehefa tafaverina aho. 28Koa alao ny denàry 6 000 eny aminy, dia omeo an’ilay manana denàry 60 000. 29Eny, izay rehetra manana no homena hatrany ary hanam-be; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halàna aminy. 30Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin’ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

mercredi 1 mars 2023

Alarobia 01 Martsa 2023 - II Mpa 20 : 1 - 7

 1Tamin’izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe:

–Ataovy ny farahafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.

2Dia nitodika tany amin’ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin’ny TOMPO 3ary nanao hoe

–TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao.

Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.

4Fa raha mbola tsy tonga teo amin’ny kianja anatin’ny lapa21.4 teo... lapa: araka ny dkt tranainy izany; fa ny RM kosa manao hoe teo amin’ny faritra afovoan-tanàna. i Isaià, dia nisy tenin’ny TOMPO taminy nandidy azy 5hiverina ka hilaza amin’i Hezekià filohan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe:

–Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko ianao. 6Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin’ny vahohon’ny mpanjakan’i Asiria. Eny, ity tanàna ity dia harovako noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.

7Ary nampaka ampempan’aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin’ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

mardi 28 février 2023

Talata 28 Febroary 2023 - Heb 4 : 12 - 13

 12Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona. 13Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.

lundi 27 février 2023

Alatsinainy 27 Febroary 2023 - Mar 2 : 1 - 12

 1Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren’ny olona fa hoe tao an-trano2.1 tao an-trano: azo heverina araka 1.29 fa ny tranon-dry i Simôna sy i Andrea no ambara eto. Izy. 2Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan’ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin’Andriamanitra taminy. 3Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain’olona efa-dahy hankeo amin’i Jesoa. 4Tsy afaka nanatona an’i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan’ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin’izay nitoeran’i Jesoa, no nanesorany2.4 ny tafon-trano... no nanesorany: ny tafon-trano tany Palestinina fahizany dia marin-tampona vita hazo sy feta tany.; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan’ilay malemy. 5Hitan’i Jesoa ny finoan’ireto olona ka hoy Izy tamin’ilay malemy:

–Voavela ny helokao, anaka!

6Fa nisy nipetraka teo kosa ireo mpahay lalàna ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7«Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an’Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany2.7 Manevateva an’Andriamanitra: ampit Lev 24.16. –Iza no mahavela... ihany: jereo Sal 103.3; Is 43.25.?» 8Takatr’i Jesoa avy hatrany ny eritreritr’iretsy mpahay lalàna ka hoy Izy taminy:

–Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo? 9Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza amin’ity malemy ity hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza aminy hoe: «Mitsangàna, ka batao ny fandrianao ary mandehana»? 10Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka!

Dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy:

11–Mandidy anao aho, mitsangàna, batao ny fandrianao ka modia any an-tranonao!

12Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason’ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady vaky vava hoe:

–Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika!

vendredi 24 février 2023

Zoma 24 Febroary 2023 - Jao 12 : 44 - 50

 44I Jesoa kosa niantso mafy hoe:

–Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy; 45ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy. 46Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin’izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin’ny haizina izay rehetra mino Ahy. 47Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an’izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an’izao tontolo izao. 48Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin’ny andro farany; 49satria tsy avy amin’ny tenako no nanaovako fanambaràna, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako. 50Fantatro fa ny didin’ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan’ny Ray tamiko.

jeudi 23 février 2023

Alakamisy 23 Febroary 2023 - Lio 5 : 1 - 11

 1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta5.1 farihin’i Genesareta: anarana hafa iantsoana ny farihin’i Galilea. Jereo koa Mk 6.53 sy nta. iny, dia nitangoronan’ny vahoaka te hihaino ny tenin’Andriamanitra. 2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato. 3Dia niakaran’i Jesoa ny sambokely anankiray izay an’i Simôna, ka niangavian’i Jesoa i Simôna hihataka kely amin’ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna hoe:

–Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian’i Simôna hoe:

–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato5.6 Ampit Jôh 21.6.. 7Koa nohatsihin’izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin’ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa. 8Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe:

–Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin’ireo niaraka taminy noho ny haben’ny trondro azony. 10Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo izay niombona asa tamin’i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin’i Simôna:

–Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!

11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin’i Jesoa.

mercredi 22 février 2023

Alarobia 22 Febroary 2023 - Eks 20 : 18 - 26

 18Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny. 19Hoy ireo tamin’i Mosesy:

–Ianao ihany no mitenena aminay dia hohenoinay fa aoka tsy hiteny aminay mivantana Andriamanitra, fandrao maty izahay20.19 And 18-19: jereo Heb 12.18-19..

20Namaly azy ireo i Mosesy hoe:

–Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.

mardi 21 février 2023

Talata 21 Febroary 2023 - I Pet 1 : 13 - 25

 13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. 14Aoka ho fatra-panaiky an’Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin’ny tsy fahalalana. 15Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin’ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho1.16 Lev 19.2..»

17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin’Andriamanitra rahateo talohan’ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin’izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21Izy no mahatonga anareo hino an’Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin’ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.

22Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra1.22 tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra: misy stf sasany ahitana hoe tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra vokatry ny asan’ny Fanahy Masina. mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa. 23Nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa tamin’ny voa tsy mety lo: dia ny tenin’Andriamanitra, izay teny velona sady maharitra. 24Fa hoy ny Soratra Masina:

«Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra

ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:

malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny.

25Fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay1.25 And 24-25: Is 40.6-8, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorîna taminareo.

lundi 20 février 2023

Alatsinainy 20 Febroary 2023 - Sal 119 : 9 - 16

9Raha maninona ny tanora no hadio toetra?

Raha mitandrina ny teninao.

10Amin’ny foko manontolo no itadiavako Anao,

koa aza avela handao ny didinao aho.

11Raketiko ato am-poko ny hafatrao

mba tsy hanotako aminao.

12Hisaorana anie Ianao, TOMPO ô!

Ampianaro ahy ny lalànanao.

13Tanisain’ny molotro avokoa

ny fitsipika naloaky ny vavanao.

14Ny mizotra araka ny baikonao

no mahafaly ahy noho izay harena.

15Ny fepetranao hosaintsainiko,

ny sori-dàlanao hodinihiko;

16ny lalànanao firavoako,

ny teninao fitadîdiko.

dimanche 19 février 2023

Alahady 19 Febroary 2023 - Asa 19 : 11 - 20

 11Ary asa mahagaga misongadina no nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Paoly. 12Hatramin’ny tapa-damba isan-karazany nakasika an’i Paoly no nentina teo amin’ny marary, ka nahafaka ny aretina ary nampiala ny fanahy ratsy taminy. 13Nisy Jiosy sasantsasany koa nivezivezy nandroaka ny fanahy ratsy tamin’ny marary ary nanandrana nampiasa ny anaran’i Jesoa Tompo. Fa hoy ry zareo tamin’ny fanahy ratsy:

–Amin’ny anaran’ilay Jesoa torîn’i Paoly no andidiako anareo hiala!

14(Ny mpanao izany dia izy fito mirahalahy zanaky ny mpisorombe jiosy atao hoe Sevà). 15Fa namaly azy ireo kosa ny fanahy ratsy nanao hoe:

–Fantatro i Jesoa, ary tsy vahiny amiko i Paoly; fa mba iza kosa ianareo?

16Dia niantoraka tamin’ireto zanakalahin’i Sevà ralehilahy itoeram-panahy ratsy ka nahery noho izy rehetra; nasiany mafy izy fito lahy, ka vaky nandositra ary niboridana sady naratra no niala tao an-tranon-dralehilahy. 17Ren’ny mponina tao Efeso izany, na Jiosy na hafa firenena, ka raiki-tahotra izy rehetra ary nankalaza ny anaran’i Jesoa Tompo. 18Tamin’ireo tonga mpino, dia maro no niaiky sy nanambara ampahibemaso izay nataony. 19Betsaka ny mpanao majîka no nitondra ny bokiny ka nandoro izany teo imason’ny olona rehetra. Rehefa natambatra ny tombam-bidin’ireo boky ireo, dia tafakatra 50.000 denàry. 20Niely tsy azo tohaina toy izany ny tenin’ny Tompo19.20 Niely... ny tenin’ny Tompo: misy stf sasany ahitana hoe noho ny herin’ny Tompo dia niely ny teny. ary nanaporofo ny heriny.

samedi 18 février 2023

Sabotsy 18 Febroary 2023 - Sal 1 : 1 - 6

 1Sambatra ny olona

tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,

na mijanona eo amin’ny lalan’ny mpanota,

na miray toerana amin’ny mpaniratsira!

2Fa ny fampianaran’ny TOMPO no sitrany,

ka dia saintsaininy andro aman’alina.

3Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy,

izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina1.3 Jereo Jer 17.8.,

ka dia mahomby avokoa

ny asa rehetra ataony.

4Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy,

fa tahaka ny akofa aelin-drivotra.

5Noho izany, dia ho voaheloka

eo amin’ny fitsarana ireo;

ary tsy hisy toerana ho azy akory

eo amin’ny fivorian’ny olo-marina.

6Tsimbinin’ny TOMPO tokoa ny fiainan’ny olo-marina,

fa ny an’ny olon-dratsy kosa mankamin’ny fahaverezana.

vendredi 17 février 2023

Zoma 17 Febroary 2023 - I Mpa 13 : 1 - 6

 1Noho ny baikon’ny TOMPO, dia nisy olon’Andriamanitra avy any Joda tonga tany Betela raha mbola nandoro sorona hanetona teo amin’ny alitara i Jerôbohama. 2Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe:

–Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià13.2 Jereo 2 Mp 22–23, indrindra 23.15-16.. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.

3Androtr’io ihany dia nanome famantarana ilay olon’Andriamanitra ka nanambara hoe:

–Izao no famantarana ho porofo fa ny TOMPO no niteny: «Indro hitresaka ny alitara ka hiely amin’ny tany ny lavenona eo amboniny.»

4Raha vao ren’i Jerôbohama mpanjaka ny tenin’ilay olon’Andriamanitra izay nanao antso avo nanohitra ny alitara tao Betela, dia naninjitra ilay tanany izay teo ambony alitara izy sady niteny hoe:

–Tano io olona io!

Kanjo maina tampoka teo iny tanana nahinjiny hanoherana an’ilay olon’Andriamanitra iny ka tsy azony noketrahina intsony. 5Tamin’izay koa dia nitresaka ny alitara ka niely tamin’ny tany ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana nambaran’ilay olon’Andriamanitra ihany noho ny tenin’ny TOMPO. 6Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay olon’Andriamanitra:

–Mba ifony amin’ny TOMPO Andriamanitrao re aho ka mivavaha ho ahy mba ho azoko ketrahina indray ny tanako.

Dia nifona tamin’ny TOMPO ilay olon’Andriamanitra, ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany, ary tafaverina toy ny teo aloha.

jeudi 16 février 2023

Alakamisy 16 Febroary 2023 - Jao 11 : 38 - 46

 38Dia niontana indray ny fon’i Jesoa ka nankeo amin’ny fasana Izy. Zohy notampenana vato11.38 Tany Palestinina faha Jesoa, ny fasana dia mazàna lavahana tamin’ny vatolampy eny an-tehezambohitra eny, ary nohidina vatofisaka lehibe miendrika faribolana. Jereo Mt 27.60; Mk 15.46; Lk 24.2. izany fasana izany. 39Dia hoy i Jesoa:

–Esory ny vato!

Fa i Marta, ilay anabavin’ny maty, no namaly Azy hoe:

–Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy.

40Ary hoy i Jesoa taminy:

–Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?

41Dia nesorin’ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe:

–Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao. 42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.

43Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:

–Mivoaha tao, ry Lazara!

44Dia niala tao ny maty, ny tongotra aman-tanana nisy fehim-paty, ary ny tava voasarona lamba11.44 Ampit 20.6-7.. Fa hoy i Jesoa tamin’ny olona:

–Vahao izy, dia avelao handeha!

45Maro tamin’ny Jiosy izay tonga tao amin-dry i Maria ka nahita ny zavatra nataon’i Jesoa no nino Azy. 46Ny sasany tamin’ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina ka nilaza taminy ny zavatra nataon’i Jesoa.

mercredi 15 février 2023

Alarobia 15 Febroary 2023 - II Tim 3 : 14 - 17

 14Ianao kosa, mahareta tsara amin’izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany3.14 Jereo 1.5; 2.2.. 15Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa9.16 Ny Soratra Masina rehetra... mahasoa: dkt hafa Ny Soratra Masina rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa. hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.

mardi 14 février 2023

Talata 14 Febroary 2023 - Isa 44 : 21 - 23

 21Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely,

aoka hotsarovanao izao: «Mpanompoko ianao!

Izaho no namolavola anao hanompo Ahy.

Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!

22Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao

ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao.

Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»

23Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra,

ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany.

Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra

mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao,

fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba

ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.

lundi 13 février 2023

Alatsinainy 13 Febroary 2023 - Jer 15 : 10 - 18

 10Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho. 11Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anaoNa: ny hahasoa anao ihany no nisehoako ho fahavalonao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory. 12Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina? 13Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao; 14Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerakoHeb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany. 15Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa. 16Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô. 17Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho. 18Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?

dimanche 12 février 2023

Alahady 12 Febroary 2023 - Lio 8 : 22 - 25

 22Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy. 23Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. 24Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. 25Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany! 

samedi 11 février 2023

Sabotsy 11 Febroary 2023 - Deo 4 : 32 - 40

 32Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany. 33Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany? 34Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao? 35Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. 36Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo. 37Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe, 38handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao. 39Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. 40Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

vendredi 10 février 2023

Zoma 10 Febroary 2023 - Heb 1 : 1 - 4

1Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, 3Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo 4ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.

jeudi 9 février 2023

Alakamisy 09 Febroary 2023 - Sal 106 : 1 - 12

 1Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? 3Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva. 4Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho, 5Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.

6Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay. 7Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena 8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe. 9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy, 10Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo. 11Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.

mercredi 8 février 2023

Alarobia 08 Febroary 2023 - Mar 1 : 21 - 28

 21Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.

mardi 7 février 2023

Talata 07 Febroary 2023 - Jer 31 : 31 - 34

 31Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, 32Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadinyNa: tompony,hoy Jehovah. 33Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. 34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

lundi 6 février 2023

Alatsinainy 06 Febroary 2023 - Jao 17 : 9 - 17

 9Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an’izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an’ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo, 10fa izay rehetra Ahy dia Anao ary izay rehetra Anao dia Ahy, sady efa nahazo voninahitra teo aminy Aho. 11Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray ô, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo17.11 ilay anaranao... itahirizo azy ireo: misy stf sasany ahitana hoe ilay anaranao no itahirizo ireo efa nomenao Ahy., mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika. 12Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin’ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina17.12 dia ny anaranao... nitahirizako azy: misy stf sasany ahitana hoe dia ny anaranao no nitahirizako ireo efa nomenao Ahy; misy koa ahitana fotsiny hoe dia ny anaranao no nitahirizako azy. –mba hahatanteraka ny Soratra Masina: jereo Sal 41.10; Jôh 13.18.. 13Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, mba hananan’ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy. 14Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy. 15Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin’ilay Ratsy17.15 Ampit Mt 6.13.. 16Tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy. 17Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra.

dimanche 5 février 2023

Alahady 05 Martsa 2023 - Isa 1 : 21 - 26

Alahady 05 Febroary 2023 - Zak 1 : 1 - 6

 1Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào1.1 Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa: izany hoe tamin’ny oktôbra–nôvambra 520 tal J.K. –i Dariôsa no mpanjakan’i Persia nanomboka tamin’ny taona 522 ka hatramin’ny taona 486 tal J.K. –i Zakarià (izay anarana midika hoe ny Tompo mahatsiaro) dia mpisorona ihany koa araka ny Neh 12.16.. 2Ary nasain’ny TOMPO nilaza izany tamin’ny Israelita i Zakarià nanao hoe: «Izaho TOMPO dia tezitra mafy tamin’ny razanareo. 3Kanefa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. 4Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. 5Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany. 6Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»

samedi 4 février 2023

Sabotsy 04 Febroary 2023 - Mar 5 : 35 - 43

 35Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga ka nanao tamin’i Jaîro hoe:

–Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

36Fa tsy nahoan’i Jesoa izany teny izany5.36 tsy nahoan’...teny izany: dkt hafa sendra ren’i Jesoa izany teny izany., ka hoy Izy tamin’ilay lehiben’ny sinagôga:

–Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!

37Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba. 38Nankao an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy efa-mianaka, ary hitan’i Jesoa ireto olona misomaritaka sy mitomany ary mikiakiaka. 39Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin’ireo olona tao nanao hoe:

–Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!

40Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza. 41Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy:

–Talità komỳ5.41 Talità komỳ: voambolana aramianina anankiroa. Ny teny aramianina no fitenin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa.! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)

42Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo; 43fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.

vendredi 3 février 2023

Zoma 03 Febroary 2023 - Oha 7 : 1 - 5

 1Anaka, tandremonao ny teniko

ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.

2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao;

ary tandremo toy ny anakandriamaso ny fampianarako.

3Ataovy toy ny peratra amin’ny rantsan-tananao ireo

ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.

4Hevero toy ny anabavinao ny fahendrena

ary toy ny havanao ny fahalalana;

5ireo no hiaro anao amin’ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady

dia vehivavy hafa mpanao teny manangoly.

jeudi 2 février 2023

Alakamisy 02 Martsa 2023 - Mat 25 : 14 - 30

Alakamisy 02 Febroary 2023 - Lio 4 : 38 - 41

 38Rehefa niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry Simôna. Ary voan’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna ka niangaviana Azy hositraniny. 39Niondrika teo amin-dravehivavy i Jesoa; ary notenenin’i Jesoa mafy ny tazo, ka niala taminy. Dia nitsangana teo no ho eo ihany ravehivavy nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.

40Vao maty kosa ny masoandro4.40 Jereo Mk 1.32 sy nta., izay rehetra nanana marary azon’ny aretina isan-karazany dia samy nitondra ny azy teo amin’i Jesoa. Nametrahany tanana tsirairay izy ireny, ka nositraniny. 41Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.

mercredi 1 février 2023

Alarobia 01 Febroary 2023 - Sal 119 : 105 - 112

 105Fanilon’ny diako ny teninao

sy fanazavana ny làlan-kizorako.

106Hamafisiko ny velirano izay nataoko,

dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.

107Mijaly tsy eran’ny aina aho, TOMPO ô:

mba velomy indray araka ny fampanantenànao.

108Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao119.108 Heverina ho fanatitra atolotra an’Andriamanitra ny vavaka; jereo Sal 50.14; 51.19.:

TOMPO ô, ampianaro ahy ny fitsipikao.

109Hatenda lalandava izao ny aiko,

nefa tsy hadinoko ny lalànanao.

110Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy,

fa izaho tsy mihataka amin’ny fepetranao.

111Ny baikonao no fananako mandrakizay:

ireo no fifalifalian’ny foko.

112Aronako hanao ny lalànanao ny foko,

hatramin’ny antsipiriany ary mandrakizay.

mardi 31 janvier 2023

Talata 31 Janoary 2023 - Apo 22 : 1 - 5

 1Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry 2teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. 3Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy 4ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. 5Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

lundi 30 janvier 2023

Alatsinainy 30 Janoary 2023 - Isa 65 : 17 - 21

 17Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.

18Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. 19Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. 20Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozoninaNa: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona. 21Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.

dimanche 29 janvier 2023

Alahady 29 Janoary 2023 - Lio 17 : 11 - 19

 11Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'iNa: Teny anelanelan'i Samaria sy Galilia. 12Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

samedi 28 janvier 2023

Sabotsy 28 Janoary 2023 - Isa 46 : 3 - 7

 3Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.

vendredi 27 janvier 2023

Zoma 27 Janoary 2023 - Asa 17 : 22 - 31

 22Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. 23Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, 25sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; 26ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, 27mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. 29Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, 31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.

jeudi 26 janvier 2023

Alakamisy 26 Janoary 2023 - Sal 89 : 5 - 18

 5Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina. 6Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah, 7Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy? 8Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. 9Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. 10Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. 11Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. 12Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona. 13Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. 14Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.

15Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany. 16Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany. 17Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay. 18Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.

mercredi 25 janvier 2023

Alarobia 25 Janoary 2023 - Jao 10 : 20 - 26

 20Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? 21Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba? 22Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. 23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona. 24Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. 

mardi 24 janvier 2023

Talata 24 Janoary 2023 - Mpit 12 : 1 - 7

1Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao12.1 Ilay nahary anao: ny teny hebreo ampiasaina eto dia azo adika koa hoe ny fasanao –Amin’ny dkt sasany ny 11.9-10 dia marihina 12.1-2, noho izany ny 12.1-14 dia lasa 12.3-16.. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.» 2Amin’ny androm-pahosanao manko dia hihamatroka ny fahazavan’ny masoandro, hanjavozavo ny volana aman-kintana, ary hivangongo ny rahona mitondra orana. 3Amin’izay ny sandry aman-tanana fiarovanao tena dia hipararetra; ny ranjonao nijaridina dia hikolepaka; ny nifinao efa nihavitsy loatra dia tsy hahahota sakafo intsony; ary hihapahina ny masonao ka tsy hahita tsara intsony. 4Amin’ny androm-pahosanao koa dia hikombona ny molotrao satria hihareraka ny vodivazanao mihomokomoka ao anaty vavanao; ary ho donto ny sofinao, ka tsy ho tandrinao ny fikalom-boron-kely ary halefaka aminao avokoa ny feon’ny mpihira. 5Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery12.5 Ny and 2-5 eto dia ilazana ny fahanterana miaraka amin’ny fahosana sy ny fahaketrahana rehetra momba azy. Ny fahazavan’ny masoandro sy volana aman-kintana dia enti-milaza ny saina sy fitadidiana amam-piniavana mavitrika. Ao amin’ny RM dia soritana fa an’ohatra no ilazana ny sandry aman-tanana (=mpiambina), ny tena (=trano), ny ranjo mijaridina (=lehilahy matanjaka), ny nify mihota (=mpanompovavy mpitoto), ny maso (=vehivavy mpitsiritsirika), ny molotra (=varavarana kopa-droa), ny vava (=lalambe), ny vazana (=vato fikosoham-bary); niniana nialana ny sarintsary aman’ohatra mba hampazava kokoa ny tian-kambara. –ho be fanahiana: izany hoe matahotra ny hianjera sy ho lavo ny beantitra eny am-pandehanana.. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe. 6Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky12.6 Teny an’ohatra enti-milaza ny vatan’olombelona ialan’ny aina avokoa izany.. 7Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.

lundi 23 janvier 2023

Alatsinainy 23 Janoary 2023 - Isa 64 : 7 - 11

 7Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay;

tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy

ary asan’ny tananao izahay rehetra.

8TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay

ary aza tsarovana hatrany ny helokay;

mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.

9Tonga aolo ireo tanànanao masina,

tonga taniefitra i Tsiôna

ary tonga lao i Jerosalema.

10Ny tempoly masina sady mamirapiratra

izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao

dia kilan’ny afo,

ary ny zava-drehetra maminay indrindra

dia rava avokoa.

11Eo anoloan’ireo fahavoazana rehetra ireo,

dia tsy hiraika aminay ve Ianao, TOMPO ô?

Mbola hangina ihany ve Ianao

ka hampahory anay mafy loatra?

dimanche 22 janvier 2023

Alahady 22 Janoary 2022 - Jer 10 : 6 - 13

 6Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO,

fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao

amin’ny asa mahery nataonao.

7Iza no tsy hatahotra Anao,

ry Mpanjakan’ireo firenena,

fa mendrika anao izany.

Ny hendry rehetra amin’ireo firenena

sy ao amin’ireo fanjakana rehetra

dia tsy misy mitovy aminao10.7 Ampit Apôk 15.4..

8Fa adala sy very saina izy rehetra:

zava-poana ny fampianarany

fa tapa-kazo ihany izany.

9Ireo sampy ireo dia ravahana

takela-bolafotsy avy any Tarsisy

na volamena avy any Ôfira10.9 Tarsisy: seranan-tsambo na faritany iray any Mediteranea andrefana, heverina ho tany Espaina. –Ôfira: faritany malaza noho ny volamenany (1 Mp 22.49), nefa ny TM manao hoe Ofaza izay faritany tsy fantatra kanefa voalaza koa ao amin’ny Dan 10.5.,

izay namboarin’ny mpanao asan-tanana

sy ny mpanefy firavaka;

ary lamba jaky sy volomparasy

no nampitafiana azy.

Asan’ny mpahay taozavatra avokoa

ireny sampy rehetra ireny.

10Fa ny TOMPO kosa

no tena Andriamanitra,

Andriamanitra velona

sy Mpanjaka mandrakizay.

Rehefa tezitra Izy,

dia mihorohoro ny tany;

ary ny firenena dia tsy mahatanty

ny fahavinirany.

11Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.

12Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany,

tamim-pahendrena no nanorenany

izao tontolo izao,

ary tamim-pahaizana no namelarany

ny habakabaka.

13Baikony no mampitoby

ny ranobe any an-danitra any

sy mampiakatra ny rahona matevina

avy any am-paravodilanitra,

ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana

sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.

samedi 21 janvier 2023

Sabotsy 21 Janoary 2023 - Sal 95 : 1 - 11

 1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,

hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!

2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,

hankalaza Azy amin’ny feon-java-maneno!

3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,

Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra.

4Eo ambany fifehezany ny atin’ny tany,

ary Azy koa ny tampon’ny tendrombohitra;

5Azy ny ranomasina fa nataony,

Azy koa ny tanety fa novolavolainy.

6Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka,

handohalika eo anatrehan’ny TOMPO Mpanao antsika!

7Satria Izy no Andriamanitsika, fa isika kosa

vahoaka fiandriny, andian’ondry tarihiny.

Koa enga anie ianareo anio

mba hahahaino ny feony manao hoe:

8«Aza manamafy ny fonareo

tahaka ny nataon’ny razanareo tao Meribà

tamin’ny zava-nitranga tao Masà95.8a Meribà sy Masà: Eks 17.1-7; Nom 20.1-13., tany an-taniefitra95.8b Ny and 7-8 dia tsiahivin’ny Heb 3.15; 4.7 araka ny dkt tranainy grika..

9Fa nihantsy sy nitsapa Ahy ny razanareo,

na dia efa nahita ny asa nataoko aza.

10Efapolo taona95.10 efapolo taona: jereo Nom 14.33-34. no nahatofoka ahy izany taranaka izany,

ka hoy Aho hoe: Vahoaka very saina tokoa ireo,

ka tsy mahatakatra izay lalana itarihako azy.

11Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe:

Tsy hidiran’ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko95.11 Ny and 7-11 dia tsiahivin’ny Heb 3.7-11 araka ny dkt tranainy grika. –Ny fianianan’ny Tompo: jereo Nom 14.21-23; Deot 1.34-35; Heb 4.3..»

vendredi 20 janvier 2023

Zoma 20 Janoary 2022 - Mat 11 : 25 - 27

 25Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe:

–Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina11.25 Ampit Dan 2; 1Kôr 1.17-29. –Ny zavatra nafeninao dia manondro ny Fanjakàn’ny lanitra sy ny harena miafina raketiny. dia nasehonao tamin’ny madinika. 26Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!

27Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!

jeudi 19 janvier 2023

Alakamisy 19 Janoary 2022 - Apo 15 : 1 - 4

 1Ary hitako nisy famantarana anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin’ireo loza ireo no hiseho faran’izay mafy indrindra ny haviniran’Andriamanitra.

2Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an’ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin’ny anarany dia nijoro teo amoron’io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen’Andriamanitra azy. 3Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe:

«Lehibe sy mahagaga ny asanao,

ry Tompo Andriamanitra Tsitoha!

Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao

ry Mpanjakan’ny firenena!

4Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo?

Iza no tsy hanome voninahitra Anao?

Satria Ianao irery no masina,

ka ho avy ny firenena rehetra

hiankohoka eo anatrehanao,

fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny15.4 And 3: jereo Eks 15.1. –Mpanjakan’ny firenena: misy stf sasany ahitana hoe Mpanjakan’ny taona rehetra. –And 4: jereo Jer 10.7; Sal 86.91..»

mercredi 18 janvier 2023

Alarobia 18 Janoary 2022 - Sal 33 : 4 - 11

 4Fa mahitsy ny tenin’ny TOMPO

ka azo antoka avokoa izay ataony.

5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;

ny fitiavany manenika ny tany.

6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;

niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.

7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina

ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.

8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;

hangovitra eo anatrehany anie

ny mponina rehetra ao aminy!

9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;

nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.

10Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena

ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;

11fa ny fikasan’ny TOMPO no maharitra mandrakizay,

ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12